Toko faha 26

1 Ka misy mosary nitranga tamin-gny tany io, ankohatsy gny niseho voalohany tamin-gny gnandron'i Abrahama. Nagnagny amin'i Abimeleka, mpanjakan-gny Filistiana tagny Gerara i Isaka. 2 Ka niboaky tagnaminy Yaveh ka nivola hoe: " Kamijotso agny Egypta iha, mitoera amin-gny tany zay vinolako gnanao. 3 Mijanogna amin'io tany io, homba voho hitahy gnanao zaho; fa ho gnanao voho an'ireo avorohotanao, ro hagnomezako reo tany iaby reo, ka ho tanterahiko gny fifagnenkegna zay nenkegniko tamin'i Abrahama babanao. 4 Hampitomboako manahaky reo basian-gny lagnitsy reo avorohotanao, ka homeko reo avorohotanao reo tany iaby reo. Bakamin'ireo avorohotanao ro hitahia reo firenena iaby eto an-tany. 5 Hataoko zay, gnantony Abrahama la mankato gny feoko voho nagnaraky reo toro-lalako, reo didiko, reo fagnambarako voho reo lalagnako." 6 Ka la nagnorim-petraky tagny Gerara i Isaka. 7 Laha nagnontany gnazy momban-gny valiny reo johary teo an-tana, la hoy ie hoe: " Anabaviko ie." Natahotsy ie hivola hoe: " Valiko ie", Fotony nieritseritsy ie hoe: Hamono gnahy reto johary an-tana eto reto mba hahazahoany gnan'i Rebeka, fotony ampelasoa vatany ie." 8 Lafa nipetraky ela tao Isaka, la nisy fotoa Abimeleka mpanjakan'i Filistiny mijilo teo ambaravarakely. Ingo, hitany i Isaka nanafosafo an'i Rebeka, valiny. 9 Nampikaiky gnan'i Isaka Abimeleka ka nivola hoe: " Hita vatany fa valinao ie.Nagnino iha ro nivola hoe: " Anabaviko ie?" Hoy Isaka taminy hoe: " Fotny nihevitsy zaho la hovonoan-gny gnolo zaho mba hahazahoany gnazy." 10 Hoy Abimeleka hoe: " Fa ino zao ataonao gnanay zao? Mety fa nisy olo raiky tamin'ireo olo nisondry miroro mora tamin-gny valinao, ka la nanday heloky aminay eto iha". 11 Ka la namepepetsy gnolo iaby Abimeleka ka nivola hoe: " Na ia na ia mikasiky io johary io na gny valiny la azo antoky fa tena hovonoe vatany. 12 Namboly tabiry tamin'io tany io Isaka ka nahavokatsy avo zato heny tamin'io tany io avao, fotony nitahy gnazy Yaveh. 13 Nanjary nanan-kanagna ralehilahy, ka nitombo avao zay mandra-pahavy gnazy ho mpanan-kanagna be. 14 Nanagnaondry voho aomby voho vavea maro ie. Nalay gnazy reo Filistina. 15 Ka reo fantsaka iaby zay hihalin'ireo mpanompon-gny babany amin-gny gnandron'i Abrahama Babany, la najanon'ireo Filistina tamin-gny fandembefa tany zay. 16 Hoy Abimeleka tamin'i Isaka hoe: " Miala lavitsy gnanay, fotony mahery lavitsy noho rahay iha. 17 Ka la miala teo Isaka ka nagnorimpetraky tagny ambaibon'i Gerara, ka nipetraky tagny. 18 Nampolin' Isaka hinaly ndraiky reo vovon-drano, zay fa voahaly tamin-gny gnandron' Abrahama Babany. Zay fa vinonon'ireo Filistina tafaran-gny nahafaty an'i Abrahama. Reo vovon-drano reo la nataon'i Isaka manahaky zay fa nikehin-gny Babany gnazy avao. 19 Lafa nandavaky tegny ambaibo gny mpanompon'i Isaka, la nahita loharano volo tegny rozy. 20 Nifanditsy tamin-gny mpiarak'andron'i Isaka reo mpiarak'andro tao Gerara, ka nivola hoe: " Gnanay io rano io". Ka la nataon'i Isaka hoe: " Eseka" lay vovon-drano io fotony nifandiran-drozy. 21 Ka la nihaly vovon-drano hafa ndraiky rozy, ka la mbo nifandiran-drozy koa, ka la nataony hoe: " Sitna" zay. 22 Nienga teo ie ka la mbo nihaly vovon-drano hafa, fe tsy mba nifandiran-drozy zay. Ka nataony hoe: " Rehobota" zay, ka hoy ie hoe: " Amin'izao fa nagnamboatsy tana ho antsika Yaveh, ka ho tahiny eo amin'io tany io tsika. 23 La niakatsy bakagny Isaka ka nagnagny Beri-sheba. 24 Niseho taminy i Yaveh tamin'io matognaly io ka nivola hoe: " Zaho ro Ndranagnaharin'i Abrahama Babanao. Ka matahotsy, fa homba voho hitahy gnanao Zaho hampitombo reo avorohotanao, noho gny agnamin'i Abrahama mpanompoko". 25 Nagnary alitara teo Isaka ka nikaiky gnagnararan'i Yaveh. Teo ro nagnoregnany gny lainy, ka nihaly vovo reo mpanompony. 26 Bakeo Abimeleka niala tao Gerara ho aminy agny, niaraky tamin'i Ahozata, namany, voho Pikola lehiben-gny tafiny. 27 Hoy Isaka tamin-drozy hoe: " Nagnino nareo ro magnamiko atoy, nefa nalay gnahy voho nandroaky gnahy bakaminareo agny. 28 `Bakeo hoy rozy hoe: " Hitanay soa zao fa nomba gnanao Yaveh, ka la nanampakevitsy rahay fa tokony hisy fifagnenkegna eo amintsika, eka, aminay voho aminao. Aoky rahay hanao fifagnenkegna, 29 fa tsy hanao ratyiha, manahaky gny tsy nanaovanay raty taminao, voho manahaky gny fomba soa nagnandesanay gnanao ka nandefasanay gnanao ampilamina. Voatahin'i Yaveh vatany iha. 30 Ka nla nanao hany be ho an-drozy Isaka, ka nihina voho nino rozy. 31 Nifoha maraim-be rozy ka nifagnenky. Bakeo la nalefan'i Isaka nandeha rozy, ka nienga gnazy ampilamina rozy. 32 Tamin'andro io avao la nisiziky reo mpanompon'i Isaka ka nivola taminy momba gny vovon-drano zay hinalindrozy. Hoy rozy hoe: " Fa nahita rano rahay." 33 Nataony hoe Sheba vovon-drano io, ka gnagnaran'io tana io la Beri-sheba mandrak'androany. 34 Lafa efapolo tao Esao, nangalabaly an'i Jodita anakampelan'i Bery Hetita, voho Base4mata anakampelan'i Eloma Hetita. 35 Nampanday fahoria an'i Isaka voho Rebeka rozy.