Toko faha 11

1 Sady gny finoa ro antoky amin'ireo raha nilignasa tamim-pahatokia. Io ro porofon'ireo raha mitranga zay mbo tsy hita. 2 Fa nohon'ny izay reo razambe la nankatoavy nohon'ny finoan-drozy. 3 Amin'ny finoa ro hahaiantsika fa gny lilin-Dranagnahary ro namorogna zao tontolo zao, ka zay hita maso la tsy natao tamin'ny raha zay hita maso. 4 Tamin'ny finoa ro nanoloran'i Abela fanatitsy soa mare ho gnan-Dranagnahary noho gny an'i Kaina, tamin'ny alalan'izay ro nagnambarany gnazy ho to, sady Ndranagnahary nivola soa gnazy noho reo fanatiny, sady amin'ny finoa ro mbo hivolagnan'i Abela, na la fa maty aza ie. 5 Tamin'ny finoa ro namindra gnan'i Enoka mba tsy ahitany gny fahafatesa." Tsy hita ie, fotony nalain-Dranagnahary." Fa talohan'ny nangalany gnazy, la nijoroa vavolombelo fa nankasitrahan-Dranagnahary ie. 6 Sady lafa tsy misy finoa la tsy mety ho ankasitrahany. Fotony ila hoe zay mamonjy an-Dranagnahary la tsy maintsy mino fa misy Ie sady Ie ro mamaly soa gnan'ireo zay mila Gnazy 7 Tamin'ny finoa Noa, ro nomea gny hafatsy baka amin-Dranagnahary mikasiky reo raha zay tsy mbo hita, niaraky tamin'ny fanaja an-Dranagnahary ro nagnamboarany gny sambo zay namonjeany gny avorohotany. Fa tamin'ny fanaova izay, ro nagnamelohany zao tontolo zao voho nahaviany ho mpandova gny fahamarina araky gny finoa. 8 Tamin'ny finoa Abrahama, lafa nikaihy, ro nankato voho nandeha nagnagny amin'izay toera izay hahazoany ho lova. Nandeha ie, tsy nahay zay tany nombany. 9 Tamin'ny finoa ro niainany tagny amin'ny tany nampanantenainy manahaky gny vahiny. Niay tao agnaty tragno ie niaraky tamin'Isaka voho Jakoba, reo mpiara-mandova amin'ny fampanantena mitovy. 10 Fa ie nila zay tana zay mana reo fanorena, zay tany zay Ndranagnahary ro mpamari-tragno mpanori-tragno. 11 Tamin'ny finoa, na la Saraha ie vatany zay tsy niteraky aza, ro nahazoan'i Abrahama gny fahafaha ho baba. Nitranga zay na la fa tena antitsy aza ie, fotony niheveriny ho manahaky gny mahatoky nomea gny fampanantena ie. [ Fanamariha: Misy fanontania mikasikin'ny hoe gny finoan'i Abrahama sa gny finoan'i Saraha ro navohitsy." Tamin'ny finoan'i Saraha, na la fa antitsy aza ie, ro nahazoany gny hery hanagn'anaky, na la fa tena antitsy aza ie handay aja, fotony nihevitsy gny nanome gny fampanantena gnazy ho mahatoky."] 12 Noho izay, avy amin'izay johary izay, zay fa ho maty ro nahaterahan'ireo zay manahaky reo kintana egny an-dagnitsy gny hamaroany voho manahaky gny fasiky manamoro gny ranomasy, zay tsy voaisa. 13 Tao amin'ny finoa regny iaby regny ro maty tsy nandramby reo fampanantena. Fa koa, tafaran'ny nahitany voho niarahaba gnan-drozy bakegny lavitsy, la nagneky rozy fa vahiny voho sesi-tany etoy an-tany. 14 Ho gnan'ireo zay mivola manahaky izay raha izay la magnazava fa mila tanindraza rozy. 15 Laha nieritreritsy gny firenena zay nialany rozy, la mety nana fahafaha himpoly. 16 Fa manahaky izay nagniry firenena soasoa mare rozy, ka izay, gny agny an-dagnitsy. Noho izay tsy mahamegnatsy an-Dranagnahary gny voaakaiky hoe Ndranagnarin-drozy, ka nanoma tana ho gnan-drozy Ie. 17 Tamin'ny finoa Abrahama, lafa nitsapa, la nanolotsy gnan'Isaka. Io ro anany johary toka zay natolony, ie gny nahazo reo fampanantena. 18 Tamin'i Abrahama ro nivolagna hoe: " Amin'ny alalan'Isaka ro hanondroa reo avorohotanao." 