Toko faha 32

1 Nandeha tamigny lalany avao koa Jakoba, la nitajy tamign'Anjelin-Dranagnahary. 2 Lafa nahajery an-drozy Jakoba, la hoy ie hoe he: " Toy ro tobin-Dranagnahary", ka la Mahamaima ro nikaihany an'i toera zay. 3 Nandefa mpanday hafatry nialoha gnazy Jakoba mba ho agny amin'i Esao rahalahiny agny amitanin'ny Seira, agny ami-faritriny Edoma. 4 Nibaiko an-dreo ie, nisafa hoe: " Zao gny hosafagninareo amin'i Esao tompoko: zao ro voasafan'i Jakoba mpanomponao manao an'izao:' Fa nipetraky niaraky tami-Labana zaho, la nagnemotsy gny foliako zisiky henanizao. 5 Managn'aomby, bariky, aondry vo aosy, vo mpanompo johary vo mpanompo ampela zaho. Nandefa hafatsy toy tagny ami-tompoko zaho, mba hazahoako sitraky agntrehanao eo." 6 Nimpoly tagny ami-Jakoba mpanday hafatsy reo la nisafa manao an'izao: " Nandeha tagny amin'Esao rahalahinao rahay. Ho avy hihao aminao ie, la efajato zahay ro hisondry aminy." 7 La natahotsy mare vo nangitikitiky Jakoba. Ka la zinarany gnolo nisondry taminy reo ho antoko roa, la aondry reo, aosy vo, apondra reo. 8 Hoy gnataony hoe he: " Laha avy amin'antoko raiky Esao ka manafiky an'izay, la ho afaky hilay gn'antoko raiky amibiny." 9 Hoy jakoba hoe: ' Ndra nagnahary ny Abrahama babako, vo Ndranagnahary ny Isaaka babako, Yaveh, ze nisafa tagnamiko hoe: 'Molia agny ami-taninao vo gny longonao, zaho la hagnamby gnanao, 10 Tsy mendriky gnasan'ny fagnaraha mahatoky vo gny famendreham-pitokisa iaby ze nataonao ho gnan'ny mpanomponao zaho. Fa gny tehiko ro mba nandesiko nita toy Jordana toy, la ami-henanizao fa lasa antoko roa zaho. 11 Mba vonjeo ami-gny tanan'ny rahalahiko, gny tanan'i Esao zaho, fa matahotry gnazy zaho, so de ho avy ie hanafiky gnahy vo gny reny amin-jaza. 12 Kanefa iha nisafa hoe: " Ho ambiniko vatany iha. Hataoko manahaky gny fasin-driaky gny taranakao, la tsy voa isaky." 13 Nipetraky teo Jakoba tami-haliky igny. Nangalaky gny sasany tami-ze nagnanany niaraky tagnaminy ie mba ho fagnomeza ho gnan'i Esao rahalahiny; 14 Aosy vaviny roan-jato vo aosy lahiny roapolo, 15 Apondra be ronono telopolo vo gnanaborikin-drozy, amby vaviny efapolo roa amby lahiny folo, apondra vaviny roapolo vo apondra lahiny folo. 16 Nameany reo mba ho antagnan'ny gny mpanompony, gn'andriany kiraikiraiky aby. Nisafa tamigny mpanompony i hoe he: " Mandehana alohako eo vo asio elagnela isaky gn'andiany gny biby." 17 Nagnome torohevitry gny mpanompo voalohany ie, nisafa manao an'izao: " Lafa nifamojy aminareo i Esao rahalahiko ka magnontany anareo, manao hoe he: " Olon'ia nareo? Hagnaia nareo? Gn'ania biby agnilanareo eo reo? 18 La nisafa nareo manao an'izao: 'Gnany Jakoba mpanomponao reo. Reo la fagnomeza nalefa ho gnan'i Esao tompoko , io, bakafaranay avao koa ie." 19 Nagnome torohevitry gny vondro faharava, fahatelo, vo gny johary iaby ze magnaraky gn'adiam-biby reo avao ho Jakoba. Hoy gnataony hoe: " Hisafa raha mitovy amin'i Esao nareo lafa mifamonjy agnaminy. 20 Tsy maintsy misafa avao koa nareo hoe! Jakoba mpanomponao la bakafaranay."' Fa nametsivetsy i hoe: " Hampijano gnazy amigny fagnomeza ze nalefako talohako eo zaho, vo lafa laha Jeriko ie, la mety handramby gnahy ie." 21 Ka nalefa mialoha gnazy fagnomeza reo. I vatany nijano tam-toby ao halikigny 22 Nifoha Jakoba nandritrany haliky, la nangalaky gny vahiny roa, gnanak'ampelany roa, vo gnanaky lahiny raiky amibin'ny folo. Halefany tagny ampitan'ny fitan'i Jakoba rozy. 23 Taminio ro nampitagny an-drozy tagny ampitan'ny gny rano mandeha niaraky taminireo fanagnany iaby. 24 Tavela raiky Jakoba, la nisy Johary raiky nialy tagnaminy zisiky maraindray. 25 Lafa hitany Johary igny fa tsy handresy gnazy ie, la vinangony gny foto-pen'i Jakoba. Nikaritsy gny foto-pen'i Jakoba laha nialy tagnaminy ie. 26 Nisafa johary igny hoe he: " Aleo zaho handeha, fa ho vaky andro." La Jakoba nisafa hoe: " Tsy engako handeha iha tsy hagnenga gnanao handeha zaho, laha tsy mitsipi-rano gnahy iha". 27 La hoy johary igny tagnaminy hoe: " Ia gnagnaranao?" Jakoba namaly hoe: " Jakoba". 28 Hoy johary igny hoe: " Gnagnaranao la tsy ho Jakoba sasy, fa Israely. gnantony iha nialy tamin-Dranagnahary vo tami-gnolo la fa nandresy." 29 Nagnotagny gnazy Jakoba manao na'izao: " Mba safagno gnahy tompoko gnagnaranao." Hoy i hoe: " Nagnino iha ro magnontany gnagnarako?" Bakeo la nitsipi-rano gnazy teo ie. 30 Jakoba nikaiky toera igny ho Paniela gnantony hoy i hoe: " Fa mifagnatriky tarehy tamin-Dranagnahary zaho , la avotsy gnaiko." 31 Niboaky gny masoandro laha mandalo an'i Poniela Jakoba. Kolitsaky ie nohon'ny gny foto-peny. 32 Zay ro gnantony tsy nisakafoanan'ny gnanak'Israely gny hozatry gny foto-peny eo ami-fitohizan'ny gny fotrogna zisiky henanizao, gnantony namparatsy hazatry re johary igny laha nahakaritry gny foto-potrognany Jakoba.