Toko faha 2

1 Noho izay tsika la tsy maintsy mitandry marere amy ze rentsika, mba tsy hagnara-drenirano amin'izay tsika. 2 Fa laha to gny hafatsy zay nivolagniny tamin'ny alalan'ireo anjely, sady gny fandikan-dalagna iaby voho gny tsy fankatoava la mandramby sazy ara-drariny, 3 la manao akory ro hafahantsika milay laha tsy midary zay famonjea bevata loatsy zay tsika? Io famonjea zay nambaran'ny Tompo voalohany voho namafisin'ireo nahanjanjy zay tamintsika. 4 Tamin'io fotoa io avao Ndranagnahary la nagnaporofo gnan'izay tamin'ny famantara, fahagaga, sady asa mahery sambihafa, voho tamin'ny fivolagna reo fanomezam-pahasoavan'ny Fagnahy Masy araky gny sitrapony. 5 Fa tsy tamin'ny anjely ro nampaneken-Dranagnahary zao tontolo zao ho avy, mikasiky gny resahintsika. 6 Fa koa, nisy olo nijoro vavolombelo gnan'izay, tany ho agny, manao hoe: " Ino moa gn' olo mandiniky gnazy iha? Na gn'anakolo, ro mikarakara gnazy iha? 7 Iha la manao gny olo ambany kelikely noho reo anjely; nisatrohinao satro-boninahitsy tamin'ny voninahitsy voho dera ie. [ Fanamariha: Gny dikan-tegny sasany taloha la miampy hoe: " Sady iha nametraky gnazy ambonin'ireo asan'ny tagnanao."] 8 Gny raha iaby la nampanekenao eo ambanin'ny tombony." Fa ho gnazy ro nampaneken-Dranagnahary gny raha iaby. Tsy nagnenga na ino na ino ie ka tsy nampanekeny gnazy. Fa henanizao tsika la tsy mbo mahajery gny raha iaby nampaneke gnazy. 9 Fa Tsika mahajery, gny raiky nataony ambany noho reo anjely tagnatiny gny fotoa kelikely: Jesosy, nohon'ny fijaliany voho gny fahafatesany, la nisinatroky satro-boninahitsy tamin'ny voninahitsy voho dera. Ka henanizao tamin'ny alalan'ny fahasoavan-Dranagnahary, ro nagnandramanany gny fahafatesa ho gnan'ny olo iaby. 10 Fa mety amin'ny Ndranagnahary zay, fotony gny raha iaby la misy ho Gnazy sady amin'ny alalany, mba handay anaky maro hoagny amin'ny voninahitsy. Mety aminy gny hahavy gny mpitariky gny famonjea gnan-drozy ho feno amin'ny alalan'ny fijaleany 11 Fa na gn'olo ze magnamasy na reo ze voahasy la mana loharano raiky. Noho izay la tsy megnatsy mikaiky gnan-drozy hoe rahalahy Ie. 12 Hoy Ie hoe: " Hagnambara gny agnaranao amin'ireo rahalahiko Zaho, hihira gny mikasiky gnanao bakagnatin'ny fivondrona Zaho." 13 Sady koa, " Hatoky gnazy aho." Sady koa: " Ingo, eto zaho voho reo anaky ze namean-Dranagnahary gnahy." 14 Noho izay, fotony nofo aman-dra reo anakin-Dranagnahary, la nizara raha manahaky tamin-drozy avao koa Jesosy, mba ho amin'ny alalan'ny fahafatesa ro hanafoagnany gny raiky zay mana gny herin'ny fahafatesa, la gny devoly izay. 15 Izay la mba hanafahany reo iaby zay tahotsy gny fahafatesa ka la niay gny fiaignan-drozy iaby reo tao amin'ny fanandevoza. 16 Fa mazava ho azy fa tsy reo anjely ro vonjeny; fa koa, gny avorohotan'i Abrahama. 17 Noho izay la mendriky Gnazy gny atao manahaky reo rahalahiny amin'ny fomba iaby, mba ho mpisoronabe feno famindram-po voho fahatokia Ie amin'ny fifandraisa amin'ireo rahan-Dranagnahary, sady mba handay mikasikin'ny famela reo fahotan'ny olo. 18 Fotony Jesosy mihintsy ro nijaly voho nala fagnahy, la afaky magnampy reo zay alaim-pagnahy Ie.