Tiko faha 48

1 Tafaran-drahazay, la nisy nisafa tamin'i Josefa hoe: " Ingo, babanao marary". La nandesiny nisondry taminy gn'anakilahiny roe lahy, Manase voho Efraima. 2 Lafa nagnambara Jakoba hoe: " Ingo, anakilahinao Josefa, avy mba hanenty gnanao," la nanao farany gny heriny Israely, nireny fitaky tam-pandriany teo. 3 Hoy Jakoba tamin'i Josefa hoe: " Ndranagnahary fa niseho tamiko tagny Lozy, tagny amy tany Kanana. La nitsipi-rano gnahy Ie. 4 La hoy Ie tamiko hoe: " Ingo, hampamokatry ndraiky hahamaro gnanao Zaho. Iha hiaviany gny tany iaby. La hameako gny tarihanao, tany toy ho hanagnany tsy ho domo.' 5 Sady gn'anako mirahalahy, ze teraky ho gnanao teto Egypta talohany gny namonjeako gnanao ho eto Egypta, la gnahy iaby. Efraima voho Manase gnahy, manahaky gny maha gnahy gnan'i Robena noho Simeona. 6 Voho gn'aja teraky afaran-drozy ro ho gnanao; voho gn'agnarany hatao manahaky gnan-drahalahiny amy gny zara lova. 7 Voho, tamy zaho bakagny Padana-Arama, nimaty tan-katrehako tan-dala tegny ,tagny amy tany Kanana, Rahely ; laha sisa kely tsy ho niavy tao Efrata. Naleviko tan-dala tegny, magnagny amin' Efrata ie ( izay atao hoe: Betlehema). 8 La nihitan'i Israely anak'i Josefa reo, la hoy ie hoe: " Gnania reto?" 9 La hoy Josefa tamin-drany hoe: " Anako reo, zay namean-Dranagnahary gnahy tatoy." Ka hoy Israely hoe: " Ampihariniho gnahy, mba ho tsipazoko rano rozy" ' 10 Fa tsy nahapalotsy gny mason'i Israely, amy gny maha antitsy gnazy, ka tsy nahita ie. La nampamonjen'i Josefa gnazy rozy, ka nagnoroky noho nandrakoky gnan-drozy ie. 11 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: " Tsy nagnampo gny hahita gny vatanao ndraiky zaho, fe nengan- Dranagnahary ho hitako ndra gn'anakao". 12 La nalan'i Josefa tan-dohalik' Israely teo rozy, voho niankohoky tamy tany ie. 13 La nalan'i Josefa rozy roe mirahalahy, Efraima tan-tagnany havana, voho Manase tan-tagnany havia, magnatriky gn'an-tagna-kavanan' Israely, voho nanday gnan-drozy mba hiariniky gnazy. 14 La naboak' Israely gny tagnany Havana, voho nataony tagnabo lohan'i Efraima, raiky zay igny; noho gny tagnany havany napetrany tagnabo lohan'i Manase. Navaliny gny tagnany, fotony, Manase ro talagnolo. 15 La nitsipi-rano gnan'i Josefa, Israely, ka nisafa hoe: " Gny Ndranagnahary, zay nandeha nialoha lala gnan'i Abrahama voho Isaka, gny Ndranagnahary zay nitso gnahy traky henanizao, 16 Gny Anjely niaro gnahy tanay gny raty iaby, ro ao, hitahy gnan'aja reto, la ao, ho tognony amin-drozy gn'agnarako, noho gn'agnaran'i Abrahama ndraiky Isaka rako. La ao hitombo isaky an-tany eto, ka ho maro rozy." 17 Lafa nihitan'i Josefa, fa napetra-drany tan-dohan'i Efraima gny tagnany havana, la tsy nagnenky gnan'izay ie. La nalany tsy ho tan-dohan'i Efraima gny tagnan-drany, voho nafalony tagnabo lohan'i Manase. 18 La hoy Josefa tamin-drany hoe: " Tsy zao gny ie, lahy rako, fa toy ro talagnolo. Apetraho agnabo lohan'eo gny tagnanao havana." 19 Tsy nagnenky gny safany gny rany, voho nanao hoe: " Haiko, lahy anako, haiko soa. Ho tana bevata ndraiky ho be avao koa ie. Voho gny zainy koa, la ho be noho ie, noho haly tana maro gny tarihany." 20 Zao safa zao ro nitsipazan'i Israely rano gnan-drozy tamizay andro zay" Amy gn'agnaranareo ro hanognonany gn'olon'i Israely fitahia hanao hoe: " Ao Ndranagnahary ro hanao gnareo manahaky gnan'i Efraima voho Manase."' Zay gny fomba, nametrahan'i Israely gnan'i Efraima ho alohan'i Manase. 21 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: " Ingo, fa ho maty zaho, fe Ndranagnahary ro hisondry aminao, voho Ie ro handay gnanao himpoly agny amy tanin-dro razanao. 22 Ho gnanao, zay agnabo noho gny rahalahinao, la ameako gnanao gny zaratany, ze nalako tamin'i Amorita tamy gny mesoko noho gny lefoko."