Toko faha 24

1 Ka la vatany fa antitsy tokoa Abrahama ka notahin'i Ndranagnahary tagnamin'y raha iaby. 2 Hoy Abrahama tmin'ny mpanompony,ze zokiny mare teo amin'ny hasaveregnany ka nandidy teo amin'ny ze nanagnany iaby hoe:"Apetaho ambanin'ny gny fotrognako gny tagnanao 3 ka hampifantako amin'i Yaveh,Andrianagnaharin'ny lagnitsy voho Andrianagnaharin'ny tany iha,mba tsy hangalaky valy ho gnan'ny gnanakilahiko bakagnamin'ny reo anak'ampelan'ny Kananita,eo amon'ny reo ze hananganako gny tragnoko . 4 Fa handeha ho agny amin'ny fireneko iha,agny ami-gny longoko,ka hangalaky valy ho gnan'ny anakilahiko." 5 Hoy mponompo igny tagnaminy hoe:"Manao akory laha tsy mahefa handeha hagnaraky gnahy ho atoy amy tany toy ampela zay?Tsy maintsy handay gnanakao himpoly agny amin'ny tany niboahanao va zaho?" 6 La hoy Abrahama tagnaminy hoe:"Magnomeza toky gny tsy hagnandesanao gnanakilahiko himpoly agny ! 7 Yaveh,Andrianagnaharin'ny gny lagnitsy,zay nangalaky gnahy bakan-tragnon'ny babako voho bakamin'ny tanin'ny gny longoko,sady nampagnantegna gnahy tamin'ny fifanta mangotrakotraky nivola hoe:'Ameako ho gnan'ny gny havorohotanao intoy tany toy ,'Ie ro hagniraky gnanjeliny hialoha gnanao,ka hahita valy ho gnan'i gnanako agny iha. 8 Ka laha tsy mahefa hangaraky gnanao ampela zay,la ho afaky ami-gny fifantako iha.Tsy tokony handay gnanako mimpoly agny avao iha." 9 Ka nametaky gny tagnany tambanin'ny fotrognan'i Abrahama tompony gny mponompony, ka nifanta mikasiky zay raha zay. 10 Nangalaky rameva folo tamin'ny tompony gny mpanompo ka nandeha.Nanday reo karaza-pagnomeza iaby bakamin'ny tompony avao koa ie.Niala ie ka nandeha tagny amin'ny faritr'i Arama Naharaima,tagny amin'ny tanan'i Nahora. 11 nasany nifitaky tegny ambaliky tana tagnilan'ny fantsaka rano gny rameva.Hariva tamizay,fotoa fiboahan'ny gnampela hatsaka rano. 12 Hoy ie bakeo hoe:"Yaveh,Andrianagnaharin'i Abrahama tompoko,Ameo gnahy amizao gny fitahia ka atoro gny tsy fivaliham-pagnekea amin'i Abrahama tompoko. 13 Ingo,intoy zaho mintsaka eto agnilan'ny loharano,ka miboaky mba hangalaky rano reo anak'ampelan'ny gnolon'ny tana. 14 Aoky ho tanteraky manahak'izao zany.Lafa mivola amin'ny ampela raiky zaho hoe:"Mba ajotso lahy gny sihoanao mba hinomako,'ka mivola agnamiko ie hoe:"minoma,sady hameako rano avao gny ramevanao,'la aoky ho ie ro raiky hameanao gnan'i Isaka mpanomponao.Amizay ro hahitako fa hagnatoro tsy fivadiham-panekea tamin'i tompoko Iha." 15 Laha mbo tsy vita gny resany,la ingo,niboaka niaraky tamin'ny sihoan-dranony tan-tsorony teo i Rebeka.Rebeka la naterak'i Betoela,anakilahin'i Milka,valin'i Nahora,rahalahin'i Abrahama. 16 Ampelasoa vatany ampela io voho virijiny.Tsy mbo nisy johary nandry tagnaminy.Nandeha nijotso tamin'ny loharano ie ka nagnatriky gny sihoany,ka niranga. 17 Ka nilailay mba hifankahita agnaminy gny mpanompo ka nivola hoe:"Mba ameo rano tseky hinomiko amin'ny sihoanao lahy zaho." 18 Hoy ie hoe:"Minoma,tompoko,sady najotsony malaky tamin'ny tagnany gny sihoa,ka nameany rano ie. 19 Lafa baka nagnome rano hinominy ie la nivola hoe,:"Hangalako rano avao koa reo ramevanao,zisiky hahaentraky an-drozy." 20 Ka la nailiny malaky sady niritiny gny rano tangnatin'ny sihoa ho amin'ny koveta finoman-drano,ka nimpoly nilailay nagnegny amy fantsaka mba hangalaky rano ie,ka nangalaky rano ho gnan'ireo ramevany iaby. 21 Nametsivetsy gnazy am-po gny johary mba hahitany laha nitahian Yaveh gny liany na tsy nitahiany. 