Toko faha 45

1 La tsy nahata gn'ainy Josefa tan-katrehan-drozy, mpanompony, nitranga tagnilany teo. La nisafa mare ie hoe: " Menga iaby nareo". La tsy nisy mpanompo nijano gny taminy teo; lafa Josefa ro nagnambara vata tamin-drozy ralahiny. 2 La nirohadrohaky gny tagny ie, ka jan-drozy Egyptiana zay; voho jan-drozy tan-tragnon'i Farao tao. 3 Hoy Josefa tamin-drozy rahalahiny hoe: " Zaho ro Josefa. Mbo velo va gny babako? La nizehatry rozy rahalahiny, ka la tsy nisy ho safagny, fotony; nangitikitiky rozy ndraiky tseriky. 4 Bakeo, nisafa tamin-drozy rahalahiny Josefa hoe: " Mihariniha gnahy nareo." La nihariniky gnazy gny rahalahiny. Hoy ie hoe: " Zaho ro Josefa rahalahinareo navilinareo tagny Egypta. 5 Ka malahelo ndraiky ka meloky amy gny vatanareo gn'amy namarota gnahy tatoy, fotony; Ndranagnahary ro nandefa gnahy alohanareo mba ho voaaro gn'ainareo. 6 Fotony, tamy tany toy telo zay gny mosary, tagnatony roe tao; noho mbo hisy limy tao, zay tsy hisy fambolea ndraiky gny famokara. 7 Ndranagnahary ro nagniraky gnahy talohanareo, fotony, hitanjaky gnahareo, mba tsy ho lany an-tany eto; voho hitanjaky gnanao, ho velo amy gny fahafaha bevata. 8 Sady noho izay tsy nareo ro nandefa gnahy taty fa Ndranagnahary, sady ie nanao gnahy ho rain'i Farao, tompon-gny tragnony iaby, voho mpanampaka gny tany iaby manera an'i Egypta. 9 Masika noho ndagny amin-drako agny, voho safagno aminy hoe: ' Zao gn'ambarany gn'anakao Josefa: " Nataon-Dranagnahary, mpandily gnan'i Egypta iaby aho. Mizotsoa amiko atoy, fa ka mandigny andro. 10 Hipetraky amy gny tanin'i Gosena iha ka ho agnilako eo, iha retsiky gn'anakao, noho gn'anaky gn'aosy ndraiky gn'aomby, rekitsy gny fanagnanao iaby. 11 Zaho ro hamaha gnanreo, fotony, mbo haharitsy limy tao gny mosary, mba tsy ho avy aminareo gny halatsy, aminao, noho gny tokantragnonao, ndraiky gny fanagnanao iaby."' 12 Ingo, la hitany gny masonareo vatany, noho gny mason'i Benjamina rahalahiko, fa gny tsihoviko ro misafa aminareo. 13 Ho safagniko amin-drako gny momba gny voninahitso, atoy Egypta; voho gny raha iaby ze hitany gny masonareo. Ndagny, masika nareo, voho andeso mizotro atoy gny rako." 14 Rinakony gny vozon'i Benjamina rahalahiny, ka nitagny ie; voho Benjamina nitagny tan-bozony teo koa. 15 Norofany iaby gny rahalahiny iaby, voho nitagny tamin-drozy teo ie. Tafaran'izay, la nisafa taminy rozy rahalahiny. 16 La nambara tan-tragnan'i Farao tao gny vaovao hoe: " Avy gny rahalahin'i Josefa". La nazoto ndraiky nisinisiny Farao rekitsy gny mpanompony, laha nahaja gnan'izay. 17 Hoy farao tamin'i Josefa hoe: " Safagno amin-drozy rahalahinao hoe: ' Zao gn'atao: aondrano gn'enta handesiny gny bibinareo, voho roso magnagny amy tany Kanana. 18 Andeso gny ranareo, noho gny tokantragnonareo voho mandena amiko atoy. Hameako gnanareo gny raha soa an-tanin'i Egypta etoa, voho nareo hihina gny soa amy tany toy eto.' 19 Voho homean-dily nareo hoe: 'Zao gn'atao, mangala katraka amy tany egypta ho gnan-gny gn'anakareo voho gny valinareo. Andeso gny ranareo, voho mandena atoy. 20 Ka misantsa gn'amy fanagnanareo, fa gnanareo ze soa an-tany eto iaby, ketriketrik'i Egypta."' 21 La nataon-drozy anak' Israely zay. Nagnome katraka gnan-drozy Josefa, laha gny fandilian'i Farao; voho nagnome gnan-drozy vatia, handesy amy lala egny. 22 Nameany salotsy hagnovan-drozy, rozy iaby; fe Banjamina koa, nameany sekely volafoty telonjato voho salotsy limy hagnovany. 23 Zao gny fapaitsy nalefany ho gnan-drany" Lahin-boriky folo, nanday gny raha soan'i Egypta; voho vavim-boriky folo nanday vary noho mofo; voho vatia hafa koa ho gnan-drany, handesy an-dala egny. 24 La nalefany gny rahalahiny, ka la roso rozy. Hoy ie tamin-drozy hoe: " Ao ndreo tsy hifanditsy lafa an-dala egny." 25 La niakatsy baka Egypta tao rozy, ka la niavy tagny amy tany Kanana, tagnamin'i Jakoba rany. 26 nNisafa taminy hoe: " Mbo velo Josefa, noho ie ro mpandily gny tany Egypta iaby." Nanintsy gny fony, fotony, tsy nagnenky gny raha nisafagnin-drozy ie. 27 Nisafagnin-drozy taminy iaby, gny safa nambaran'i Josefa tamin-drozy. Laha nihitan'i Jakoba gny katraka nalefan'i Josefa mba hagnandesa gnazy, la nivelo ndraiky gny fagnahin'i Jakoba ran-drozy. 28 Hoy Israely hoe: " Fa soa zay. Mbo velo anako igny Josefa. Handeha zaho voho hanenty gnazy, alohany gny hahafaty gnahy.