Toko faha 47

1 La nilitsy Josefa voho nisafa tamin'i Farao hoe: " Ingo avy baka agny amy tany Kanana, gny noho gny rahalahiko, rekitsy aondry, gny biby hary ndraiky gny raha iaby ze anagnany. Ingo, an-tanin'i Gosena rozy." 2 La nangalaky limy tamin-drozy rahalahiny Josefa, voho nanoro gnan-drozy tamin'i Farao. 3 Hoy Farao tamy gny rahalahiny hoe: " Ino gn'asanareo?" La hoy rozy tamin'i Farao hoe: " Mpiarak'aondry gny mpanomponao, manahaky gny razambenay avao." 4 Hoy ndraiky rozy tamin'i Farao hoe: " Avy rahay ho vahiny tsy ho ela amy tany toy eto. Tsy misy akata ho gnany gny biby hareny gny mpanomponao, fotony, rembony gny moasary gnagny Kanana. Ka henanizao, mba engao lahy gny npanomponao, hipetraky eo amy tanin'i Gosena." 5 Sady nisafa tamin'i Josefa, Farao, nisafa hoe: " Niavy taminao teto gny ranao voho gny rahalahinao. 6 Agnaminao iaby gny Egypta. Afitaho ao amy tany soa mare gny ranao ndraiky gny rahalahinao, la gny tanin'i GOsena zay. Laha hainao fa misy olo mahay gn'amin-drozy, la atavo mpita biby hareko." 7 Bakeo, la nandesin'i Josefa nilitsy Jakoba voho natorony tamin'i Farao. La nitsopazin'i Jakoba rano Farao. 8 Hoy Farao tamin'i Jakoba hoe: " Fa firy tao zay gny nivelomanao?" 9 Namaly gnan'i Farao, Jakoba hoe: " Zato noho telopolo tao zay gny niaignako. La tsy nimaromaro tao manahaky gnan-drozy razako" 10 La nitsipi-rano gnan'i Farao, Jakoba voho niboaky, ka nenga tam-pagnateha gnan'i Farao. 11 Tafaran'izay, la nampifitaky gnan-dro babany voho gny rahalahiny Josefa. Nagnome tany gnan-drozy, tao amy gny tany Egypta ie, gny tany soa mare, tao amy gny tanin'i Ramesesa, laha gny nandilian'i Farao. 12 Nagnome hany ho gnan-dro babany, ndraiky gny rahalahiny, voho gny tarihan-drany iaby Josefa, laha gn'isany gn'anany iaby. 13 La tsy nisy hany iaby tamy gny tany iaby; fotony nanjeky mare gny mosare. Noho gny mosary, la nisimba iaby gny tany Egypta noho Kanana. 14 Nahoron'i Josefa tamy gny familim-bary tamy gn iaby, gny drala iaby tamy tany Egypta, voho tamy gny tany Kanana. Bakeo amizay, la nandesin'i Josefa tan-dapan'i Farao tagny gny drala. 15 Lafa fonga iaby gny dralany gny tany Egypta voho gny tany Kanana, la nagnamin'i Josefa teo iaby gn' Egyptiana iaby, nisafa hoe: " Ameo hany rahay! Nagnino rahay ro maty an-katrehanao eto, fotony, fonga iaby gny dralanay?" 16 La namaly Josefa hoe: " Laha fa fonga gny dralanareo, andeso atoy gny biby harinareo, voho zaho ro hagnome hany gnanareo ho takalo ny gny biby harinareo." 17 La nandesin-drozy tamin'i Josefa teo, gny biby harin-drozy. La namean'i Josefa rozy, ho takalony gny soavaly, gn'aomby, gn'aondry, ndraiky gny boriky. Nivintsignany mofo rozy, ho takalony gny biby hariny tamy tao zay. 18 Lafa tapitsy tao zay, la niavy taminy teo ndraiky rozy tamy gny magnaraky, voho nisafa hoe: " Tsy magnetaky amy tomponay rahay, fa fonga vatany gny dralanay, rekitsy gny biby harinay, lafa gnan-gny tomponay iaby. La tsy misy raha tavela gn'amasony gny tomponay, laha tsy gny vatanay noho gny taninay. 19 Nagnino rahay ro ho maty an-katrehanao eto, rahay voho gnamy gny taninay? Kalo rahay ndraiky gny taninay, hatakalo hany , noho mpanompon'i Farao rahay retriky gny taninay. Mba ameo voa rahay, mba ho velo fa tsy ho maty, voho mba tsy henga gny taninay." 20 La kinalon'i Josefa ho gnan'i Farao, gny taniny gny Egypta iaby, fotony, namily gny taniny iaby gn' Egyptiana iaby, fa nanjeky mare gny mosary. La nignan'i Farao gny tany iaby tamizay. 21 Laha gny tamin-drozy olo, la nataony andevo tagny amy gn'ilan-tany magnolotsy gnan' Egypta, ka sikala amy gn'ilany hafa rozy. 22 Gny taniny gny mpisoro avao ro tsy kinalon'i Josefa, fotony namea tompony gny mpisoro. Nihina tamy gn'anjaranamean'i Farao gnan-drozy, rozy. Laha zay ie, tsy namily gny taniny rozy. 23 Hoy Josefa tamy gn'olo hoe: " Ingo, fa viniliko ho gnan'i Farao nareo rekitsy gny taninareo henanizao. Voho toy misy voa ho gnanareo, la hamboly agnaminy tany eo nareo. 24 Lafa vokatry zay, la magnome gn'ampaka-liminy ho gnan'i Farao nareo, voho gn'ampahany efitsy ho gnanareo am-batanareo, mba ho tabiriny gny tany, voho mba ho hany ho gnan-gny tarihanareo ndraiky gn'anakareo." 25 La hoy rozy hoe: " Sinarombakao gn'ainay. La ao rahay, hahita hatea an-katrehanao eo. Ho mpanompon'i Farao rahay." 26 La nataon'i Josefa lily, nandilia tan-tanin' Egypta tao zay, trak'androany; fa gny raiky ampaha-liminy, gnan'i Farao. 27 La nifitaky tagny amy gny Egypta, tamy gny tanin'i Gosena Israely. Nahazo hanagna tagny gny avorohotany. La vatany namokatsy rozy noho nitombo gn-isan-drozy. 28 Nipetraky tagny amy Egypta, tagnatiny folo fitoamby tao Jakoba; laha zay ie, zato noho efapolo fitoamby tao gny nivelomany. 29 Lafa nariny gn'andro hahafaty gnan' Israely, la kinainy Josefa anany voho nisafa taminy hoe: " Laha nahita hatea tan-katrehanao aho, la atavo ambanim-potrognako eo gny tagnanao, voho aseho amiko gny fahatokia ndraiky gny fagnivam-pitokia. Zaho lahy tsy halevy atoy Egypta atoy. 30 Lafa zaho ro maty misondry amin-dro razako, la handesinao miboaky gnan' Egypta voho halevinao agny an-dolondro razambeko." La hoy Josefa hoe: " La hefako iaby, ze raha nisafagninao." 31 Hoy Israely hoe: " MIfanta amiko", la nifanta taminy Josefa. Bakeo, la niankohoky tan-doham-pandriany teo Israely.