Toko faha 46

1 Niongaky nanomboky tamizay Israely, nanday gny fanagnany iaby, voho nagnagny Beri-sheba. Tao, ro nagnaterany fagnatitsy ho gnan- Dranagnarin' Isaka rainy. 2 Nisafa tamin' Israely tagnatiny gny fahita Ndranagnahary, tamy gny haly, nisafa hoe: " Jakoba, Jakoba". Hoy ie hoe: " Intoy aho". 3 Hoy ie hoe: " Zaho ro Ndranagnahary, Ndranagnaharin-dranao. Ka mavaka gny hizotso magnagny Egypta, fa Zaho ro hanao gnanao tana bevata agny. 4 Zaho ro hisondry aminao, hizotso magnagny Egypta, voho zaho ro handay anao himpoly hiakatsy, voho gny tagnan'i Josefa handreny gny masonao amy gny tagnany. 5 Nenga bakao Beri-sheba Jakoba. Nandesin-drozy anany Jakoba ran-drozy, voho gny valin-drozy, tamy gny katraka zay nalefan'i Farao, mba hagnandesa gnan-drozy anak' Israely. 6 La nandesin-drozy iaby gny biby harin-drozy noho gny fanagnan-drozy, ze fa niazon-drozy tamy tany Kanana eo tao. La nilitsy rozy tao Egypta, miaraky amin'i Jakoba rekitry gny tarihany iaby. 7 Nandesiny nisondry taminy, tagny Egypta rozy anakilahiny voho gny zafiny johary; gn'anakapelany gny zafiny ampela, ndraiky gny tarihany iaby. 8 Reto iaby gn'agnarany gn'anak' Israely, zay niavy tagny Egypta, Jakoba rekitsy gn'anany: Robema, talagnolon'i Jakoba; 9 rozy anak'i Robema, hanoka noho Palo voho Hezrona noho Karmy; 10 rozy anak'i Simeona, Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, noho Saoly, rozy anakalahiny gn'ampela Kananita; 11 rozy anakilahin'i Levy: Gersona, Kehata, Merary. 12 Rozy anakilahin'i Joda: Era, Onana, Sela, Fareza, noho Zera (fe Era noho Onana nimaty tagny amy tany Kanana). Rozy anakilahin'i Fareza: Hezrona voho Hamola. 13 Rozy anakilahin'i Isakara la i Tola, Pova, Joba, sady Simrona; 14 Rozy anakilahin'i Zebolona la Sereda, Elona, noho Jahalela. 15 Rozy ro anakilahin'i Lea, naterany tamin'i Jakoba tagny Padana-Arama, noho Dina anakapelany. Telopolo teloamby gn'anakilahiny noho gn'anakapelany. 16 Rozy anakilahin'i Gada la I Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, sady Arely. 17 Reo anakilahin'i la Jimna, Jisva, sady Beria; voho i Sera ro anabavin-drozy . Rozy anakilahin'i Beria la Hebera voho Malkiela. 18 Reo ro anakilahin'i Zilpa, zay nomen'i Labana an'i Lea anakampelany. Reo ro anakilahy naterany tamin'i Jakoba__enina ambin-gny folo ro fitambarany. 19 reo anakilahin'i Rahely valin'i Jakoba la Josefa voho Benjamina. 20 Latsak'anaky tamin'i Asenata anakapelan'i Potifara mpitankazo manga tao Ona, Josefa tagny Egypta. 21 Rozy anak'i Benjamina la Bela, Bakera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima, voho Arda. 22 Rozy ro anak'i Rahely naterany tamin'i Jakoba, folo efatsamby gn'isany. 23 Gn'anakilahin'i Dana, Hosima. 24 Rozy anakilahin'i Naftaly la Jaziela, Gony, Jezera noho Silema. 25 Rozy ro anaky nateran'i Jakoba tamin'i Bila, zay namean'i Labana gnan-dRahely anany__ fito vavy gny fitambarany. 26 nRozy nagnagny Egypta nisondry tamin'i Jakoba, zay tarihany; laha tsy isaky rozy valiny gn'anakilahiny, la enimpolo enignamby gny fitambarany. 27 Fitopolo gn'isany gny tarihany nagnagny Egypta, tagnatiny zay tao iaby, gn'anakilahin'i Josefa roe, zay naterany tagny Egypta. 28 Nalefan'i Jakoba talohany Joda, handeha alohany, mba hanoro lala gnazy magnamin'i Josefa agny, ho agny Gosena; la niavy tagny amy tanin'i Gosena rozy. 29 Nagnetsiketsiky gny katrakany Josefa, vohoroso niakatsy, nanegnategna gnan' Israely rany. La nitany ie, rinakony gny vozony, voho nitagny ela tambozony teo ie. 30 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: " Engao zaho ho maty amizay, fotony, fa nahita vata gnanao zaho, fa mbo velo iha." 31 Nisafa Josefa tamin-drozy rahalahiny noho gny tarihan-drany hoe: " Hiakatsy zaho voho hisafa amin'i Farao, ka hisafa hoe: ' Fa avy amiko aoty gny rahalahiko voho gny tarihan-drako, zay tagny amy gny Kanana. 32 Mpiarak'aondry lihy reo, fotony, rozy ro mpamaha gny biby haren-drozy. Nandesin-drozy gn'aondry rekitsy gn'aosy, ndraiky gn'aombin-drozy, voho gny raha iaby nanagnan-drozy' 33 Ka laha mikaiky gnanareo Farao noho magnotany hoe: " Ino gn'asanareo?' 34 Hamaly nareo hoe: ' Gny mpanomponao, fa mpamaha biby hary leny nahakely gnanay traky henanizao, rahay voho gny razanay.' Zay gn'atao, mba hahazoanareo mipetraky amy tanin'i Gosena, fotony, raty amy Egyptiana gny mpiarak'aondry iaby."