Toko faha 10

1 Reto iaby gny avorohotan'ireo anakilahin'i Noa,la i Sema,Hama sy Jafeta.Niteraky anakilahy rozy tafarany gny Safo-drano. 2 Reo anakilahin'i Jafeta la iGomera,Magoga,Maday,Javana,tobala,Meseka voho Tirasa. 3 Reo anakilahin'i Gomera,la i Askenaza,Rifata voho Togarma. 4 Reo anakilahin'i Javana koa la i Elisaha,Tarsisy,Kitima,voho Dodanita. 5 Nanomboky teo gny nizarazaran'ireo olony gny moron-tsiraka sady samy nagnagny amy gny taniny iaby rozy,samy nana gny safany iaby,araky gny fokon-drozy,araky gny firenen-drozy. 6 Reo anakilahin'i Hama la i Kosy,Misy Mizraima,Pota sady Kanana. 7 Reo anakilahin'i Kosy la i Seba,Havila,Sabta,Ragama sady Sabteka.Reo anakilahin'i Ragama koa la i Seba voho Dedana. 8 Kosy la niteraky gnan'i Nimroda,zay lehilahy mpandresy voalohany tety an-tany. 9 Ie la mpihaza mahery teo agnatrehan'i Iaveh.Io ro nisafagnany hoe: "Manahaky gnan'i Nimroda,mpihaza mahery eo agnatrehan'i Iaveh". 10 Reo ivony fanjakany voalohany la Babela,Ereka,Akada,Akada,Kalne,zay toa amy gny tany Sinara 12 Sady Resena, zay teo agnelagnelan'i Ninive voho Kala. TanĂ  bevata io. 13 Mizraina niteraky gny Lodita, gny Anamita, gny lehabita, gny Naftohita, 14 gny Patrositra, gny Kaslohita. 15 Kanana niteraky gnan'i Sidona, talagnolony, voho Heta, 16 sady koa reo Jebosita, reo Amorita, reo Girgarita, 17 reo Hivita, reo Arkita, reo Sinita, 18 reo Arvadita, reo Zemarita, voho reo Hamatita. Tafara tatoy la niparitaky gny fokon'ireo Kananita. 19 Gny faritany Kananita la nanomboky teo Sidona, mitohy magnagny Gerara ka hatragny Gaza, sady gny raiky ze magnagny Sadona, Gomora, Adma, sady Zeboima, ka hatragny lasa. 20 Reo ro anak'i Hama, araky gnyu fokon-drozy, araky gny safan-drozy iaby, tao amy gny tanin-drozy, sady tao amy gny firenen-drozy. 21 Niteraky anakilahy avao koa i Sema, lay zokin'i Jafeta talagnolo. Razamben'ireo olo iaby bakagny Ebera avao koa i Sema. 22 Reo anakilahin'i Sema la i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda voho Arama. 23 Reo anakilahin'i Arama la i Oza, Hola, Gatera voho Masy. 24 Sady Arpaksada niteraky gnan'i Sela, sady Sela niteraky gnan'i Ebera. 25 Nanagnanaky roe lahy i Ebera. Gny agnaran'ny raiky la i Palega fotony tamy gny androny la voazara gny tany. Joktana ro agnarany gny rahalahiny. 26 Jokdana niteraky gnan'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, 27 Hadorama, Hozala, Dykla, 28 Obala, Abimaela, Sheba, 29 Ofira, Havila voho Jobaba. Rozy iaby reo la anakilahin'i Joktana. 30 Gny faritanin-drozy la nanomboky teo Mesa, hatragny Sefara, tendrombohitsy antignana. 31 Reo ro anakilahin'i Sema, araky gny foko voho gny safan-drozy, tao amy tanin-drozy, araky gny firenen-drozy. 32 Reo ro fokon'ireo anak'i Noa, araky gny fizaran-drozy, araky gny firenen-drozy. Bakamin'ireo ro nampisaraky reo firenena ka niparitaky manera gny tany tafarany gny Safo-drano.