Toko faha 30

1 Lafa nihitan'i Rahely fa tsy nagnomea anaky an'i Jokoba ie, la nialo gny rahavaviny Rahely. Nivola tamin'ny Jakoba hoe: " Omeo anaky zaho, laha tsy zay la ho maty zaho". 2 Nirehitsy tamin-dRahely gny siak'i Jakoba. Hoy ie hoe: " Zaho moa ro eo amin'ny toeran-Dranagnahary, zay nitagnanao tsy hanagnanaky?" 3 Hoy ie hoe: " Ingo, gny mpanompoko Bila. Mandrea miaraky aminy,mba hahafahany miteraky aja ho eo ampotrognako, ka hanagnako anaky bakaminy. 4 La nameany gnazy ho valiny i Bila mpanompony vavy, ka Jakoba nandry niaraky taminy. 5 Niamitroky vo niteraky anakilahy ho an'i Jakoba. 6 La hoy Rahely hoe: " Mitsara tamin'ny gny fankasitrahako Ndranagnahary. Nijanjy gny vavaky nataoko Ie ka nagnomea gnahy anakilahy." Noho zay antony zay ro niterahany gnagnarany hoe Dana. 7 Bila, mpanompon-dRahely, la niamitroky ndraiky ka niteraky anakilahy faharoe ho an'i Jakoba. 8 Hoy Rahely hoe: " Tamin'ny gny tolo mahery ro nitolognako tamin'ny gny rahavaviko ka nandreseako." Nataony hoe Naftaly gnagnarany. 9 Lafa hitan'i Lea fa nijano tsy nanagnanaky ie, la nalaeny Zilpa mpanompo vaviny, ka nameany ho valin'ny Jakoba ie. 10 Zilpa mpanompon'i Lea, la niteraky anakilahy ho an'i Jakoba. 11 Hoy Lea hoe: " Vinta toy!" La nataony hoe Gada gnagnarany. 12 Bakeo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraky anakilahy faharoe ho an'i Jakoba. 13 Hoy Lea hoe: " Sambatsy zaho! Fa reo anakampela hanao gnahy hoe sambatsy.La nataony hoe Asera gnagnany. 14 Nandeha tamin'ny gnandro famatsiham-bary Robena ka nahita dodaima tankoraky ao.Nivola tamin'i Lea renin-drozy rozy. La hoy Rahely tamin'ny Lea hoe: " Ameo ilany amin'ireo dodaiman'ny gnanako lahy zaho." 15 Hoy Lea tamin'ny hoe: " Antony kely va aminao, gny nangalanao gny valiko? Tahangalaky gny dodaiman'ny gnanakilako avao koa iha zao?" Hoy Rahely hoe: " La hiara-matory agnaminao ie lafa haly, ho takalon'ireo dodaiman'ny anakao johary." 16 Baka ambaibo Jakoba gny hariva. Niboaky Lea mba hihao aminy ka nivola hoe: " Tsy maintsy miara-mandry amiko iha lafa haly, fa nafoeko tamin'ireo dodaiman'ny gnanakilahiko iha. La niara-mandry tamin'i Jakoba gny matognaly. 17 Nijanjy an'i Lea Ndranagnahary, la niamitroky voho niteraky anakilahy fahadimy ho an'i Jakoba ie. 18 Hoy Lea hoe: " Namen-Dranagnahary gnahy gny karamako, fotony nagnomea gny mpanompo vaviko ho an'ny valiko zaho. Nataony hoe Isakara gnagnarany. 19 Niamitroky ndraiky Lea ka niteraky anakilahy faha-eny ho an'i Jakoba. 20 Hoy Lea hoe: " Namea Ndranagnahary fagnomeza soa zaho. Zao la hagnomea voninahitsy gnahy gny valiko, fotony niteraky anakilahy eny ho gnazy zaho." Nataony hoe Zabolona gnagnarany. 21 Lafa afaky zay la niteraky anakampela ie ka nataony hoe Dina gnagnarany. 22 Nahatiaro an-dRahely Ndranagnahary ka nijanjy gnazy. Nampanagnanaky gnazy Ie. 23 Niamitroky ka niteraky anakilahy ie. Hoy ie hoe: " Nala Ndranagnahary gny hegnatso" 24 Nataony hoe: " Josefa gnagnarany, ka nanao hoe: " Hagnampy anakilahy raiky hafa ho gnahy Yaveh. 25 Tafaran'ny gny niterahan-dRahely an'i Josefa, la nivola tamin'i Labana Jakoba hoe: " Alefaso zaho, mba hahafahako mandeha magnagny amin'ny gny tragnoko noho agny amin'ny gny tanako. 