Toko faha 36

1 Reto gny taranak'i Esao ( la kaihy avao koa hoe: Edoma). 2 Bakamireo Kananita Esao ro nangalaky valiny reo. Reto aby valiny reo: Ada gnanak'ampelan'i Elona Hetita igny; Oholibama gnana'iampelan'i Ana, zafiny Zibona Hivita igny; 3 vo Basamata, gnanak'ampelan' Ismaela, anabavin'i Nebaiota. 4 Niteraky gnan'i Elifoza tamin'i Esao Ada, vo Basamata niteraky gnan'i Regoela. 5 Oholibama niteraky gnan'i Jeosy, Jalama, vo Kora. Reo ro gnanaky naterak'i Esao teraky ho gnazy tagny ami-tany Kanana. 6 Nalan'i Esao valiny reo, reo gnanany johary, reo gnanany ampela, vo reo mpikamba iaby amign'ankohonany, reo biby fihariny__reo bibiny iaby, vo reo fanagnany iaby, ze navoriny tagny ami-tany Kanana, ka roso nagnagny ami-tany ze lvitry gnan'i Jakoba rahalahiny. 7 Nanao an'izay i gnantony maro loatry reo fanagnan-drozy laha hiaraky hafitaky. Gny tany ze fa nagneregnan-drozy fipetraha la tsy nahatanty an-drozy nohony reo biby fiharin-drozy. 8 Nohon'izay Esao, la hoy avao koa amin'ny hoe Edoma, la nipetraky tagny am-bohitr'i Seira. 9 Rozy ro taranak'i Esao, razamben'ny Edomita igny tany am-bohitri-Seira. 10 Reto gnagnarany reo gnanaky lahin'i Esao: Elifaza gnanaky Ada, valin'i Esao agny, Regoela gnanaky Basemata, valin'i Esao agny. 11 Temana, Omara, Zefo, Gatama, vo Kenaza ro gnanaky lahin'i Elifaza. 12 Timna, valitsindranon'i Elifaza, gnank' Esao, niteraky gnan'i Amaleka. Reo ro zafin'i Ada, valin'i Esao. 13 Reto ro gnanaky Regoela: Nahata, Zona, Sama, vo Miza. Reo ro zafin'i Besemata, valin'i Esao. 14 Reto ro gnanak'i Oholibama, valin'i Esao, gnanak'ampelan'i Ana vo zafiny Zibona. I la niteraky gnan'i Jalama, vo Kora tamin'i Esao. 15 Reto gny foko tami-taranak'i Esao; reo taranak'i Elifaza, talagnolon'i Esao agny: Temana, Omara, Zefo, Kenaza, 16 Kora, Gatama, vo Amaleka. Reo ro foko bakami-taranak' Elifaza tagny ami-tanin'i Edoma. Reo ro zafin'Ada. 17 Reto gny foko bakamin'i Regoela, gnanaky lahin'i Esao: Nahata, Zera, Sama, Miza. Reo ro foko bakami-taranak'i Ragoela tagny ami-tany Edoma. Reo ro zafin'i Basemata, valin'i Esao. 18 Reto gny fokon'i Ohilibama, valin'i Esao: Jeosy, Jalama, Kora. Reo ro foko bakami-taranak'i Ohilibama valin'i Esao, gnanak'ampelan'i Ana. 19 Reo ro gnanaky lahin'i Esao, vo reo ro fokon-drozy. 20 Reto gnanaky lahin'i Seira Horita igny, reo gnolony Seira tagny ami-gny Edoma. 21 Disona, Ezera, voho Disana. Reo ro fokon'ny Horita, reo mponin'i Seira tany amin'ny tany Edoma. 22 Hory vo Hemana ro gnanaky Lotana, vo Timna ro anabavin'i Lotana. 23 Reto gnanaky lahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, vo Onama. 24 Reto gnanaky lahin'i Zibona: Aia vo Ana. ro nahajery loharano gny nafana tagny an-dio-monto, laha niamby reo borikin'i Zibona babany ie. 25 Reto gnanaky Ana: Disona vo Ohalibama, gnanak'ampelan'i Ana igny. 26 Reto gnanaky lahin'i Disona: Hendana, Esbana, Jitrana, vo Kerana. 27 Reto gnanaky lahin'i Ezera: Bilana, Zavana, vo Ahana. 28 Reto gnanaky lahin'i Disana vo Arana. 29 Reto gny fokony Horita reo: Lotana, Sobala, Zibona, vo Ana, 30 Disona, Ezara, Disana: Reto gny fokon'i Horita, araky gny fokon-drozy nisahy tagny ami-tany Seira. 31 Reto gny mpanjaka ze nanjaka tagny ami-tany Edoma talohan'ny ze mpanjaka nanjaka tamireo Israelita: 32 Bela gnanaky Beora, nanjaka gnan'i Edoma, vo Dinaba ro agnarany tanany. 33 Lafa maty Bela, la nanjaka tami-toerany Jakoba, gnanaky lahin'i Zera, bakagny Bezra. 34 Lafa maty Jobaba, la nisolo gny toerany Hosana ze bakamin'ny gny tanin'ny tenamita reo. 35 Lafa maty Hosana, la nisolo gny toerany. Hadada gnanaky lahin'i Bedada nandresy gnanireo Midianita igny tagny ami-tany Moaba. Avita ro agnaran'ny gny tanany. 36 Lafa maty Hadada, la nisolo gny toerany Samla bakagny Masreka. 37 Lafa maty Samla, la nisolo gny toerany Saoly bakagny Rehobota marikitry gny vavarano eo. 38 Lafa maty Saoly, la nisolo gny toerany Bala-hanana gnanaky lahin'i Akbora igny. 39 Lafa maty balahamana gnanaky lahin'i Akbota egny, la nisolo gny toerany Hadara. Pao ao agnarany tanany. Gnagnaran'ny valiny la Mehetabala, gnanak'ampelan'i Matreda, zafiny Me-zahaba. 40 Reto ro agnarany reo lehiben'ny reo foko ami-taranak'i Esao, araky reo foko vo gny faritrin-drozy, tami-gnagnaran-drozy: Timna, Alva, ze teta, 41 Oholibama, Elaha, Pinona, 42 Kenaza, Temana, Mibzara, 43 Magdiela, Irama. Reo ro lehiben'ny fokon' Edoma, araky reo fipetrahany agny ami-tany ze nanagnan-drozy. Esao zay, baban'ny gn' Edomita egny.