Toko faha 12

1 Noho izay, fotony tsika voadidy vavolombelo maro manahaky gny raho, la handeha tsika hagnenga gny vesatsy iaby voho gny fahota mora magnodidy gnantsika. Andeha tsika hilailay am-pahareta gny filailaisa zay napetraky talohantsika. 2 Andeha tsika hitandry amin'i Jesosy, gny mpamototry voho gny mpagnantanteraky gny finoa. Fa nohon'ny hafalea ze napetraky teo agnatrehany, la niaritsy gny hegnatr'izay, sady nipetraky teo an-tanan'an-kavanan'ny seza fiandrianan-Dranagnahary. 3 Noho izay eritrereto gny mikasiky Gnazy, gny raiky zay niaritsy fanohera manahaky izay avy tamin'ireo mpanonta hanohitsy gny vatany, mba tsy ho reraky ao am-ponareo nareo ka hilavo lefo. 4 Tsy mbo nanohitsy nareo na niezaky hanohitsy gny fahota hatramin'ny fahalatsahan-dio, 5 sady alignonareo gny fampahereza zay nampianary gnanareo manahaky gny amin'ireo anaky hoe: " Gnanako lahy, ka magnamaiva gny fitsipiky gny Tompo, na mihareraky laha anariny nareo." 6 Fa gny Tompo magnafay ze teany, sady Ie magnasazy gny anaky kiraidraiky ze rambesiny. 7 Miareta fijalea manahaky gny fitsipiky. Ndranagnahary la manday gnanareo manahaky gny anaky. Fa anaky ino ro teo ka tsy nofaizin'ny babany? 8 Fa laha tsy mana fitsipiky nareo, zay anagnan'ny olo iaby, la zazasary nareo fa tsy anany. 9 Sady koa, nana gny baba ara-nofo manahaky gny mpagnafay tsika, voho nagnaja gnan-drozy tsika. Tsy tokony hankato mare gny Baban'ny fagnahy va tsika ka ho velo? 10 Fa angilan'izay, reo babantsika nagnafay gnantsika tagnatiny gny andro maromaro araky ze to tamin-drozy. 11 Nefa ankoatr'izay koa, Ndranagnahary nanao gnan'izay ho gnan'ny ze soa ho gnantsika mba hafahantsika mana anjara amin'ny fahamasignany. Tsy misy famaiza mitranga aza. Nefa izay afarany kely la mamokatsy gny vokatsy feno fiadagnan'ny fahamarigna ho gnan'ireo zay nizariny tamin'izay. 12 Noho izay hatanjaho reo vatanareo zay miraviravy voho reo lohalikareo malemy. 13 Manaova lalagna mahity ho gnan'ny tombonareo, mba zay malemy la tsy hipitsoky fa ho sitra aza. 14 Magnenjeha fiadagna miaraky amin'ny olo iaby, sady gny fahamarina avao koa zay tsy hahitan'ia na ia gny Tompo laha tsy miaraky amin'izay. 15 Mitandrema mba tsy hisy na ia na ia tsy hana gny fahasoavan-Dranagnahary, sady tsy hisy fahan'ny faha9ngidia mitombo hiteraky koronta, mba tsy ho maro ro lasa voaloto amin'izay. 16 Mitandrema mba tsy hisy fijangajanga na olo tsy an-Dranagnahary manahaky an'i Esao, zay nivarotsy gny fizokiany ho gnan'ny hany raiky. 17 Fa nareo mahafantatsy fa lafa afaky izay, lafa naniry gny handova gny fitahia ie, la nilavy, fotony tsy nahita iriky amin'ny fibebaha ie, na la nikatsaky izay tamin-dranomaso aza. 18 Fa nareo tsy avy teo amin'ny tendrombohitsy zay tsy azo kasihy, tendrombohitsy gny bolo mandoro, maiky , fahikia, sady tafiotsy. 19 Nareo la tsy avy teo amin'ny trompetra maneno mare, na teo amin'ny feo zay mivola reo safa zay gny mpijanjy izay la nangataky mba tsy hisy safa hafa ho ambara amin-drozy. 20 Fa rozy tsy afaky niaritsy zay nodidia hoe: " Fa na la gny biby mikasiky gny tendrombohitsy aza, la tsy maintsy ho toraham-bato izay." [ Fanamariha: Reo dikan-teny sasany taloha la mivaky manahaky gny tendrombohitsy aza, la tsy maintsy ho toraham-bato izay na ho vonoe amin'ny ana-tsipika.""] 21 Fa mampitahotsy loatsy gny fahita zay nengan'i Mosesy hoe: " Mihorohoro aho sady mangitikitiky" 22 Fa nareo koa, la avy tamin'ny tendrombohitsy Ziona sady teo amin'ny tagnan-Dranagnahary velo, gny Jerosalema agny an-dagnitsy, sady teo amin'ireo anjely agn'aly tamin'ny fankalaza. 23 Nareo la avy teo amin'ny antokon'olon'ny voalohan-teraky, zay voasoratsy anara agny an-dagnitsy. Nareo la avy teo amin-Dranagnahary, gny Mpitsara gn'olo iaby, sady teo amin'ireo fanahin'ireo olon'ny fahamarigna zay natao faratampony . 24 Nareo la niavy tagnamin'i Jesosy, gny mpagnelagnela gny fagnekea vaovao, sady teo amin'ny lio latsaky ze soa mare noho gny lion'i Abela. 25 Ao nareo tsy handa gny raiky zay mivola. Fa laha tsy nilay rozy tamin-drozy nanda gny raiky zay nampitandry gnan-drozy teto an-tany, la kelikely mare ro handosirantsika laha mihody amin'ny raiky zay mampitandry gnantsika bakagny an-dagnitsy tsika. 26 Tamin'ny fotoa raiky, gny feony nanozongozo gny tany. Fa henanizao Ie nampanantena voho nivola hoe: " Mbo hanozongozo ndraiky mandeha tsy gny tany avao aho, fa gny lagnitsy avao koa." 27 Reo tegny reo, " Ndraiky mandeha koa", la miliky gny famindra reo raha zay afaky hozongozonina, izay la, reo raha zay niharia, mba hitoetsy reo raha zay tsy azo hozongozony. 28 Noho izay, fotony mandramby fanjaka zay tsy azo hozongozony, la ao ho mpankasitraky tsika sady amin'izay fomba izay la hidera an-Dranagnahary am-panaja fatratsy voho aminm-tahotsy. 29 Fa gny Ndranagnaharintsika la bolo mandrava.