Toko faha 13

1 Ao hitohy gny fitiava ara-pirahalahia. 2 Ka magnalino gny fampiantranoa reo vahiny. Fa tamin'ny alalan'izay, ro nanehoan'ny sasany fampiantranoa reo anjely nefa tsy hainy izay. 3 Tiarovo reo voafonga, manahaky gny hoe niara-nifehy tamin-drozy nareo. Tarovy reo zay nampijaly, manahaky gny hoe rozy avao koa nareo amin'ny vatany. 4 Ao ho hajain'ny kiraidraiky gny fanambalia. Ao gny fandrian'ny fanambalia mba halio, fa Ndranagnahary la hitsara reo mpangala-balin'olo voho reo mpijangajanga. 5 Engao gny fitondran-tenanareo ho afaky amin'ny fitiavam-bola. Mifalia amin'ireo raha zay hanagnareo, fotony Ndranagnahary vatany la nivola hoe: " Zaho la tsy hagnenga gnanareo mihitsy, na hahafoy gnanareo akory." 6 Aleo tsika ho faly mba ho hahasaky hivola hoe: " Gny Tompo ro mpamonjiko; ka tsy hatohotsy aho. Ino ro azon'ny olo atao agnamiko?" 7 Diniho reo mpitariky gnanareo, reo zay nivola gny Tenan-Dranagnahary taminareo, sady hevero gny vokatrin'ny fihetsikin-drozy. Alao manahaky gny finoan-drozy. 8 Jesosy Kristy la tsy miova omaly, voho henanio, sady mandrakizay. 9 Ka magneky taomy amin'ireo karaza fampianara hafahafa. Fa soa laha tokony hamafisy amin'ny fahasoava gny fo, fa tsy amin'ny hany zay tsy magnampy reo zay mandeha miaraky amin-drozy. 10 Tsika la mana alitara zay tsy ananan'ireo zay manompo gny tabernakely fahefa hihina. 11 Fa gny lion'ireo biby nivonoe atao fanatitsy ho gnan'ny fahota la nandesin'ny mpisoronabe tao amin'ny toera masy. tagnatin'izay gny vatan-drozy la nioroandrozy tagny ivelan'ny toby. 12 Noho izay Jesosy avao koa la nijaly tagny ivelan'ny vavahadin'ny tana, mba hanamasy reo vahoaky amin'ny alalan'ny liony manoka. 13 Andeha tsika noho izay ho agny Aminy agny ivelan'ny toby, handay gny fahafam-baraka. 14 Fa tsy mana tana maharitsy tsika etoy. Fa koa, miamby izay raiky izay ho avy tsika. 15 Amin'ny alalany, sady, la andao tsika hanolotsy reo fanati-pidera ho an-dranagnahary hatrany, fidera vokatsy gny molotsy zay manaiky gny agnarany. 16 Aleo tsy adinointsika gny manao gny soa voho magnampy gny kiraidraiky aby, fa amin'ny fanatitsy manahaky izay ro tena mahafaly an-Dranagnahary. 17 Mankatoava voho manekea reo mpitariky gnanareo, manahaky reo zay hanao tatitsy. Mankatoava mba hanao izay am-pifalia reo mpitondra gnanareo, fa tsy am-pisentoa, zay nanjary tsy misy dikany ho gnanareo. 18 Mivavaha ho gnanay, fa rahay la mino fa mana feon'ny fieretrereta malio sady magniry hiay am-pahamarina gny raha iaby. 19 Manosiky gnanareo bebe kokoa aza aho mba hanao izay, ka mba himpoly malaky agnaminareo aho. 20 Sady izay Ndranagnahary gny fiadagna, zay nananga tamin'ny maty gny mpiamby aondry bevata, gny Tompontsika Jesosy, tamin'ny alalan'ny lion'ny fanekea mandrakizay, 21 la hanatsara gnanareo amin'ny asa soa iaby mba hanaova gny sitrapony. Ie anie hiasa ao agnatintsika zay tena ankasitraha eo agnatrehany, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, zay homea gny voninahitsy mandrakizay. Amena. 22 Sady mankahery gnanareo aho, ry rahalahy, mba hagnenty gny tenin'ny fampahereza zay nisoratako fohy ho gnanareo. 23 Fantaro fa nafaha Timoty rahalahintsika, zay hiaraky agnamiko hagnenty gnanareo laha avy aloha ie. 24 Atavo veloma reo mpitariky gnanareo iaby voho reo mpino iaby, reo zay avy agny Italia la manao veloma gnanareo. 25 Ho agnaminareo iaby anie gny fahasoava.