Toko faha 28

1 Ka Isaka nikaiky an'i Jakoba, nitso-drano gnazy, voho namepetsy gnazy gnazy hoe: " Tsy mahazo mangalaky valy amin'ireo ampela Kananita iha. 2 Mitsangana, ka mandehana agny Padana-Arama, ho agny amin'ny taranak'i Betoela raen-Dreninao, ka mangala valy any, raiky amin'ireo anakampelany Labana anadahin-dreninao. 3 Ndranagnahary tsitoha anie hitahy gnanao hampamokatsy anao ka hahamaro gnanao, mba hahavy gnanao ho firenena maro. 4 Hameany gnanao anie gny tso-dranon'i Abrahama, ho gnanao, voho an'ireo avorohota mandimby gnanao, mba handovanao gny tany zay fa nanegnanao, zay nomean'ny Ndranagnaharin' i Abrahama." 5 Ka Isaka nampandeha an'i Jakoba. Nagnagny Padana-Arama i Jakoba, ho agny amin'i Labana anak'i Betoela Syriana, anadahin'i Rebeka, renin'i Jakoba voho Esao. 6 Ka hitan'i Esao fa nitsofin'Isaka rano Jakoba ka nampolieny tagny Padana-Arama, mba hangalaky valy bakagny. Nahita avao koa ie fa nitso-drano voho nagnomea ina gnazy i Isaka, nanao hoe: " Tsy mahazo mangalaky valy fa nankato gny Raeny voho gny Reniny Jakoba, ka nandeha tagny Padana-Asama. 8 Ka hitan'i Esao fa tsy nankasitraky reo ampela bakagny Kanana Isaka Raeny. 9 Koa ankoatsy ny reo valy fa nanagnany, la roso ie nagnagny amin'Ismaela, ka nangalaky an'i Mahalota, anakampelan' Ismaela, anak'i Abrahama, anabavin'i Nebaiota mba ho valiny. 10 Niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nagnagny Harana. 11 Ka niavy teo amin'ny gny toera raiky ie ka nijano teo nandritsy gny matognaly tantolo, fotony fa tsofotsy gnandro. Nangalaky raiky tamin'ireo vato teo amin'io toera io ie, nametraky an'izay tao agnabony gny lohany, la nantselagny teo amin'io toera io mba hiroro. 12 Nagnonofy ie ka nahita tohatsy miory tamin'ny gny tany. Hatra andagnitsy egny gny tendrony ka miakatsy voho nijotso tamin'izay reo anjelin-Dranagnahary. 13 Ingo, Yaveh nitsanga teo agnabon'izay ka nanao hoe: " Izaho ro Yaveh Ndranagnaharin'i Abrahama Raenao, voho Ndranagnaharin'i Isaka. Gny tany zay handreanao io, la hameko gnanao voho gny avorohotanao. 14 Hanahaky gny lemboky amin'ny gny tany gny avorohotanao, ka hiely lavitsy andrefa, ka hatsagny antignana, hatragny avaratsy, voho, hatragny antimo. Amin'ny gnalalanao voho amin'ny gny alalan'ireo avorohotanao ro hitahia reo hasaveregna eto an-tany iaby. 15 Ingo, momba gnanao zaho ka hiaro gnanao na aia na aia handehananao. Handay gnanao amin'ny toy tany toy ndraiky Zaho; fa tsy hagnenga gnanao Zaho. Hataoko iaby zay nampitamaniko gnanao." 16 Nifoha tamin'ny gny torimasony Jakoba, ka hoy ie hoe: " Azo antoky fa eto amin'ny toy toera toy Yaveh, fa zaho ro tsy mahay. 17 Natahotsy ie ka nanao hoe: " La vatany mampatahotsy toy toera toy! Tsy ino fa tragnon-Dranagnahary toy. Toy ro vavahadin'ny lagnitsy. 18 Nifoha maray Jakoba la nangalaky gny vato zay napetrany tao agnabony gny lohany .Nataony ho tsangam-bato io ka nandrarahany soliky teo an-tampon'io . 19 Ka la nataony hoe Betela gnagnaran'io toera io, fa gnagnaran'io tana io tamin'ny gny voalohany 20 Ka nanao voady Jakoba, nanao hoe: Laha homba voho hiaro gnahy amin'ny toy lala zay andehanako toy Ndranagnahary, ka hagnomea gnahy mofo hohany, voho akanjo hisikina, 21 mba hahafahako mimpoly soa aman-tsara an-tragnon-drako, la Yaveh ro ho Ndranagnahariko. 22 Ka hanjary vato masy toy vato zay naoriko ho tsangam-bato toy. Amin'izay iaby ameonao gnahy,la hampoliko aminao vatany gnampahafolony."