Toko faha 5

1 Fa gny mpisoronabe iaby, voafily baka amin'ny olo, la nitendre mba hiasa amin'ny agnaran'ny olo amin'ireo raha mahakasiky an-Dranagnahary, ka mba hanolorany fanomeza voho fagnatitsy ho gnan'ny olo. 2 Ie la afaky mifagnaraky mora amin'ny tsy mahay voho gny maniasia fotony ie vatany avao koa la voadidin'ny fahalemea. 3 Noho izay, ie avao koa la nitakia hanolotsy soro ho gnan'ireo otany manoka, manahaky gny nataony ho gnan'ireo otan'ny gn'olo. 4 Tsy ho gnan'ny vatany ro handrambesan'ny olo izay voninahitsy izay. Fa koa, ie la kinaikin-Dranagnahary, manahaky gnan'i Arona. 5 La manahaky izay, Kristy tsy mba nagnome haja gny vatany mihintsy tamin'ny fanaovany gny vatany ho mpisoronabe. Fa koa, gny raiky zay niresaky taminy nivola hoe: " Anako Iha; henanio la avy Babanao Zaho." 6 Manahaky izay avao koa ro nivolagnany tagny amin'ny toeran-kafa hoe: " Iha la mpisoro mandrakizay araky gny fomban'i Melkizedeka." 7 Tagnatin'ireo andron'ny nofony, Kristy nanolotsy vavaky voho fangataha niaraky tamin'ny koraky mare voho ranomaso an-Dranagnahary, gny raiky zay afaky mamonjy Gnazy amin'ny fahafatesa. Ie nohon'ny fangorahany. 8 Na la anaky aza Ie, la nianatsy fankatoava tamin'ireo raha zay niaretany. 9 Natao ho tonga lafatsy Ie ka avy, ho gnan'ny olo iaby zay mankatoa Gnazy, gny loharanon'ny famonjea mandrakizay. 10 La nitendren-Dranagnahary manahaky gny mpisoronabe Ie araky gny fomban'i Melkizedeka. 11 Manan-kambara maro mikasikin'i Jesosy rahay, fa sarotsy gny manazava izay hatramin'ny naha-lalindalova gny faharezanareo. 12 Fa amin'izao fotoa zao la tokony ho mpampianatsy nareo, nareo la mbo mila olo hampianatsy gnanareo reo fitsipiky fototsy gny hafatsin-Dranagnahary. Ronono ro ilanareo, fa tsy ventin-kany! 13 Fa gn'olo ze mino ronono avao la tsy ampy traikefa amin'ny hafatsy gny fahamarina, fotony ie la mbo aja kelikely. 14 Fa gny ventin-kany la ho gnan'ireo bevata. Reo la zay voahofa tamin'ny fanavaha gny soa amin'ny raty gny fahatakarany nohon'ny fahamatoran-drozy