Toko faha 29

1 La nanohy gny liany ndraiky Jakoba ka avy teo amin'ny gnolo tantignana. 2 Laha nanenty ie, la nahita fantsaka teo amin'ny baibo, ka, ingo, misy andian'aondry aman'osy telo nandry teo agnilany fantsaka. Fa teo ivelan'izay fantsaka izay ro nampinomin'ireo gny ondry aman'osy, sady bevata gny vato teo amin'ny vavan'ilay fantsaka. 3 Ka lafa tafavory eo reo aondry aman'osy iaby, la havarimbarin'ny gny mpiarakandro aondry vato eo amin'ny vavan'ny fantsaka ndraiky gny vato, ho eo amin'ny gny toerany 4 Hoy Jakoba tamin-drozy hoe: " Ry rahalahiko, bakaia moa nareo?" Rozy namaly hoe: " Bakagny Hasana rahay". 5 Hoy ie tamin-drozy hoe: " Hainareo va Labana anak'i Nahara?" Hoy rozy hoe: " Hay nay ie". 6 Hoy ie tamin-drozy hoe: " Salama va ie?" Hoy rozy hoe: " Salama ie, ka, ingo Rehely anakampelany avy misondry amin'ny gnaondry." 7 Hoy Jakoba hoe: " Ingo fa vakimira gnandro. Mbo tsy fotoa famoria gnaondry voho osy zao. Tokony hagnomea rano gnaondry nareo ka ndehana hagnenga amireo hiaraky egny. 8 Hoy rozy hoe: " Tsy afaky nagnomea rano an'ireo rahay lahatsy fa vory gny vato eo amin'ny aosy reo. Bakeo reo johary hamarimbary gny vato eo amin'ny gny vavany fantsaka, la hampinominy rano gnaondry. 9 Laha mb o nirehaky tamin-drozy Jakoba, la ingo Rahely avy niaraky tamin'ireo aondriny Babany, fotony niaraky an'ireo ie. Lafa hitan'i Jakoba i Rahely, anakampelan'ny Labana, anadahin-dreniny, voho gnaondrin'i Labana, anadahin-dreniny, la namonjy Jakoba, namarimbary gny vato teo amin'ny vavan'ny gny fantsaka, ka nampinondrano gnaondry aman'osin'i Labana, anadahin-dreniny. 11 Nagnoroky an'i Rahely i Jakoba ka nitagny mare. 12 Nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa longony babany ie, voho ie ro anakilahin'i Rebeka. La nilay Rahely ka nivola tamin'ny Babany. 13 Lafa ren'i Labana gny vaovao momba an'i Jakoba anakanabaviny, la nilay hitsena gnazy ie nandrakoky gnazy, nagnoroky gnazy, voho nanday gnazy an-tragno agny. Nambarany i Jakoba tamin'i Labana zay raha iaby zay. 14 La hoy Labana taminy: " Taolako voho nofoko vatany iha". La nijano tokony ho volaraiky taminy eo Jakoba. 15 Hoy ndraiky Labana taminy hoe: " Tokony hanompo gnahy amin'izao va iha fotony longoko? Volagno amiko, hotsino gny karamanao? 16 Ka nana anakampela roe Labana. Lea gnagnaran'ny gny zoky, Rahely koa gnagnaran'ny gny zainy. 17 Lea malemy fanenty, fa Rahely koa la soa vata ro soa tarehy. 18 Jakoba la tea an-dRahely,ka hoy ie Hoe: "Hanompo gnanao fito tao zaho hahazahoako an-dRahely, anakao faravavy anakao faravavy". 19 Hoy Labana: ' Soa vatany laha meako gnanao ie, toy zay hameako johary hafa. Mijanona miaraky amiko." Ka la nanompo fito tao Jakoba mba hahazahoany an-dRahely, ka manahaky gnandro vitsy ho gnazy, noho gny hateany gnazy 21 La hoy Jakoba taminy i Labana hoe: " Meo gnahy gny valiko, fa vita gny fe-potoa__mba hanambaliko gnazy!" . 22 La navorin'i Labana gnolo iaby an-tana eo ka nanao fisa. 23 Lafa nihariva, la nalan'i Labana i Lea anakampelany Lea nandesiny teo amin'i Jakoba, zay niara-niroro taminy. 24 Nagnomea an'i Zilpa mpanompo vaviny an'i Lea anakampelany, mba ho mpanompony i Labana. 25 Avy gny maray, la ingo, fa Lea ro teo! Hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: " Ino zao ataonao amiko zao? Tsy nanompo gnanao va zaho mba hahazahoako an-dRahely? Nagnino ro la mamitaky gnahy iha?" 26 Hoy Labana hoe: " Tsy lilinay gny magnomea gny zainy ampela alohan'ny gny zokiny. 27 Tanteraho gny volatantelin'itoy anakampela toy, la homeanay gnanao koa gny raiky mba hanompoanao gnahy fito tao ndraiky." 28 La nataon'i Jakoba zay ka nitanterahiny gny herignandron'i Lea. La namean'i Labana gnazy koa Rahely anakampelany mba ho valiny. 29 La namean'i Labana an'i Rahely anakampelany koa i Bila, mba ho mpanompony. 30 La nandry niaraky tamindRahely koa Jakoba, fa teany mihoatsy an'i Lea Rahely. La nanompo an'i Labana fito tao ndraiky Jakoba. 31 Hitan'i Yaveh fa tsy mba nitiany Lea, ka nampanagnanaky gnazy Ie, fa Rahely koa la tsy niteraky. 32 Niamiatroky Lea ka niteraky anakilahy ie, ka nataony hoe Robena gnagnarany. Fa hoy ie hoe: " Fotony fa nitsinjo gny fahoriako Yaveh; la ho tean'ny valiko vatany zaho zao". 33 La niamintroky ndraiky ie ka niteraky anakilahy. Hoy ie hoe: " Fotony fa ren'i Yaveh fa tsy mba tea zaho la zay ro nagnomezany gnahy toy aja toy," ka gnagnarany nataony hoe Simeona. 34 La niamitroky ndraiky ie ka niteraky anakilahy. Hoy ie hoe: " Henanizao kosa la hitikitsy amiko gny valiko, fotony fa niteraky anakilahy telo zaho ho gnazy." Zay ro nanaovany gnagnarany hoe Levy. 35 La niamitroky ndraiky ie ka niteraky anakilahy. Hoy ie hoe: " Henanizao la handrengy an'i Yaveh zaho." Zay ro nanaovany gnagnarany hoe Joda; la nitampitsy anaky ie.