Toko faha 12

1 Sady Yaveh nivola tamin'i Abrama hoe: " Mienga amin-gny tanindrazanao, voho amin-dreo longonao, voho amin-gny tragnony babanao, hagnagny amin-gny tany ze hatoroko gnanao. 2 Hataoko tanindraza bevata iha, sady ho tahiko iha, voho hataoko bevata gny agnaranao, sady ho fitahiany iha. 3 Hitahy reo zay mitahy gnanao Aho, fa ndra ia ndra ia mangala baraka gnanao la hozogniko. Amin-gny alalanao ro hitahia reo firenen'ny tany iaby." 4 La nandeha Abrama ,araky zay nivolagn'i Yaveh hataony, sady nagnaraky gnazy koa i Lota. Dimy amby fitopolo tao i Abrama laha nialagnan'i Harana. 5 Abrama nanday gnan'i Saray, valiny, Lota ,anaky rahalahiny, reo fanagna iaby zay voatahiny drozy, voho reo vahoaka ze azo drozy teo Harana. Niala ho agny agnaminy tany Kanana rozy ,ka avy teo amin-gny tany kanana. 6 Nandalo gny tany lavits'i Sekema i Abrama, hatragny ami-gny hazo terebintan'i More.Reo Kananita ro nifitaky tao agnamin'ilay tany tamizay andro zay. 7 Niseho tamin'i Abrama i Yaveh,ka nisafa hoe:"ho gnanireo havorohotanao ro hagnomezako toy tany toy."Noho Abrama nagnory alitara tagny ho gnan'i Yave, ze niseho tagnaminy. 8 Nifindra nagnagny amy angambo antignanan'i Betela ie, zay nagnoregnany gny lainy, betela tagny andrefa noho Ay tagny atignanany.Teo ro nagnoregnany alitara ho gnani Yaveh voho nikaiky gny agnaran'i Yaveh. 9 Bakeo nanohy gny liany Abrama,nandeha nagnagny Negeva. 10 Nisy mosary tao amin'ilay tany,ka nijotso tagny Egypta Abrama mba hifitaky,fa fatratry gny mosary tagnamin'ilay tany. 11 Lafa mariny hilitsy gnan'i Egypta ie,la nisafa tagnamin'i Saray valiny hoe:"Ingo,haiko fa vatany ampelasoa iha. 12 Lafa jerin'ireo Egyptiana iha la hisafa rozy hoe:"Toy ro valiny,ka la ho vonoan-drozy zaho,nefa iha hotanjahan-drozy ho velo. 13 Volagni hoe anabaviko iha,mba tsy hampagnino gnahy voho iha,sady mba ho voatsitsy gnaiko voho iha. 14 sady tamigny fotoa niliran'i Abrama tao Egypta, la jerin'ireo egyptiana fa ampelasoa vatany Saray . 15 Jerin'ireo tandapan'i Farao ie,la nandregy gnazy tagny amin'i Farao, 16 Sady nampiandanin'i Farao i Abrama noho ny amin'i ampela igny,ka nagnome gnazy aomby,ampondra lahiny,mpanompo johary ,mpanompo ampela,ampondra vaviny,voho rameva. 17 Bakeo Yaveh nimango gnan'i Farao voho gny havorohotanytamign loza bevata noho i Saray,valin'i abrama. Nampikaiky gnan'i Abrama i Farao,ka nisafa hoe:"ino toy raha nataonao tagnamiko?Nagnino tsy nivolagninao tagnamiko fa valinao ie? 19 Nagnino iha ro nivola hoe:"Anabaviko ie"mba hangalako gnazy ho valy?Noho zay, ingo gny valinao.Andeso ie no tohizo gny lalanao." 20 Sady Farao nagnome baiko reo johariny mikasiky gnazy,voho nandefa gnazy lavitsy an-drozy,nisondry tagnamin'ny valiny voho ze nanagnany iaby.