Toko faha 3

1 Sady gny menarana la mailo vatany noho gny bibidia iaby teo amy gny saha zay namboarin'i Yaveh Ndranagnahary. Sady hoy gnataony tamin-gny ampela igny hoe: " Tena nisafa vatany va Ndranagnahary hoe: " Tsy azonareo hany gny iaby ao amy gny saha?" 2 La hoy gny ampela tamin-gny menarana hoe: " Azonay hany gny voan-gny hazo ao an-tsaha, 3 fa gny mahakasiky gny ze eo agnivon-gny saha io koa, la hoy Ndranagnahary hoe: " Tsy azonareo atao gny mihina an'io, na mikasiky gnazy, fa maty nareo." 4 Hoy menarana tamin-gny ampela igny hoe: " Tsy ho maty nareo. 5 Fa hain-Dranagnahary fa amy gny andro hihinanareo anio la hahita gny masonareo, sady hitovy amin- Dranagnahary nareo, mahay gny soa voho gny raty. 6 Fa hitan'ampela igny fa soa ho hany gny hazo, sady nahafinaritry gny maso, sady gny hazo la nampagniry fa mahahendry, la nangalaky gny sasany tamy gny voa ie ka nihina. Bakeo la nameany koa gny valiny zay nisondry taminy, ka nihina ie. 7 Nahita gny mason-drozy, ka la hain-drozy fa nitanjaky rozy. Nitrebiky ravin'aviavy natambatry rozy sady namboatsy fisikina ho gnan-gny vatany. 8 Nahare gny feon'i Yaveh Ndranagnahary nandehandeha tao amy gny saha rozy lafa malomaloky igny gny andro, ka la nietaky gny fagnatrehan'i Yaveh Ndranagnahary teo amin'ireo hazon-gny saha ralehilahy voho gny valiny. 9 Nikaiky an-dralehilahy Yaveh Ndranagnahary ka nanao taminy hoe: " Aia Iha? " 10 Hoy ralehilahy hoe: " Nahare Gnanao tao an-tsaha aho, ka natahotry aho, fotony nitanjaka. Noho zay la nietaky aho." 11 Hoy Ndranagnahary hoe: " Ia ro nisafa tagnaminao fa nitanjaky Iha? Kay va iha nihina bakany gny hazo zay nandrarako gnanao tsy ho hany?" 12 Hoy ralehilahy hoe: " Gny ampela zay nameanao hisondry amiko, Ie ro nagnome ahy gny voa bakamy gny hazo, ka nihina aho." 13 Sady hoy Yaveh Ndranagnahary tamin-gny ampela igny hoe: " Ino raha nataonao zao?" Ampela igny nanao hoe: " Navandy tamiko gny menarana, ka la nihina aho." 14 La hoy Yaveh Ndranagnahary tamin'ilay menarana hoe: " Fotony nanao izao iha, la iha raiky ro voaozo amy gny biby fiompy voho gny bibi-dian-gny saha iaby amy gny tronao ro handehananao, sady vovoky ro ho haninao amy gny andro iaignao manontolo. 15 Hasiako fifandrafesa eo aminao voho gny ampela, sady eo amy gny avorohotanao voho gny avorohotany. Hanorotoro gny lohanao ie, sady iha koa hanorotoro gny ombelahim-tombony." 16 La hoy Ie tamin-gny ampela igny hoe: " Hampitomboiko gny fahatoforanao lafa miteraky; amy gny fatahoranao ro hiterahanao reo anakao. Gny fagnirianao la ho gnan-gny valinao, ka ie koa hanapaky anao." La hoy ie tamin'i Adama hoe: " Fotony ninjanjy gny feon-gny valinao Iha, sady nihina tamy gny hazo, mikasiky zay nandidiako gnanao; amy gny alalan-gny asa feno fahararia ro hihinanao hany amy ze andro iaignanao iaby. 18 Hamokatry fatiky voho songosongo ho gnano zay, sady hihina reo akata hihinananao mofo, mandram-pipolianao amy gny tany, fa bakamin-gny ro nangala gnanao. Ho vovoky iha, sady mbo himpoly amy gny vovoky ndraiky." Amin-gny lignerin-gny vatanao ro hihinanao mofo, mandram-pivelomanao amin-gny tany, fa avy amin'izay ro nangala gnanao. Fa vovoky iha ,sady mbola holy vovoky ndraiky." 20 Eva ro nagnanovavan'ny johary igny gn'agnaran'ny gny valiny fotony ie ro renin'ny gny managnay iaby. 21 La nagnamboaran'i Yaveh Ndranagnahary salotsy hoditry i Adama voho gny valiny ka nampisiky gnazy reo. 22 La hoy Iaveh Ndragnahary hoe:" Amizao la fa avy manahaky gny raiky amintsika ralehilahy, mahay gny soa voho gny raty. Ka amizao la tsy azony atao gny mampitsotsa gny tagnany, mangala baka amin'ny hazon'aina, hihina azy, ka ho velo mandrakizay. 23 Ka noho zay la noroahin'Iaveh Ndragnahary hiala tao amy gny saha Edena ie, mba hiasa gny tany ze nangala gnazy . 24 Amy zay la noroasin-Dragnahary hiala gny saha ralehilahy,sady nametraky kerobina teo antignanan'ny saha Edena ie, sady Meso mirehitry bolo zay miodikodiky, mba hiamby gny lala magnagny amy gny hazon'aina .