19 Abrahama la nihevitsyfa Ndranagnahary la hahavita hananga gnan'Isaka amin'ireo maty, sady amin'ny heviny amin'ny ohatsy, baka amin-drozy ro hahazoany gnazy ndraiky 20 Tamin'ny finoa mikasik'ireo raha ho avy koa ro nitsofan'Isaka rano gnan'i Jakoba voho Esao. 21 Tamin'ny finoa Jakoba, tamin'ie fa maty, ro nitso-drano reo anak'i Josefa kiraidraiky aby. Nivavaky Jakoba, nitehana tamin'ny lohan'ny tehiny. 22 Tamin'ny finoa Josefa , lafa nagnenky gny fiafarany, ro nivolagnany gny fiaingan'ny anak'Israely bakagny Egypta sady nanafarany gny amin'ny taolany. 23 Tamin'ny finoa Mosesy, lafa teraky ie, la naetak'ireo ray aman-dreniny tagnaty gny telo vola fotony hitan-drozy fa aja soa ie. Tsy natahotsy gny lilin'ny mpanjaka rozy. 24 Tamin'ny finoa Mosesy, tafaran'ny nahabe gnazy, ro nanga gny hikaiha gnazy ho anaky lahin'ny anak'ampelan'i Farao. 25 Fa koa, nisafidy gny hijaly niaraky tamin'ny vahoakin-Dranagnahary ie, manahaky zay hankafy reo fahafinaretan'ny fahota tagnatiny gny fotoa kelikely. 26 Nivola ie hoe gny fahafaham-baraka amin'ny fanaraha gnan'i Kristy la hanagna bevata noho reo hanagnan'i Egypta. Fotony nampifantoky reo masony tamin'ny valisoany ie. 27 Tamin'ny finoa ro nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotsy gny heloky gny mpanjaka ie, fa niaritsy izay nanahaky gny nahitany gny tsy hita maso. 28 Tamin'ny finoa ro niarovany gny Paska voho gny famafaza gny lio, mba tsy hikasiky gny anaky lahimatoan'ireo Israelita gny mpandringa gny anaky lahimatoa. 29 Tamin'ny gny finoa ro niampitan-drozy gny Ranomasy Mena manahaky gny mandia tany maiky. Lafa nanandra nanao izay reo Egyptiana, la nivoateliny rozy. 30 Tamin'ny finoa ro nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, lafa avy nihodidy tagnatiny gny fito andro rozy. 31 Tamin'ny finoa ro tsy nahafaty gnan'i Rahaba gny mpivarotena niaraky tamin'ireo mpaniasia, fotony nandramby reo mpisafo tany tamin'ny fiadagna ie. 32 Ino avao koa ro afaky ambarako? Fa ho lany gny fotoako laha miresaky mikasik'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, voho mikasik'ireo mpaminany aho. 33 Tamin'ny alalan'ny finoa ro nahazoan-drozy gny fanjaka, niasa araky gny rariny, sady nandramby reo fampanantena. Nanakombo gny vavan'ireo liona rozy, 34 namono gny herin'ny bolo, nilay gny lelan'ny meso, sitrana tamin'ireo arety, nanjary nahery agna'aly, sady nandresy reo tafiky vahiny. 35 Nitsanga tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velo reo ampela. Reo hafa la nampijalia, tamin'ny tsy fanekea gny famotora mba hahazoan-drozy fitsangana soa mare. 36 Gny hafa la nitsapa tamin'ny fandatsa voho reo famangoa, eny fa na la gny fehy voho gny fanagadra aza. 37 Nitoraham-bato rozy. Nitsofaina hizara roe rozy. Vinono tamin'ny meso rozy. Nirenireny tamin'ny holitr'aondry voho holitr'aosy rozy. Nahantra rozy, nampihorohoroa, nampijalie. [ Fanamariha: gny dikan-teny sasany taloha la mivaky hoe: " Nitoraham-bato rozy. Nitsofa hizara roe. Nampandalovy fitsapa. Nivinono tamin'ny meso." 38 Zao tontolo zao la tsy mendriky gnan-drozy. Nirenireny tagny agn'efitsy, tagny amin'ireo tendrombohitsy, tagny amin'ireo lava-bato, sady tagny amin'ireo lavaky ambanin'ny tany rozy. 39 Nefa regny olo iaby regny la neken-Dranagnahary nohon'ny finoan-drozy, tsy nandramby gny fampanantena rozy. 40 Nanoma raha soa mare ho gnantsika Ndranagnahary, mba tso ho lavorary rozy, laha tsy misy antsika.