Toko faha 13

1 la niakatsy bakagny amy tagny Egypta i Abrama sady nandeha tao Negeva, ie, gny valiny,voho ze fanagnany iaby. Nisondry tagnamin-drozy koa i Lota. 2 Sady Abrama la vatany nana-kanana biby volafoty noho volamena. 3 Nanohy gny liany avy ao Negeva ho agny Betela ie, hagnagny amin-gny toera ze nisy gny lainy taloha, agnelagnelan'i Betela voho Ay. 4 Nandeha tagny agnamin-gny toera ze nisy gny alitara ze naoriny teo aloha ie. Teo ro nikaihany gny agnaran'i Yaveh. 5 Sady Lota, zay nandeha nisondry tagnamin'i Abrama, la nana aondry voho aosy ,aomby, sady lay avao koa. 6 Tsy nahazaka gny hisondrean-drozy mipetraky gny tany, fotony maro mare reo fanagnany, n oho zany la tsy afaky niaro petraky rozy. 7 Sady koa nisy fifagnaraha teo amin-dreo mpiarak'andro'i Abrama voho reo mpiarak'ondrin'i Lota. Nipetraky tao amin'ilay tany reo Kananita voho Perizita tagnamin-gny zany fotoa zany. 8 Ka hoy Abrama tagnamin'i Lota hoe: " Ao tsy hisy tsy fifagnaraha agnamiko voho eo agnaminao, sady eo amin-dreo mpiarak'ondrinao voho mpiarak'ondriko; sady mpilongo rahateo tsika. 9 Tsy eo alohanao va gny tany raiky iaby? Nandehana tsy am-pisalasala sady misaraha agnamiko. Laha mandeha ankavia iha, la mandeha ankavana zaho. Na laha mandeha ankavana iha, la mandeha ankavia aho". 10 La nanenty nagnodidy i Lota, sady nahampalotsy fa gny lemak'i Jordana iaby la voatondraky soa na gnaia na gnaia tamin-gny lalana magnagny Zoara, manahaky gny sahan'i Yaveh, manahaky gny tamin'i Egypta. Zay la talohan-gny nandravan'i Yaveh gnan'i Sodoma voho Gomora. 11 Noho izay Lota la nifily gny lemak'i Jordana iaby ho gnazy sady nandeha nagnatignana, ka saraky rozy mpilongo. 12 Nipetraky tagny amin-gny tany Kanana i Abrama, sady Lota nipetraky teo amin-dreo tanan-gny lemaky. Nagnory gny lainy ho lavitsy magnariny gnan'i Sodoma ie. 13 Sady reo olon'i Sodoma la tena mpanota raty fagnahy magnohitsy gnan'i Yaveh. 14 Nivola tagnamin'i Abrama i Yaveh tafarany nialan'i LOta teo agnaminy hoe: " Nanentia avy eo amin-gny toera ze nitsanganao magnavaratsy, magnatimo, magnatignana, sady magnandrefa. 15 Reo tany iaby ze jerinao, la homeako gnanao voho reo avorohotanao tsy misy farany. 16 Hataoko maro manahaky gny vovoky gny tany reo avorohotanao, ka amin'izay laha misy lehilahy raiky afaky magnisaky gny vovoky gny tany, la afaky isay koa reo avorohotanao. 17 Miitsangana, sady mandeha mamakivaky gny halavany voho gny habeny gny tany, fa homeako gnanao zay". 18 La nagnoro gny lainy Abrama, sady nandeha ka nipetraky teo agnilany hazo terebintan'i Mamre, zay agny Hebrona, sady nagnamboatsy alitara ho gnan'i Yaveh tagny.