22 Lafa baka ninon-drano reo rameva reo,la nampiboaky kiviro angnoro volamena milanja anbakimira sekely,voho ravaky volamena roe fatao amy tagna milanja folo sekely gny johary, 23 ka nagnontany hoe:"Anak'ampelan'ia moa iha?Mba volagno gnahy,misy efitry mba hiroroakova an-tragnon'ny babanao ao?" 24 Hoy ie tagnaminy hoe:"Anak'ampelani Betoela anakilahin'i Milka,zay naterany tamin'i Nahora zaho." 25 La hoy avao koa ie hoe:"Sady mana tsantsango voho akata maro avao koa rahay,voho toera ho gnanareo mba hiroroanareo." 26 Bakeo la nandohaliky johary igny ka nitsaoky gnan'i Yaveh. 27 Hoy ie hoe:"Ho rengea lahy Yaveh,Andrianagnaharin'i Abrahama tompoko,zay tsy nahafoy gny tsy fivaliham-pagnekeany voho gny fahamedreham-pitokiany nagnatriky gny tompoko.Laha gny agnamiko,la nandesin'i Yaveh mivanta tan-tragnon'ny longon'ny tompoko zaho." 28 Bakeo nilay ampela igny ka nitantara tami-gny longon-dreniny tagny mikasiky zay raha iaby zay. 29 Ka nana anadahy i Rebeka,Labana ro agnarany.Nilay nagneny amy johary igny egny zay tan-dala abaliky agny , tagnilan'ny fantsaka teo i Labana. 30 Lafa nahita gny kiviro angnoro voho ravaky tamy tangnan'ny anabaviny ie,ka lafa nahare gny volan'i Rebeka anabaviny hoe:"Zao ro nivolagnin'ny johary io tagnamiko,"la agnany amy johary io ie,ka ingo,nintsanga niaraky tamy reo rameva tangnilan'ny fantsaka teo ie. 31 La hoy Labana hoe:"Avia,iha voatahin'i Iaveh.Nagnino iha ro mintsanga am-baliky agny?Fa nagnoma gny tragno,sady gny toeran'ireo ramevanao koa zaho." 32 Ka la nilitsy tagnaty tragno johary igny sady nampijotsy gny entany tamy rameva rey teo ie.Namea tsantsango voho akata rameva reo,sady nisy rano natao hanasa gny tombony voho gny tobokin'ny gny johary nisondry agnaminy. 33 Nandroso sakafo tagnatrehany ho hany rozy,kanefa hoy ie hoe:"Tsy hihina zaho laha tsy fa voavolako ze tokony ho volaniko."Ka la hoy Labana hoe:"Volagno moa." 34 Hoy ie hoe:"Mpanompon'i Abrahama zaho. 35 Nitahy gnazy vatany Yaveh ka lasa olo mpagnarivo ie.Nagnome gnazy aondry voho aosy voho aomby,volafotsy voho volamena,mpanompo johary voho mpanompo ampela,sady rameva voho boriky Ie. 36 Saraha,valin'ny tompoko,la niteraky aja johary ho gnan'i tompoko tamin'ny niterahany,ka nagnome gnazy iaby gny raha anagnany iaby. 37 Nampifantan'ny gny tompoko zaho,tamy nivolagnany hoe:"Iha tsy mahazo mila valy ho gnan'ny anakilahiko ami-reo anak'ampelan'ny Kananita,zay nipetrahako gny taniny. 38 Fa koa,tsy maintsy mandeha agnany amin'ny longon'ny babako iha,ka la agny amin'ireo longoko,ka hangalaky valy ho gnan'ny gnanako. 39 Hoy zaho tamin'ny tompoko hoe:"Mety tsy hahefa hagnaraky gnahy ampela zay. 40 Fa hoy koa ie tagnamiko hoe:"ze andehanako,la hagniraky anjely hisondry agnaminao sady hitahy gny lalanao ie,mba hahazoanao valy ho gnan'ny gnanakilahiko agny ami-gny longoko bakamin'ny tarihan'ny babako. 41 Kanefa ho afaky ami-gny fifantako iha laha magnany ami-reo longoko ka tsy hagnome gnazy ho gnanao rozy.La ho afaky amin'ny fifantako iha." 42 Ka la avy teo amy vavarano zaho nandroany,ka nivola hoe:"Yaveh o,Andrianagnaharin'i Abrahama tompoko,aoky lahy,laha vatany manao ze hitahia gny liako vatany iha- 43 ingo zaho,mintsanga eto agnilan'ny vavarano-aoky ze ampela miboaky hantsaka rano,ze ampela hivolagnako hoe:"Mba ameo rano tseky ami-gny sihoanao lahy zaho mba hinomiko," 44 ze ampela mivola agnamiko hoe:"Minoma,sady hangala rano ho gnan'ny ramevanao avao koa zaho,"aoky ie ro ho ampela ze tininginao,Yaveh,ho gnan'ny gnanakilahin'ny tompoko." 