Toko faha 3

1 Noho izay, ry rahalahy masy, nizara gny kaikin'ny lagnitsy nareo. Saigno gny mikasiky gnan'i Jesosy, gny apostoly voho mpisoronabe zay ekentsika. 2 Ie la nahatoky an-Dranagnahary, ze nanendry gnazy, manahaky gnan'i Mosesy ze nahatoky tao an-tragnon-Dranagnahary avao koa. 3 Fa Jesosy la fa nirambesy mendriky, fotony zay manory gny tragno ro manan-kanja bebe kokoa noho gny tragno. 4 Fa gny tragno iaby la nisy olo nagnory, fa gny raiky nanory gny raha iaby la Ndranagnahary. 5 Amin'ny lafiny raiky, Mosesy la natokisa manahaky mpanompo tao an-tragnon-Dranagnahary. Ie ro vavolombelo mikasiky reo raha ze tokony fa nambarany amin'ny ho avy. 6 Fa Kristy ro Anaky miandraikitsy gny tragnon-Dranagnahary. Tsika ro tragnony laha ohatsy ka mitandraky mare gny herim-po voho gny fahatokiantsika tsika. 7 Noho izay, izay la manahaky gny ambaran'ny Fagnahy masy hoe: " Henanio, laha mahanjanjy gny feony nareo 8 la ka magnamafy gny fonareo manahaky gny amin'ny fikomia, amin'ny fotoanan'ny fitsapa agny agn'efitsy. 9 Manahaky gnan'izay gny razambenareo lafa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapa Gnahy, sady lafa, tagnatiny gny efapolo tao, la jerin-drozy gn'asako. 10 Noho izay la tsy faly Zaho amin'io havorohota io. 11 Hoy Zaho hoe: ' Rozy la voatariky zisiky farany agny amin'ny lalan-diso am-pony ao. Tsy nahay gny lalako rozy. Manahaky izay ro nianianako tamin'ny hatezerako hoe: ' Tsy hilitsy ao amin'ny fitsaharako velively rozy."' 12 Mitandrema, ry rahalahy, mba tsy hisy na raiky agnaminareo aza ro hana fo ratin'ny tsy finoa, fo zay miala amin-Dranagnahary velo. 13 Fa koa, mifampahereza isan'andro, laha mbo misy gny kaiky hoe: " Henanizao", mba tsy hisy agnaminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky gny fahota. 14 Fa tsika la manjary mpiara-miasa amin'i Kristy laha ohatry ka mitandraky mare gny fahatokisantsika Gnazy bakam-bolohony ka zisiky farany. 15 Fa gny mikasiky gnan'izay la fa voalaza hoe: " Henanio, laha mahanjajy gny feony nareo, la ka magnamafy gny fonareo, manahaky gny amin'ny fikomia." 16 Ia ze fa nahanjanjy an-Dranagnahary ka nikomy? Fa tsy reo iaby ze niboaky bakagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy va izay? 17 Ia ro nahameloky gnazy tagnatiny gny efapolo tao? Tsy reo ze nanota va, ze lavo tagny agn'efitsy gny fatin-drozy? 18 Ho gnan'ia ro nianianany fa tsy hilitsy ao amin'ny fitsaharany rozy, laha tsy ho gan'ireo tsy nankato Gnazy? 19 Hitantsika fa tsy afaky nilitsy tao amin'ny fitsaharany rozy nohon'ny tsy finoa.