Toko faha 40

1 Ka tafaran'izay raha iaby zay,la nahakamo gny tompony rozy,azy mpanjakan'i Egypta igny,gny mpanday kapoakin'ny mpanjaka voho gny mpamboatry gny mofony. 2 Meloky tamy reo manam-pahefany roe lahy i Farao,la gny johary mpanday gny kapoaky voho gny mpamboatry mofo. 3 Ninginadrany tan-tragnon'ny gny lehiben'ny mpiamby rozy,tamy fonja azy nitanjaha gnan'i Josefa igny. 4 Nintingy gnan'i josefa gny lehiben'ny gny mpiamby mba hanompo gnan-drozy.Sady rozy nipetraky la nipetraky fotoa ela tan-gandra ao. 5 Samby nagnonofy rozy-raiky mpanday kapoaky igny voho raiky mpamboatsy mofon'ny mpanjakan'i Egypta nitanjahy tan-gandra tao igny-la sanby nana gny nofiny aby rozy roe lahy tamy halikigny,ka gny nofy kiraikiraiky la samby nana gny dikany iaby. 6 Niavy maraindrai-be tagnamin-drozy tao Josefa ka nahita gnandrozy.Ingo,nalahelo rozy. 7 Nagnontagny tamy reo tandapan'i Farao ze nisondry tagnaminy tan-gandra tao an-tragnon'ny gny tompony ie,ka nanao hoe:"Nagnino nareo hoy ro meloky? 8 Hoy rozy tagnaminy hoe:"Nagnonofy rahay roe lahy fe tsy misy afaky hagnambara agnaminay gny dikany."Hoy Josefa tagnamin-drozy hoe:"Tsy bakamin-Ndragnahary va gny fagnomeza gny dikan'izay?Mba volagno gnahy moa lahy." 9 La nivola gny nofiny tamin'i Josefa gny lehiben'ny mpanday kapoaky.Hoy ie hoe:"Tagnatin'ny nofiko,la ingo,nisy voaloboky tagnilako teo. 10 Nisy tahony telo tamin'ny voaloboky igny.Laha nitiry zay,la namogny gny vogniny ka masaky reo tahon'ny voaloboky reo. 11 Tan-tagnako gny kapoakin'ny mpanjakan'i Farao.Nalako voaloboky reo ka nifiaziko tangnanty kapoakin'i Farao teoka nampetrako tan-tagnan'i Farao zay. 12 Nivola tagnaminy Josefa hoe:"Ino gny dikan'izay.Gny tahon'ny gny voaloboky telo la midika ho telo andro. 13 Agnatin'ny telo andro Farao ro hampiranga gny lohanao ka hampoly gnanao amy gnasanao.Hametraky gny kapoakin'i Farao eo an-tagnany iha ,manahaky gny naham-panday gny kapoaky gnanao. 14 Fa tiarovo zaho lafa milamy gny agnaminao,ka mba magnatoroa hasoafagnahy agnamiko.Rehafo agny amin'i Farao zaho ka alao an-gandra ato. 15 Fa nala an-keriloha tamin'ny gny tany Hebreo tokoa zaho.Eto avao koa la tsy nisy raha nataoko zay tokony hampigadra gnahy ." 16 Lafa hitan'ny lehiben'ny gny mpambotsy mofo fa soa gny dikan'izay,la hoy ie tamin'i Josefa hoe:"Nagnonofy avao koa zaho,ka,ingo,nisy sobiky telo nisy mofo tan-dohako teo. 17 Teo amin'ny sobiky farany agnabo mare igny la nisy kazazan-draha lako natao mofo ho gnan'i Farao,kanefa nihanin'ny gny voro bakan-tsobiky tao zay. 18 Namaly Josefa ka nanao hoe:"Zao ro dikan'izay.Gny sobiky telo la midika ho telo andro. 19 Agnatin'ny telo andro ro hangalan'i Farao gny lohanao voho hagnatognany gnanao agnabo zaho.Ka hihina gny vatanao reo voro reo." 20 Ka tami-gnadro fahatelo gny fimpolianin'gnandro niterahan'i Farao.Nagnano fety ho gnan'ny gny mpanompony iaby ie."Nasondrotriny "gny lohan'ny azy lehiben'ny mpanday kapoaky igny voho gny lohan'ny azy mpamboatsy mofo igny,tamin'ireo mpanompony. 21 Nampoliny tamin'ny gnasany gny lehiben'ny mpanday kapoaky, ka nametraky gny kapoaky tan-tagnan'i Farao ndraiky ie. 22 Fa nahantony koa gny lehiben'ny mpamboatsy mofo,manahaky gny nivolagnan'i Josefa tamin-drozy. 23 Kanefa tsy mba nahatiaro gnan'i Josefa azy lehiben'ny mpanday kapoaky igny,fa halignony koa aza gny mikasiky azy.