45 Laha mbo tsy nahavita nivola am-poko tato zaho,la ingo,niboaky niaraky tami-gny dihoany tan-tsorony teo i Rebeka ka nandeha nijotso ho amy vavarano ie ka nantsaka rano.Ka hoy zaho taminy hoe:"Mba ameo rano lahy zaho." 46 Nampijotso masika gny sihoany bakan-tsorony ie ka nivola hoe:"Minoma,sady hagnome rano ho gnan'ny gny ramevanao avao koa zaho.Ka la nino zaho,sady nameany rano koa rameva reo. 47 Nangontany taminy zaho ka nivola hoe:"Anakin''ia moa iha?Hoy ie hoe:Anak'ampelan'i Betoela,anakilahin'i Nahora,zay naterak'i Milka taminy.La napetrako tami-gnorony gny kiviro voho tamigny tagnany reo ravaky. 48 Bakeo zaho niankohoky ka nidera gnan'i Yaveh, lay Ndranagnahary gny tompoko, zay nanday gnahy tamin'ny lalagna to mba hahita gny anak'ampelan'ny havan'ny tompoko ho an'ny anaky johary. 49 Ka henanizao. laha vonona gny handay gny tompoko amin'ny fitokiam-pianakavia vo fahamendreham-pitoki nareo, la ambarao agnamiko. Nefa lh tsy zay, la ambarao gnahy, mba hitolihako miankavia na miankavana." 50 Bakao Labana vo Betoela namaly ka nanao hoe: " Avy amin'i Yaveh zay raha zay; tsy afaky gny hivola agnaminao na raty na soa rahay. 51 Ingo, eo agnoloanao i Rebeka. Andeso ie sady mandehana, mba ho valin'ny anaky gny tomponao, araky gny norefafin'i Yaveh." 52 Lafa nahare gny nifan-drozy lay mpanompon'i Abrahama, la niankohoky tamin'ny tany teo amin'i Yaveh ie. 53 Nanday karazan-draha volafoty vo karazan-jaha volamena lay mpanompo, sady salotsy, ka nomeny ho an'i Rebeka reo. Nanolotra fagnomeza sarobidy ho an'ny anadahiny voho gny reniny avao koa ie. 54 Bakeo la nihina vo nino ie vo reo johary zay nisondry tagnaminy. Nipetraky tao nandritra gny haly rozy, sady lafa nifoha maraindray, la hoy ie hoe: " Alefaso agny amin'ny tompoko zaho." 55 Hoy gny anadahiny vo gny reniny hoe: " Engao mba hipetraky misondry agnaminay mandritra gny andro vitsivitsy gny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Afaran'izay la afaky mandeha ie." 56 Fa hoy ie tamin-drozy hoe: " Ka tandrahy zaho, fotony niaro gny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako zaho mba hafahako mandeha agny amin'ny tompoko." 57 Hoy rozy hoe: " Mikaiky gny tovovavy rahay sady hagnontany gnazy." 58 Ka la nikaiky gnan'i Rebeka rozy sady nagnotany tagnaminy hoe: " Handeha hisondry amin'io johary io va iha?" La namaly ie hoe: " Handeha zaho." 59 Ka la nalefan-drozy tamin'ny liany nisondry tamin'ny mpanompon'i Abrahama vo reo olo i Rebeka anabaviny, nisondry tamin'ny mpanompo ampelany. 60 Nitso-drano gnan'i Rebeka rozy,sady nisafa taminy hoe: " Ranabavy, ho ranin'ny aman'arivo vo aman'aly anie iha, sady ho tompon'ny vavahadin'ireo zay mankahala gnazy anie reo avorohotanao." 61 Bakeo nitsanga Rebeka, ka nitaigina gny rameva ie vo reo mpanompo ampelany, ary nanaraka lay johary. Ka nandesin'ilay mpanompo i Rebeka, sady roso tamin'ny lalany ie. 62 Sady nipetraky tagny Negeva Isaka, sady laha nimpoly bakagny Bera-lahai-roy. 63 Nandeha niboaky hariva mba hivavaky tagny am-baibo Isaka. Lafa niandrandra ie la nahita, indregny, nisy rameva bakao! 64 Nijilo Rebeka, sady lafa nahita an'i Isaka ie, la nitseka nagnambany bakeo amin'ny rameva. 65 Hoy ia tamin'ilay mpanompo hoe: " Ia igny johary avy hitsena antsika bakegny am-baibo igny?" Namaly lay mpanompo hoe: " Igny ro tompoko." Ka nalain'i Rebeka gny voaliny sady nosarognany gny tenany. 66 Nampimpoly nitantara tamin'Isaka gny raha iaby nataony lay mpanompo. 67 Sady nanday gnazy tao an-dain'i Saraha reniny i Isaka ka nangalaky gnan'i Rebeka, la lasa valiny ie, sady tiany. Ka nionona Isaka tafaran'ny fahafatesan-dreniny.