Toko faha 9

1 Bakeo Ndranagnahary nitso-drano gnan'i Noa voho reo anakilahihiny, sady nisafa tamin-drozy hoe:"Mihamaroa, mihabetsha, sady mamenoa gny tany. 2 Gny tahotsy voho gny horohoro gnanao la ho eo amin'ireo biby zay miay ambony gny tany, gny voro gny habakabaky, eo amy gny raha iaby ze mandeha agny ambaniny gny tany, sady amy gny hazan-driaky iaby. Atolotsy eo an-tagnanao reo . 3 Gny raha iaby ze miay la ho ataonareo hany. Amizao Aho la manolotsy gnanareo gny raha iaby manahaky gny nagnamezako gnanareo reo raha mitiry maitso. 4 Fa zao nareo la tokony tsy hihina hena miaraky amy gnainy_io la gny rany _ ao agntiny. 5 Fa ho gnan'ny lionareo, gny ay zay ao agnain'ny lionareo, la hitaky gny viliny Aho. Bakamy gny tagnan'ireo biby ro hitakiako azy. Bakamy gny tagnany gn'olo zay namono gny rahalahiny ro hitakiako gny sarany gny fiagnan'io olo io. 6 Na ia ia mandatsaky gnain'olo raiky, la olo ro andatsaky gnainy, fa tamy gny endriky Ndranagnahary ro nagnamboarany gn'olo. 7 Lha gny aminareo, la mihamaroa sady mitomboa, miparitaha, manera gny tany sady mitomboa eo amin'io." 8 Bakeo Ndranagnahary nisafa tamin'i Noa voho reo anakilahiny nisondry taminy, nanao hoe:" 9 Laha gny Amiko, la janjigno! Hagnamafy gny afara Aho, 10 voho reo biby managnay zay miaraky aminareo, reo voro, biby fihary, sady reo raha managnay iaby ambony gny tany miaraky aminareo, miarakamin'ireo raha iaby ze bakao amy gny sambo-fiara, hatramy gny raha managnay iaby ambony gny tany. 11 Zao Aho la hagnamafy gny fagnekeko nataoko taminareo, fa tsy hisy safo-drano hamotiky gny nofo iaby sasy. sady tsy hisy safo-drano handrava gny tany sasy." 12 Hoy Ndranagnahary hoe:" Zao ro famantara gnan'ilay fagnekeko zay ataoko eo Amiko voho eo aminareo sady reo raha managnay misondry aminareo, ho gnan'ireo avorohota afara: 13 fa nametraky avana tegny amy gny hiboky Aho, sady zay ro ho famantara gny fagnekea eo Amiko voho gny tany. 14 Io la ho avy lafa handrakotry gny tany amy gny hiboky Aho hilovy gny avana, 15 bakeo la ho tiaroviko gny fagnekeko, zay nisy tamiko voho taminareo sady reo raha managnay gny nofo iaby. Tsy hisy safo-drano sasy hanimba gny nofo iaby reo rano. 16 Gny avana la ho egny amin'ireo hiboky sady hahita io Aho, mba hahatiarova gny fanekea teo amin-Dranagnahary voho reo raha managnay gny nofo iaby ze egny amboniny gny tany." 17 Bakeo Ndranagnahary nisafa tamin'i Noa hoe:" Io ro famantara gnan'ilay fagnekea nataoko tamy gny nofo iaby ze amboniny gny tany." 18 Reo anak'i Noa zay niboaky tao amin'ilay sambo-fiara la i Sema, Hama sady Jafeta. Hama la rain'i Kanana. 19 Reo telo reo ro anak'i Noa, sady bakamin-drozy ro nahafeno olo gny tany. 20 Nanomboky namboly i Noa, sady namboly voamboly ie. 21 Nino gny sasany tamin'ireo divay ie ka mamo. Niroro tsy nirakotra tao amy gny lainy ie. 22 Bakeo Hama, rain'i Kanana, nahita gny rainy nitanjaka ka nisafa tamin'ireo rahalahiny tagny inelany. 23 Ka nangalaky akanjo lava i Sema voho Jafeta sady nametraky azy teo amy gny sorokin-drozy roe, sady nagnao afara nampisiky gny rain-drozy nitanjaka. Nitoli-doha rozy, ka tsy nahita gny fitanjany gny rain-drozy. 24 Lafa taitry bakamy gny fahamoahany i Noa, la nahay gny nataon'ilay faralahiny taminy. 25 Ka hoy ie hoe:"ho vaozohozo anie Kanana. Ho agnisan''ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie ie." 26 Nisafa koa ie:" Horengea anie i Iaveh, Ndranagnahar'i Sema, sady ho mpanompony anie i Kanàna. 27 Hagnitatsy gny fari-tanini Jafeta anie Ndranagnahary, sady hamela gnazy hagnory gny tragnony eo amin'ireo lain'i Sema. Ho mpanompony anie i Kanana." 28 Tafarany gny sa-drano, la niay telonjato no dimampolo tao i Noa. 29 Gny andro niaignan'iNoa la sivanjato no no dimampolo tao, sady maty ie bakeo.