Toko faha 27

1 Lafa antitsy Isaka ka nijiky gny fijeriny la tsy nahajery ie,ka nampikaiky gnan'i Esao,anany talagnolo Ie,ka nisafa taminy hoe:"Anako".Ka hoy ie hoe:"Intoy zaho" 2 Ka hoy ie hoe "Janjigno soa,fa antitsy zaho.Tsy haiko gnandro hifatezako . 3 Noho ny zay rambeso reto fitaovam-pialianao,gny kititsinao voho gny balakititsinao,ka mandena am-baibo ka mila biby ho gnahy. 4 Iketreho hany matsiro,amin'ny gny tena teako zaho, ka andeso agnamiko atoy hahafahako mihina azy voho hagnomezako tsipirano gnanao alohan'ny hahafatezako." 5 Ka janjin'i Rebeka zay lafa nireky tamin'i Esao anakilahiny i Isaka.Nagnambaibo agny i Esao mba hila biby ka handay holy. 6 Nirehaky tamin'i Jakoba anany i Rebeka ka nanao hoe:"Janjigno soa,reko Babanao nirehaky tamin'i Esao rahalahinao.Hoy ie hoe:" 7 Angandeso haza zaho ka agnamboaro hany matsiro,mba hahafahako mihina an'izay voho hagnomezako tsipirano gnanao eo agnatrehan'i Yaveh alohan'ny gny hahafatezako." 8 Ka noho zay ,anako la ankatoavo gny volako mnahaky gny nagninako gnanao. 9 Mandena magnagny amin'ny gnaondry voho aosy, ka angalao anak'osy roe soa zaho, la hanao hany matsiro amin'ireo ho an'ny Babanao zaho, manahaky gny teany. 10 Ka handesinao amin'ny Babanao agny zay, mba hahafahany mihina an'izay, ka hagnomezany tso-drano anao mialohan-gny hahafatezany." 11 Nivola tamin'i Rebeka reniby Jakoba hoe: " Enteo, Esao rahalahiko lehihy voloe, fa zaho koa la johary malama holitsy. Mety hitsapa gnahy Babako, la ho hainy fa mamitaky gnazy zaho. 12 Handay hazo amin'ny gny vatako zaho fa tsy tso-drano 13 Hoy gny reniny tagnaminy hoe: " Anaky, aleo Babanao hagnozo gnahy. Araho avao gny volako, ka mandehana andeso amiko atoy reo" 14 Ka nandeha nangalaky reo anakaosy i Jakoba ka nanday an'ireo tamindreniny agny. Ka nnanao hany matsiro gny reniny, araky hitiavan'ny Babany gnazy. 15 Nalan'i Rebeka gny fisikinan'i Esao soa mare, anany talagnolo, zay niaraky taminy tantragno ao, ka nampisikininy an'i Jakoba, zay anany faralahy. 16 Napetrany amin'ny gny tagnany voho gny faritsy madoso amin'ny gny vozony gny angozin'ireo anak'osy. 17 Napetrany tegny antagnan'i Jakoba anany gny hany matsiro voho gny mofo zay fa kinarakarany. 18 Nandeha amin'ny Babany agny i Jakoba ka nanao hoe: " Baba! Hoy ie hoe: Intoy zaho, ia moa iha, anaky? 19 Hoy Jakoba taminy Babany hoe: " Esao gny talagnolonao; fa vitako gny nampanaovinao gnahy. Mipetraha ka mihinana gny hazako, mba hitsofanao rano gnahy. 20 Hoy Isaka tamin'ny gnanakilahiny hoe: " Nanao akory gny nataonao nahitanao anizao tsy niela anaky?" Hoy ie hoe: " Fotony Yaveh Ndranagnaharinao ro nanday an'izay tamiko". 21 La hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: " Miharinea agnilako eto mba hahafahako mitsapa gnanao, anako, ka hahaizako laha tena Esao anako vatany iha na tsy ie. 22 Nankariniky an'i Isaka Babany Jakoba; ka nitsapa gnazy Isaka nanao hoe: " Gny feo la gny feon'i Jakoba, fa reo tagna koa la an'i Esao". 23 Tsy nahay gnazy Isaka, fotony voloe gny tagnany, manahaky gny tagnanan'i Esao rahalahiny, ka la nitso-drano gnazy Isaka. 24 Hoy ie hoe: " Esao vatany va iha io?" Namaly ie hoe: " Ie vatany zaho". 25 Hoy Isaka hoe: " Aroso amiko eto gny hany fa hohaniko gny hazanao, mba hahafahako mitso-drano gnanao," Handesin'i Jakoba tegny aminy gny hany. La mihina Isaka, ka nagnandesan'i Jakoba divay ie, ka nino. 26 Bakeo la hoy Isaka taminy hoe: " Miharinea gnahy mariniky ka orofo zaho, anaky." 