Toko faha 10

1 Fa gny lalagna la alok'ireo raha soa ho avy avao, fa tsy tena endrik'ireo raha reo. Reo zay mamonjy an-Dranagnahary la tsy afaky gny ho lafatsy amin'ny alalan'ny soro mitovy amin'izay andesin'ireo mpisoro isan-tao. 2 Laha izay tsy fa nitsahatsy gny nanolotsy regny soro regny va rozy? Amin'izay tranga izay laha fa nidiovy ndraiky mandeha avao rozy, la tsy mba hahafantatsy gny fahota sasy reo mpivavaky. 3 Fa amin'ireo soro reo la misy fampatiarova reo ota isan-tao. 4 Fotony gny lion'ny aomby lahy voho aosy lahy la tsy mahavita mangalaky reo fahota. 5 Lafa avy teto amin'izao tontolo zao Kristy, la nivola Ie hoe: " Tsy soro na koa fanatitsy ro nirinareo. Fa koa vata zay fa nomaninareo ho Gnahy. 6 Gny fagnatitsy nioroa na soro ho gnan'ny fahota la tsy nifalianao. 7 Sady hoy Aho hoe: " Henteo, toy Aho, araky zay voasoratsy mikasiky Gnahy ao amin'ny Soratsy Masy, mba hanao gny sitrakareo." 8 Voalohany nivola ie hoe: " Tsy soro, na koa fagnatitsy, na fagnatitsy nioroa, na soro ho gnan'ny fahota ro nirinareo. Sady Iha tsy nifaly tao amin-drozy regny." Regny la soro zay atolotsy araky gny lalagna. 9 Sady nivola ie hoe: " Henteo , toy Aho hanao gny sitrakareo." Ie la nangalaky gny fampihara voalohany mba hametraha gny fampihara faharoe. 10 Tamin'izay sitraky izay, la nijamasiny tamin'ny alalan'ny fagnatitsy gny vatan'i Jesosy Kristy ndraiky mandeha monja. 11 Amin'ny lafiny raiky, gny mpisoro iaby la mijoro isan'andro manompo an-Dranagnahary. Ie la manolotsy soro mitovy hatrany, na izay aza rozy la tsy afaky mangalaky reo fahota mihintsy. 12 Amin'ny lafiny raiky hafa, Kristy la nanolotsy soro raiky ho gnan'ny fahota mandrakizay, nipetraky teo an-tanagn'akavanan-Dranagnahary Ie. 13 Ie la miamby mandra-panaova reo fahavalony ho fitoeran-tombony ho gnan'ny tombony. 14 Fa tamin'ny fanatitsy raiky ie la nahalavorary mandrakizay reo zay nihamasiny. 15 Gny Fagnahy Masy koa la mijoro vavolombelo ho gnantsika. Fa tamin'ny voalohany Ie nivola hoe: " Toy ro fanekea zay ho ataoko miaraky amin-drozy afaran'ireo andro reo, hoy gny Tompo. Hapetrako ao am-pon-drozy gny lalako, sady hanoratsy izay ao an-tsain-drozy Aho. 17 Tsy hahatiaro gny fahota voho reo helokin-drozy sasy Aho." 18 Sady na aia misy famela izay, la tsy misy soro ho gnan'ny fahota sasy. 19 Noho izay, ry rahalahy, tsika la mana fahatokia gny hilitsy ao amin'ny toera masy mare tamin'ny lion'i Jesosy. 20 Izay ro lalagna vaovao sady velo zay nisokafany ho gnantsika tamin'ny alalan'ny lamba, izany hoe, tamin'ny alalan'ny nofony. 21 Fotony tsika la mana mpisoro bevata mitandry gny tragnon-Dranagnahary, 22 ao tsika hamonjy amin'ny bolo malio amin'ny finoa feno fahatokia, mba hananantsika fo voalio amin'ny fieretrereta raty sady hanagnantsika vata voalio tamin'ny rano malio. 23 Ao tsika hitandraky mare gny fanekea gny fiandrandra mahatokintsika, tsy am-pihozongozogna, fotony Ndranagnahary, zay nampanantena, la mahatoky. 24 Ao tsika handiniky gny fomba handrisiha gny kiraidraiky amin'ny fitiava voho reo asa soa. 25 Ao tsika tsy hanaja gny fiaraha mivory, manahaky gny nataon'ny sasany. Fa koa, mifankahereza hatrany hatrany, sady maiky fa hitanareo fa mariniky gny andro. 26 Fa laha toa tsika minia manota lafa avy nandramby gny fahaia gny to, la tsy misy fanatitsy ho gnan'ny ota sasy. 27 Fa koa, raiky avao gny fiandrasa mahatahotsy gny fitsara, sady fahatezera mirehitsy zay hamotiky reo fahavalon-Dranagnahary. 28 Na ia na ia nanda gny lalan'i Mosesy la ho maty tsy misy indrafo amin'ny fijoroa vavolombelon'ireo roe na telo zay nanatri-maso. 29 Fanasazia raty lavitsy manahaky manao akory ro eretreretinareo fa mendriky reo zay nanitsaky gny Anakin-Dranagnahary, zay nanao gny lion'ny fifanekea ho tsy masy__Gny lio zay nagnamasy Gnazy__sady naniratsira gny Fagnahin'ny fahasoava? 30 Fa tsika mahay izay raiky izay nivola hoe: " Gnahy gny valifaty; Zaho ro hamaly." Sady koa: " Gny Tompo la hitsara gny olony. " 31 Raha mampitahotsy ro hilatsaky eo an-tanan'ny Ndranagnahary velo! 32 Fa tadidio reo andro taloha, lafa nihazava nareo, gny fomba niharetanareo gny aly mafy tamin'ny fijalia. 33 Nareo la nala baraka ampahibemaso tamin'ny fagnaratia voho tamin'ny fagnenjeha, sady nareo la niaraky nizara tamin'ireo nandalo fijalia manahaky izay. 34 Fotony nareo la nana fangoraham-po tamin'ireo zay voagadra, sady nareo la nagnenky tamim-pifalia gny fangala gny fanagnanareo. La nahay nareo fa gny vatanareo la mana fanagna soa mare voho maharitsy mandrakizay. [ Fanamariha: Gny dikan-teny taloha la tsy hahita gny fehezanteny hoe: " Fa nareo la nana fangoraham-po tamin'ny gadrako."] 35 Noho izay la ka aria gny fahatokianareo, zay mana valisoa bevata. 36 Fa nareo la mila fahareta, mba hahazoanareo zay nampanantenain-Dranagnahary, lafa nanao gny sitrapony nareo. 37 Fa tsy ho ela, izay raiky zay ho avy la ho avy vatany sady tsy ho tara. 38 Gny oloko to la hivelo amin'ny finoa. Laha mihemotsy ie, Zaho la tsy ho faly aminy." 39 Fa tsika la tsy agnisan'ireo zay mihemotsy ho amin'ny faharava. Fa koa. tsika la agnisan'ireo zay mana finoa ho amin'ny fizhazogna gny fagnahintsika.