Toko faha 25

1 Mangalajy valy hafa Abrahama; Ketora gnagnarany. 2 Niteraky gnan'i Zarmana, Joksana, Midiana, 3 Jisbaka, voho Soaha ie. Joksana niteraky gnan'i Sheba voho Dedana. Reo taranak'i Dedana la olo Asorima, olo Letosima, voho Leomima. 4 Elaha ro anakilahin'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida, voho Eldaha. Reo iaby reo ro taranak'i Ketora. 5 Namean'i Abrahama an'Isaka zay nanagnany iaby. 6 Fa fahaky gny fahavelony, la nagnomea fagnomeza an'ireo anaky gny vaditsindranolahiny ka nandefa gnazy reo tagny amin-gny gny tany antignana lavitsy an'Isaka anany. 7 Gnandro niaignan'i Abrahama la175 tao. 8 Niala ay Abrahama ka maty tsatsy antitsy, johary zokiolo voky andro, ka la navory ho agny amin'ireo olony ie. 9 Isaka voho Ismaela, anany lahy, ro nandevy gnazy tao amin-gny gny lava-baton'i Makpela, tao amin-gny baibon'i Efrona anak'i Zohara Hetita, zay eo agnilan-gny Marme. 10 Vinilin'i Abrahama tamin'ireo anakilahin'i Heta zay baibo zay. Nalevy tagny nisondry tagnamin'i Saraha valiny i Abrahama. 11 Tafaran-gny nahafaty gnan'i Abrahama, la nitahy gnan'i Isaka anakilahiny Ndranagnahary, ka nagnorin-tana narikitsy gnan'i Bera-lahai-roy. 12 Sady reto gny taranak'i Isamoela, anak'i Abrahama, zay naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tamin'i Abrahama. 13 Reto gnagnaran-gny anak'Ismaela, araky gny filaharany gny fahanterany: Nabaiota__zay talagnolon' Ismaela, Kedara, Adbela. 14 Mibsama, Masma, Doma, Masa, 15 Hadada, Tema, Jetora, Nalisy voho Kedma. 16 Reo iaby gnanakilahin'i Ismaela, ka reo gnagnaran-drozy, araky gny tanany, voho gny toby misy an-drozy; mpanjaka lahy foloroamby araky gny fokon-drozy. 17 137 tao gnandro niaignan'i Ismaela, niala ay ie ka maty, ka navory ho agny amin'ireo olony ie. 18 Nipetraky tagny Havila ka hatragny Sova rozy, zay narikitsy an'i Egypta, gny raiky zaynagnagny Asyria. Niay tamin-gny fifagnaboka rozy reo. 19 Reto iaby gny raha nahakasiky an'i Isaka, anakilahin'i Abrahama: Nanjary baban'Isaka i Abrahama. 20 Efapolo tao Isaka ao nangalaky valy an'i Rebeka ie, zay anakampelan'i Betoela zay Syrian'i Padan-Arama, zay anabavin'i Bababa syriana. 21 Nivavaky tamin'i Yaveh ho an'i valiny i Isaka fotony tsy niteraky ie, ka namaly gny vavaky nataony Yaveh, ka niamintroky i Rebeka. 22 Nialy reo aja tantrony ao, ka mivola ie hoe: " Nagnino zao ro miseho amiko? Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba zany ie. 23 Nivola taminy Yaveh hoe: " Firenena roe gnantrokao ao, ka vahoaky roe ro sarahy bakagnatinao ao. Gny vahoaky raiky la henjahenja vatany noho gny hafa, ka gny zokiny la hanompo gny zainy". 24 Lafa avy gny fotoa hahaterahany, la ingo, misy kamba roe tantrony ao. 25 Naboaky gny aja voalohany la mena tanteraky manahaky gny siky voloe. Esao ro nikehandrozy gnazy. 26 Tafaran'izay, la niboaky gny rahalahiny.. Nitanjaky gny lelatombokin'i Esao gny tagnany, Jakoba ro nikeha gnazy. Enipolo tao Isaka vao niteraky gnazy reo gny valiny. 27 Nitombo aja reo, ka nanjary mpihaza mahay Esao, johary tambanivohitsy; Kanefa Jakoba la johary tsy be rehaky, zay nandany gny fotoany tao an-day. 28 Ka la Esao ro tean'i Isaka fotony nihinana reo bitsy zay voahazany ie, ka i Jakoba koa ro tean'i Rebeka. 29 Ka niketsiky hany i Jakoba. La niavy tambaibo agny Esao, ka nalemin-gny mosary ie. 30 Hoy Esao tamin'i Jakoba hoe: " Engao zaho hihina amin'itoy hany toy. Misoloho lahy, la valaky loatsy zaho!" Zay gnantony nanaova gnagnarany hoe Edoma. 31 Nivola i Jakoba hoe: Avilio amiko aloha gny fizokianao." 32 Ka hoy Esao hoe: " Enteo fa ho maty zaho. Ino gny soa azoko bakamin-gny fizokia?" 33 Ka nivola Jakoba hoe: " Mifagnenkena amiko aloha", Ka mifagnenty taminy i Esao ka tamin'izay la namarotsy gny fizokiany tamin'i Jakoba ie. 34 Namean'i Jakoba mofo voho hany vita amin-gny voagnemba i Esao. Nihina voho nino ie, ka bakeo la nitsanga ka nandeha. Tamin'izay fomba zay ro nanaovan'i Esao tsinotsino gny fizokiany.