Toko faha 11

1 Sady gny tany raiky manontolo la nampiasa fivolagna raiky voho vola itambara. 2 Laha mandeha nagnatignana rozy, la nahampalotsy lohasaha teo amin-gny tanin'i Sinara ka nagnory tragno teo. 3 Nifampivola rozy hoe: " Andao, hanao boriky tsika ka hagnoro gnazy soa". Boriky ro nanagna drozy fa tsy vato sady molanga ho fotaky. 4 Hoy rozy hoe: " Andeha tsika hagnanga tana voho tilikambo zay hanakatsy gny lagnitsy gny lengolengony, sady ao hanorognantsika agnara ho gnantsika zay. Laha tsy manao gnanizay tsika, la miely manerana gnan'izao tontolo zao". 5 Lafa zay la ninjotso Yaveh mba hanenty lay tana voho lay tilikambo ze natsangan-dreo avorohotan'i Adama. 6 Hoy Yaveh hoe: " Ingo, vahoaky raiky mitovy fivolagna avao reo, sady manomboky manao gnanizay rozy! Eo ho eo noho tsy hisy raha zay kasay hatao rozy ka tsy vita drozy. 7 Koa, andeha tsika hinjotso ka hampiaro gny fivolagna drozy egny,mba tsy hifamkahay rozy." 8 Ka naelin'i Yaveh avy teo hanera gny velaran-tany iaby rozy sady naegny drozy gny fagnamboara gny tana. 9 Lafa bakeo, la natao hoe Babela gny agnarany zay, fotony teo ro mampitraofin'i Yaveh gny fivolagnan-gny tany raiky manontolo sady avy teo ro nampielezan'i Yaveh gnandrozy tany ivelany manerana gny velaran-tany iaby. 10 Reto gny avarohotan'i Sema. Zato tao i Sema, sady roa tao tafarany safo-drano la niteraky gnan'i Arpaksada Ie. 11 Mbo velo dimanjato tao Ie lafa avy baban'i Arpaksada ie,niteraky anaky lahy voho anaky ampela hafa koa ie. 12 Lafa feno dimy amby telopolo tao i Arpakasada, la niteraky gnan'i Sela. 13 Niay 403 tao i Arpaksada tafarany gny niterahany gnan'i Sela. Niteraky anaky lahy voho anakampela hafa koa ie. 14 Lafa niay telopolo tao i Sela, la niteraky gnan'i Hebera. 15 Mbo niay 403 tao Sela tafarany gny niterahany gnan'i Hebera niteraky anaky lahy voho anakampela koa ie. 16 Lafa niay efatsy amby telopolo tao i Hebera, la niteraky gnan'i Pelega. 17 Mbo niay 430 tao i Hebera tafarany gny niterahany gnan'i Pelega. Niteraky anaky lahy voho anakampela hafa koa ie. V 18 Lafa niay telopolo tao i Pelega, la niteraky gnan'i Reho. 19 Mbo niay 209 tao i Pelega tafarany gny niterahany gnan'i Reho. Niteraky anaky lahy voho anakampela hafa koa ie. 20 Lafa niay ro amby telopolo tao i Reho ,la niteraky gnan'i Seroga. 21 Mbo niay 207 tao i Reho tafarany gny niterahany gnan'i Seroga. Niteraky anaky lahy voho anakampela hafa koa ie. 22 Lafa niay telopolo tao i Seroga, la niteraky gnan'i Nahora. 23 Mbo niay roanjato tao i Seroga tafarany niterahany gnan'i Nahora. Niteraky anaky lahy voh anakampela hafa koa ie. 24 Lafa niay sivy amby roapolo tao i Nahora, la niteraky gnan'i Tera. 25 Mbo niay 119 tao i Nahora tafarany gny niterahany gnan'i Tera. Niteraky anaky lahy voho anakampela hafa koa ie. 26 Lafa niay fitopolo tao i Tera ,la niteraky gnan'i Abrama, Nahora voho Harana 27 Sady reto avarohotan'i Tera. Niteraky gnan'i Abrama, Nahora sady i Harana i Tera, sady Harana niteraky gnan'i Lota. 28 Harana la maty tao amin-gny tany niterahany raha mbo velo i Tera, tao Ora tao Kaldeana. 29 Nanambaly i Abrama voho Nahora. Saray ro agnarany gny valin'i Abrama, sady gny agnaran-gny valin'i Nahora la i Milka, anaky valin'i Harana, zay baban'i Milka voho Iska. 30 Sady Saray la kanda; tsy nana anaky ie. 31 Nandesin'i Tera i Abrama anaky lahin'i Harana anany, voho Saray vinantony ampela, valin'i Abrama anaky lahiny, sady niaraky niala tao Ora tao Kaldeana rozy reo, mba ho agny amin-gny tany kanana. Fa nagnagny Harana rozy sady nijano tao. 32 Niay 205 tao i Tera sady avy eo la maty teo Harana.