Toko faha 14

1 Sady tamin-gny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Sinara, voho Arioka, mpanjakan'i Elasara, voho Kedorlaomera mpanjakan'i Elama, voho Tidala mpanjakan'i Goima, 2 la nanao aly rozy reo hagnohera gnan'i Bera, mpanjakan'i Sodoma voho Birsa, mpanjakan'i Gomora voho Sinaba mpanjakan'i Adma, voho Semebera, mpanjakan'i Zaboima, sady gny mpanjakan'i Bela (nikehy hoe: Zoara). 3 Reto mpanjaka limy farany la nifampitao nisondry tao andohasahan'i Sidima ( nikehy koa hoe: ranomasin-tsira). 4 Roa ambin'ny folo tao ro nanompoan-drozy gnan'i Kedorlaomera, nefa tamin-gny tao fahatelo ambin'ny folo la nialia drozy. 5 Sady tamin-gny tao fahefatsy ambin'ny folo, la avy i Kedorlamera voho reo mpanjaka nisondry tagnaminy sady nanafiky gnan'i Refaita tao Astarta-kamaima, Zozima tagny Hama, Emima tao Save-kiritaima, 6 Sady gny tao an-tendrombohitr'i Seira, la traky agny Elparana, zay agnilan-gny tany efitra. 7 Bakeo la nimpoly rozy sady niavy tagny Ena-misapata(kaihy hoe :Kadesy),voho nandresy reo firenan'ny Amalekita, voho reo Amorita zay nifitaky tagny Hazazon-tamara avao koa. 8 Bakeo gny mpanjakan'i Sodoma,gny mpanjakan'i Gomora, mpanjakan'i Adma, mpanjakan'i Zeboima voho gny mpanjakan'i Bela (kaihy hoe:Zoara) la niboaky sady nioama 9 ho ami-gny aly hanohera reo Kedorlaomera,mpanjakan'i Elama,Tidala,mpanjakan'i Goima,Amrafela, mpanjakan'i Sinara, Arioka,mpanjakan'i Elasara; mpanjaka efatry nanohitsy reo dimy. 10 Sady gny lohasahan'i Sidina la atriky lavaky misy soli-tany, voho lafa nandositsy gny mpanjakan'i sodoma voho gny mpanjakan'i Gomora, la nilatsaky tao rozy. Ka reo ze sisa la nandositsy tagny amy reo tendrombohitsy. 11 Ka nalan'ny gny rafy reo hanagnan'i Sodoma voho Gomora iaby voho tahiry iaby, ka la lasa nandeha tami-gny lalany rozy . 12 Ka lafa nandeha rozy, la nandesiny koa i Lota, anaky gny rahalahin'i abrahama,zay nifitaky tao Sodoma, voho gny fanagnanany iaby. 13 Gny raiky zay afaky nandositsy la niavy ka nivola tamin'i Abrama ilay Hebreo. Ie la nifitaky tao amin'ny hazo terebintan'i Marme,Amorita,zay rahalihin'i Eskola voho Anera;rozy iaby reo zay mpisondry amin'i Abrama. 14 Ka lafa njan'i Abrama fa voasambotsy reo rafy gny longony, la nitarihiny reo johariny 318 voaanatsy zay teraky tao an-tragnony,ka nagnaraky an-drozy la traky Dana 15 Nizarany gny haly reo johariny nanohitsy an-drozy ka nanafiky an-drozy,sady nagnenjiky an-drozy latraky Hoba, zay a gny avarats'i Damaskosy. 16 Bakeo la nampoliny reo hanagna iaby,voho nampimpoly an'i Lota longony noho reo raha soany koa,mbamin'ireo sevaky voho gny vahoaky nafa. 17 Sady lafa nimpoly baka nandresy gnan'i Kedorlaomera voho reo mpanjaka nisondry tagnaminy i Abrama, la nimboaky mba hifanonjiky agnaminy tao an-dohasaha. Save lay mpanjakan'i Sodoma (nikehy koa hoe: lohasahan-gny mpanjaka) 18 Nanday mofo voho divay i Melkizedeka, mpanjakan'i Salema. Mpisoron-Dranagnahary avo mare ie. 19 Nitso-drano gnazy ie manao hoe: " Ho tahy Ndranagnahary Abo mare, mpahary gny lagnitsy voho gny tany anie Abrama. 20 Isaora anie Ndranagnahary Agnabo mare, zay nagnome reo rafinao teo an-tagnanao." Bakeo la namean'i Abrama gnazy gny ampahafolony gny raha iaby. 21 Hoy gny mpanjakan'i Sodoma tagnamin'i Abrama hoe: " Ameo gnahy gny olo, sady andeso ho gnanao reo fanagna." 22 Hoy Abrama tagnaminy mpanjakan'i Sodoma hoe: " Zaho la fa nananga gny tagnako agnamin'i Yaveh, Lay Ndranagnahary Abo mare, zay nanao gny lagnitsy voho gny tany, 23 fa tsy handramby singa taly, fehin-kapa raiky, raha hafa ze gnanao zaho, mba tsy hahafahanao mivola hoe: " Zaho ro nampagnarivo gnan'i Abrama' 24 Tsy angalaky na ino na ino afa-tsy ze fa nihanin-dreo pamaraky voho gny anjaran-dreo lehilahy ze nisondry tagnamiko zaho. Ao rambesin'i Anera voho Eskola sady Mamre gny anjaran-drozy