Toko faha 5

1 Intoy ro mandrakitry gny taranak'i Adama.Tamign' andro namorognan-dRagnahary gny olombelo, la nataony mitovy aminy rozy. 2 Johary voho ampela ro nahariany an-drozy. Nitson-drano an-drozy Ie sady nikaiky azy hoe olombelo fa voaforo rozy. 3 Lafa niay 130 tao i Adama, la lasa baban'aja raiky, mifanahaky amin'gny tarehiny avao, ka natao hoe Seta gny agnarany. 4 Tafara niterahan'i Adama an'i Seta, la niay nandritra gny valonjato tao ie.Lasa baba'aja johary voho aja ampela maro ie. 5 Niay 930 tao i Adama, sady maty tafaran'io. 6 Lafa niay 105 tao i Seta, la niteraky gnan' i Enosy. 7 Tafaran'ny niterahan'i Enosy, la niay 807 tao ie sady niteraky anaky johary voho anak'ampela lako. 8 Niay 912 tao i Seta sady maty tafaran'io . 9 Lafa niay sivam-polo tao Enosy, la niteraky gnan'i Kenana. 10 Tafaran'ny niterahany gnan'i Kenana, la niay 815 tao i Enosy.Niteraky anaky johary voho anak'ampela lako ie. 11 Niay 915 tao i Enosy, sady maty tafaran'io. 12 Lafa niay fito-polo tao i Kenana, la niteraky gnan'i Mahalalila. 13 Tafaran'ny niterahany gnan'i Mahalalila,la niay 840 tao i Kenana. Niteraky anaky jojary voho anak' ampela lako ie. 14 Niay 910 tao i Kenana, sady maty tafaran'io. 15 Lafa niay enim-polo limby amby tao i Mahalalila,la niteraky gnan'i Jareda. 16 Tafaran'ny niterahany gnan'i Jareda, la niay 830 tao ie. Niteraky anaky johary voho anak'ampela lako ie. 17 Niay 895 tao i Mahalalila, sady maty tafaran'izay. 18 Lafa niay 162 tao i Jareda,la niteraky gnan'i Enoka. 19 Tafaran'ny niterahany gnan'i Enoka,la niay valonjato tao ie.Niteraky anaky johary voho anak'ampela lako ie. 20 Niay 962 tao i Jareda, sady maty tafaran'io. 21 Lafa niay enim-polo limy amby tao i Enoka, la niteraky gnan'i Metosela. 22 Nandeha tamim-pagnaraha nDranagnahary nandritra gny telonjanto tao i Enoka tafaran'ny niterahany gnan'i Metosela. Niteraka anaky johary voho anak'ampela lako ie. 23 Niay 365 tao i Enoka. 24 Nandeha tamim-pagnaraha nDranagnahary i Enoka, sady lasa ie, fotony nalan-dDagnahary. 25 Lafa niay 187 tao i Metosela, la niteraky gnan'i Lameka. 26 Tafaran'ny niterahany gnan'i Lameka, la niay 782 tao i Metosela. Niteraky anaky lahy voho anaky ampela lako ie. 27 Niay 969 tao i Metosela. Sady maty ie tafaran'io. 28 Lafa niay 182 tao i Lameka, la niteraky anaky lahy raiky. 29 Nikahiny hoe Noe gny agnarany. sady nambarany hoe:" Intoy ro hagnome fahatampera ho antsika amy gny asantsika voho amy gny asa mare amboarintsika, zay tsy maintsy hataontsika amy gny tany zay nozognin'i Iaveh." 30 Niay 595 tao i lameka tafaran'ny gny niterahany gnan'i Noa. 31 Niay 777 tao i Lameka. Tafaran'izay la maty ie. 32 Lafa niay dimanjato tao i Noa, la niteraky gnan'i Sema, Hama voho Jafeta .