26 Ameo gnahy reo valiko voho reo anako zay ho gnazy ro nanompoako gnanao, ka engao zaho handeha, fa iha nahay gny nanompoako nataoko gnanao." 27 Hoy Labana taminy hoe: " Laha mahita fankasitraha eo agnatrehanao zaho amin'izao, la ligniso, fotony haiko tamin'ny gny fampiasa sikily fa nitahy gnahy noh iha i Yaveh. 28 La hoy ie hoe: " Volagno hoe hotrino gny karamanao, la haloako reo." 29 Jakoba nivola taminy hoe: " Haiko gny fomba nanompoako gnanao, voho gny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraky tamiko. 30 Fa kely ro nanagnanao talohan'ny gny niaviako, ka nitombo be lavitsy reo. Nitahy gnanao Yaveh na taia na taia niasako. Ka mbia zaho ro mba hihary hoan'ny gny tokatragnoko koa?" 31 La namaly Labana hoe: " Ino ro haloako aminao?' Hoy Jakoba hoe: " Tsy hagnomea gnahy na ino na ino iha. Laha hanao zao raha zao ho gnahy iha, la hamaha ndraiky gny biby fiompinao voho hiamby gnazy zaho. 32 Engao zaho hamakivaky gny biby fiompinao iaby androany, hangalaky gnaondry ponopoaky voho sada iaby amin'izay, noho zay mainty iaby eo amin'ny gnaondry voho gny sada noho gny eo amin' ireo aosy. Zay ro ho karamako. 33 Gny tsy fivadihako ro ho vavolombelo ho gnahy afara agny, lafa avy hanenty reo karamako iha. Zay iaby tsy pomoapoky noho sada eo amin'ireo aosy, noho tsy maintsy eo amin'ny aondry, laha misy hitanao amiko atoy, la ataovo manahaky gny nangalariko." 34 Hoy Labana hoe: " Ekena. Aoka ho araky gny volanao zay." 35 Tamin'io andro io Labana nangalaky reo aosy lahy zay sadika voho sada, voho reo aosy vavy iaby zay mpomoapoaky voho sada, gny zay iaby nisy faty taminy, voho reo mainty iaby teo amin'ireo aondry ka nagnome an'ireo eo antagnan'ireo anakilahiny. 36 Nagnisy lalan-kateloa teo agnelagnelany voho Jakoba avao koa Labana. Noho ny zay la nijano niamby gnambin'ireo biby fiompin'i Labana i Jakoba 37 Nangalaky tampaky rantsakazo popola maitso Jakoba voho tamin'ny gny hazo amygdala voho hazo plata, ka nagnofy gny faty tamin'ireo, ka nanao zay nampitsoaky gnaty fatin'ny gny hazo zay tao amin'ireo tapa-kazo. 38 La nametraky reo tampa-kazo zay nofasany teo agnatrehan'ireo biby fiompy, teo agnatrehan'ireo lokaloka finoma rano zay nandehanan'ireo hino ie. Nanagnanaky reo iaby avy nino. 39 Niteraky teo agnatrehan'ireo tapa-kazo reo biby fiompy niteraky sadika, sada, voho pomoapoaky, 40 navahan'i Jakoba reo anak'aondry reo, fa nanao gny ambin'ireo nifagnatriky tamin'ireo biby sadika voho gnaondry mainty iaby tao amin'ny biby fiompin'i Labana. La navahany ho gnazy gny biby fiompy ka tsy nakambany niaraky tamin'ireo biby fiompin'i Labana. 41 Na mbia na mbia niterahan'ny gnaondry matanjaky tao amin'ny gny biby fiompy, la nampandren'i Jakoba teo amin'ny gny lokaloka finoma teo agnatrehan'ny mason'ireo biby fiompy reo tapa-kazo, mba hahafahan-drozy niteraky eo amin'ireo tapa-kazo. 42 Fa lafa niavy mahia tamin'ireo biby fiompy, la tsy nametraky reo tapa-kazo agnatrehan'ireo ie ka an'i Labana reo biby mahia, voha gnan'i Jakoba gny mahery. 43 Nanjary nanan-karegna be ralehilahy. Nana biby fiompy maro ie, mpanimpo vavy voho mpanompo lahy, noho rameva voho ampondra.