Toko faha 4

1 Niaraky niroro tamin'i Eva vahiny ralehilahy. Nibevoka ie sady niteraky an'i Karaina. Hoy ie hoe:" Nahazo zaza lahy aho noho gny fagnampian'i Iaveh ."2 bakeo la niteraky gnan'i Abela rahalahiny ndraiky ie. sady Abela lasa mpiaraky aondry, fa kaina koa namboly gny tany . 3 Lafa nandeha gny fotoa la nanday gny sasany tamy gny vokatsy gny tany ho fagnatitsy ho gnan'i Iaveh i Kaina. 4 Gnan'i Abela, la gny sasany tamy gny voalohan-janak'aondry aman'aosiny voho reo fa matavy ro nandesiny. Nankasitrahan'i Iaveh i Abela voho gny fagnatitriny, 5 fa i Kaina voho gny fagnatitsiny koa la tsy nankasitrahany. Ka la meloky mare Kaina, sady vignitra ie. 6 Hoy Iaveh tamy Kaina hoe:" Nagnino iha meloky io sady nagnino iha vignitra io ? 7 Laha tsy nanao gny marina iha, tsy hohankasitraha va ?Fa laha tsy nanao gny marina iha, la hiparitaky eo am-baravaranao gny ota sady magniry gny hagninanao, kanefa tsy maintsy mandidy an'izay iha. 8 Nisafa tamin'i Abela rahalahiny i Kaina . Lafa tagny ambaibo tagny rozy, la nitsanga hanoitsy gny rahalahiny i Kaina sady namono azy. 9 Bakeo hoy Iaveh tamin'i Kaina hoe:"Aia i Abela rahalahinao ? Hoy ie :" tsy haiko. Mpiamby gny rahalahiko va zaho ? " 10 Hoy Iaveh:" Ino raha ataonao toy ? Gny lion'ny rahalahinao la mikaiky Ahy mare bakamy gny tany. 11 Amizao la voaozo ze bakamy gny tany, ze nanokatsy gny vavany mba hitely gny lion'ny rahalahiny bakamy gny tagnanao iha . 12 Lafa miasa tany iha, la tsy hamokakatsy iha manomboky henanizao ho mpanjenjena voho mpirenireny egny amy gny tany iha." 13 Hoy kaina tamin'i Iaveh hoe:"Mare mihoatsy gny tokony ho zakako gny saziko. 14 Noroasinao tamin'ny toy tany toy vatany zaho androany, sady hiteraky anao aho. Ho lasa mpanjenjena noho mpirenireny my zao tontolo izao aho, sady ndra ia ia mahita ahy la hamono gnahy. " 15 Hoy Iaveh taminy:" laha misy mamono gnan'i Kaina, la ho valia gnimpito aminy zay." Bakeo nasian'i Iaveh famantora Kaina, ka laha misy mahita gnazy, la tsy hamono gnazy io olo io. 16 Ka negnenga gnan'i Iaveh i Kaina sady nipetraky tagny amin'ny tanin'i Noda, agny antignanan'i Edena. 17 Niaraky niroro tamin'ny vahiny i kaina ka nibevoka ie. Niteraky gnan'i Ekona ie. Nagnory tana ie sady nataony hoe Enoka araky gny agnaran'i Eroka anakilahy zay . 18 Enoka niteraky gnan'i Irada lasa rain'i Mehozaela. Mehozaela niteraky gnan'i Metosaela. Metosaela. niteraky gnan'i Lameka. 19 Lameka nampirafy roe: Ada ro agnaran'ny raiky, sady Zila ro agnarany raiky hafa. 20 Ada niteraky gnan'i Jabala. Rain'ireo mpipetrakan-day zay mana biby fiompy ie. 21 Jobala ro agnarany rahalahiny. Rain'ireo mpitendry lokanga voho mpitsoky sodina ie. 22 Sady Zila koa, niteraky gnan'i Tobaka Kaina, mpanefy fitaova varahina voho vy. Nama ro anabavin'i Tobala Kaina. 23 Hoy Lameka tamin'ireo vahiny:" Ry Ada voho Zila, mijanjigna gny feoko, nareo valin'ny Lameka, janjigno ze safako, fa namono lehilehy raiky aho amy gny fandratrana ahy, sady tovolahy raiky amy gny fanorotoroa ahy, 24 Laha valia impito ze mamono gnan'i Kaina, la folo impito amby fitopolo koa gnan'i Lameka." 25 Sady niaraky niroro tamin'ny vahiny ndraiky Adama, ka niteraky aja lehilahy hafa ie. Nikaiky gny agnarany hoe Seta ie sady nisafa hoe:" Namean-Dragnahary anaky hafa ho solon'i Abela aho, fotony novonoann'i Kaina ie. 26 Niteraky aja lehilahy Seta sady nataony Enosy gny agnarany.Tamin'io andro io la nanomboka nikaiky gny agnaran'i Iaveh gn'olo.