27 Nankarikitsy i Jakoba ka nagnoroky gnazy, ka nagnimbo gny imbon'ireo akanjony ie ka nitso-drano gnazy. Hoy ie hoe: " Ingo gnimbon'ny gnanako la manahaky gny imbon'ny baibo zay notahin'i Yaveh. Ndranagnahary anie hagnomea gnanao anjara amin'ny gny andon'ny gny lagnitsy, anjara amin'ny gny tsiron'ny gny tany, voho voa noho divay vaovao maro. 29 Hanompo gnanao anie reo olo voho hiankohoky eo agnatrehanao reo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao iha, ka hiankohoky eo agnatrehana anie reo anakin'gny reninao. Ho voahozo anie reo iaby zay nagnozo gnanao; ka ho tahy anie reo zay iaby nitso-drano gnanao." 30 Vatany vao baky nitso-drano an'i Jakoba i Esao, ka iboaky tamin-tahotsy niala teo amin'ny fagnatrehan'ny Babany i Jakoba, ka nimpoly baky nihaza i Esao rahalahiny. 31 Nanao hany matsiro avao koa ie ka nanday an'izay tamin'ny Babany agny. Hoy ie tamin'ny Babany hoe: " Baba, mifohaza ka homana amin'ireto hazon'ny gnanakao reto, mba hahafahanao mitso-drano gnahy." 32 Hoy Isaka rany taminy hoe: " Fa ia iha?" Anakao zaho, anakao talagnolo, Esao". 33 Nangitikitiky mare Isaka ka nanao hoe: " Fa ia ro nihaza gn'aosy ka nanday tamiko? Nihaimiko iaby zay mialohan'ny gny niavianao, ka fa nitso-drano gnazy zaho. La ho tahy vatany ie. 34 Lafa nahare reo volan'ny Babany i Esao, la nitagny, ka nivola tamin'ny Babany hoe: " Tsofo rano avao koa zaho Baba." 35 Hoy Isaka hoe: " Gny rahalahinao ro fa niavy teto namitaky gnahy ka nangalaky gny tso-dranonao. 36 Hoy Esao hoe: Tsy ie va gnatao hoe Jakoba? Fa ie la fa namitaky gnahy indroe. Fa nalany gny maha-talagnolo gnahy, ka zao la mbo nalany koa gny tso-drano tokony ho gnahy." Hoy ie bakeo hoe: " Tsy misy tso-drano fa voatokanao ho gnahy va? 37 Namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: " Ingo, fa voahosotsy ho tompon'ireo ie voho fa natolotso ho mpanompony reo rahalahiny, voho fa nameako gnazy gny voa voho gny divay vaovao. Ino ro mbo afaky ataoko ho gnanao anako? 38 Hoy Esao tamin'ny Babany hoe: " Tsy mba mana tso-drano na la raiky ho gnahy va iha, Baba? Tsofy rano avao koa zaho, Baba." Nitomany mare Esao. 39 Namaly Isaka raeny ka nanao hoe: " Ingo zay misy gnanao la lavitsy gny tany lonaky, lavitsy gny gnandon'ny gny lagnitsy agnabo. 40 Amin'ny gnalalan'ny sabatsao ro hivelomanao, ka hanompo gny rahalahinao iha. Fa lafa mitoto iha, la hangalaky gny vatanao amin'ny gny fitondrany." 41 Namaly an'i Jakoba i Esao nohon'ny gny tso-drano zay namean'ny raeny gnazy. Nivola tao ampony Esao hoe: " Mariniky reo andro fiajea gny raeko; afaran'izay la ho vonoeko Jakoba rahalahiko." 42 Reo volan'i Esao anany talagnolo la nitataragniny tagny amin'i Rebeka. Ka nandeha voho nampikaiky an'i Jakoba anany faralahy ie ka nanao hoe: " Ingo, Esao rahalahinao la magnaritsy gny vatany amin'ny fikasany hamamo gnanao. 43 Ka noho ny zay, araho gny volako ka manodosira agny amin'i Labana, anadahiko, ao Harana. 44 Mijanogna miaraky aminy fotoa fohy, mandra-pihenan'ny gny siaky gny rahalahinao, 45 mandra-pahafaky gny helodrahalahinao gnanao, ka hagnalignosany zay nataonao taminy. Bakeo voho hampangalaky gnanao agny zaho. Ataoko akory gny hamoe anareo roe agnatin'ny ndraiky andro? 46 Hoy Rebeka tamin'i Isaka hoe: " Masiaky mare zaho noho reo anakam-pelan'i Hetita. Laha mangalaky valy raiky amin'ireo anakam-pelan'i Hetita i Jakoba, manahaky rey ampela mipetraky amin'io tany io rey, ka ino soa ho gnahy amin'ny fiaignako?"