Toko faha 4

1 Noho izay, ao hiamby soa tsika mba tsy hisy agnaminareo gny tsy afaky hahatratsy gny safa fampanantena nenga ho gnanareo mba hiliranareo ao amin'ny fitsaharan-Dranagnahary. 2 Fa tsika la nagnambara gny vaovao mahafaly manahaky an-drozy. Fa izay hafatsy izay la tsy nisy tombony ho gnan'ireo zay tsy nitambatsy tao amin'ny finoa niaraky tamin'ireo zay nankato. ( ' Fanamariha: gny dikanteny sasany la mivaky manahaky zao: " Fa izay hafatsy izay la tsy nisy tombony ho gnan'ireo zay nahaja gnazy tamin'ny tsy finoa.") 3 Fa tsika zay nino la reo ze hilitsy amin'izay fitsahara izay, araky ze fa nivolagniny hoe: " Manahaky gny nianianako tamin'ny fahatezerako, la tsy hilitsy velively ao amin'ny fitsarako rozy." Fa ndra zay koa aza, gny asa famoronany la vita tamin'ny fanorena zao tontolo zao. 4 Fa ie nivola tagny ho agny mikasikin'ny andro faha-fito hoe: " Ndranagnahary nitofa tamy gn'andro faha-fito tamy gn'asany iaby." 5 Sady mbo nivola ndraiky ie hoe: " Rozy la tsy hilitsy velively ao amin'ny fitsaharako." 6 Noho izay, fotony mbo voatoka ho gnan'ny sasany gny filira ao amin'ny fitsaharany, sady fotony maro reo Israelita nahaja gny vaovao mahafaly tsy nilitsy tao nohon'ny tsy fankatoava, 7 la nametraky andro raiky ndraiky nikaihy hoe: " Androany" Ndranagnahary. Tafaran'ny andro maro, la niresaky tamin'ny alalan'i Davida Ie, manahaky zay voalaza mialoha hoe: " Henanio laha mahanjanjy gny feony nareo, la ka manamafy gny fonareo." 8 Fa laha Josoa ro nagnome fitsahara gnan-drozy, la tsy niresaky mikasiky gn' andro raiky hafa Ndranagnahary. 9 Noho izay la mbo misy sabata fitsaraha voatoka ho gnan'ny vehoakin-Dranagnahary. 10 Fa ze militsy ao amin'ny fitsaharan-Dranagnahary la nitofa tamy gn'asany avao koa, manahaky gny nataon-Dranagnahary tamin'ny Gnazy. 11 Noho izay ao tsika hazoto hilitsy amin'izay fitsahara izay, mba tsy hisy na raiky aza ho tafalatsaky amin'ny karaza tsy fankatoava ze nataon-drozy. 12 Fa gny safan-Dranagnahary la velo voho mandaitsy sady maragnitsy noho gny meso roe lela. Izay la mitoboky zisiky amin'ny fisarahany gn'ay amin'ny gny fagnahy, voho gny tono amin'ny tsoka. Ka azo fantary gny eritreritsy gny fo voho reo fikasa. 13 Tsy nisy famorogna nietaky teo agnatrehan-Dranagnahary. Fa koa, gny raha iaby la miharihary voho misokatsy eo imason'ny raiky ze tsy maintsy hampamoahintsika. 14 Noho izay, fotony tsika la mana mpisoronabe bevata zay nanjary namaky gny lagnitsy, Jesosy Zanakin-Dranagnahary, la ndao tsika hipitiky mare amin'ny finoantsika. 15 Fa tsika la tsy mana mpisoronabe zay tsy mahatsapa fangoraha amin'ny fahalementsika. Fa koa, tsika la mana olo raiky zay fa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba iaby manahaky antsika, nefa Ie tsy misy ota. 16 Ao tsika handeha amin'ny fahatokia ho agny amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoava, mba handrambesantsika gny famindram-po voho hahajery fahasoava hagnampy amin'ny fotoa ila izay.