Toko faha 23

1 Nivelo zato noho ropolo fito amby tao i Saraha.Zay gny tao niveloman'i Sahara. 2 Saraha la maty tao Kiriata Arba,zany hoe,Hebrona,tao ami-gny tany Kanana.Nisaona voho nitagny gnan'i Saraha i Abrahama. 3 Bakeo la nintsagna ka niala bakeo ami-gny fatin'ny valiny,ka nivola tamy reo anakilahin'i Heta,nanao hoe:" 4 Vahiny agnaminareo eto zaho.Mba ameo toera fandevegna agnaminareo eto zaho,mba handevegnako gny faty ze gnahy." 5 Namaly gnan'i Abrahama reo anakilahin'i Heta,nanao hoe:" 6 Minjanjigna gnanay,tompoko.Andriam-bevata gnan'Andranagnahary eto agnaminay iha.Aveleno amy reo lolonay ze teanao mare gny fatin'ny valinao.Tsy misy ndra ia ndra ia agnaminay tsy hagneky gnanizay lolo zay ho gnanao,mba handevegnanao gny fatin'ny valinao." 7 Nitsanga Abrahama ka nandohaliky tagnamin'ireo olo tan-tana teo,tagnamin'ireo anaklahin'i Heta. 8 Nivola tagnamin-drozy ie,nanao hoe:"Laha magneky nareo fa tokony handevy gny fatin'ny gny valiko zaho,la njanjigno zaho ka isoloho i Efrona anakilahin'i Zohara,ho gnahy. 9 Angataho ie mba hamarotry agnamiko gny lava-baton'i Makpela,zay gnazy,agny ami-gny faran'ny baibony.Ami-gny viliny atriky la aoky ie hamarotsy zay agnamiko agnatrehan'ny gnolo maro manahaky gny fanagna ho toera fandevegna." 10 Ka Efrona nifitaky teo agnamin'i reo anakilahin'i Heta,sady Efrona azy Hetita namaly gnan'i Abrahama mba ho jan'ireo anakilahin'i Heta,voho reo iaby ze niavy teo amin'ny vavahadin'ny tanany,nanao hoe:" 11 Aha,tompoko,njanjigno zaho.Nagnome baibo gnanao zaho,voho lava-bato zay ao amin'izay.Nameako ho gnanao teo agnatrehan'ireo anakilahin'ny gnoloko zay.Omeako gnanao zay mba handevegnanao gny faty ze gnanao." 12 Bakeo Abrahama nampiakohoky gny vatany nagnatriky gny olo teo an-tana teo. 13 Nivola tagnamin'i Efrona ie mba ho jan'ny gnolo teo amin-tana teo,nanao hoe:"Kanefa laha mety minao,janjigno lahy zaho.Ho viliko gny baibo.Bambeso gny drala bakagnamiko,ka handevy gny faty ny gny valiko agny zaho." 14 Efrona namaly gnan'i Abrahama,nanao hoe: 15 "Aoky lahy,tompoko,minjanjigna gnahy lahy.Sekely volafotsy efajato ro mety viliny gnilan'ny tany raiky,ho ino agnamintsika voho iha moa zay?Aleveno gny fatin'ny valinao." 16 Ninjanjignin'i Abrahama i Efrona ka nilanjany ho gnan'i Efrona gny vesatrin'ny volafotsy zay nivolagniny mba ho jan'ireo anakilahin'i Heta,sekely volafotsy efajato,manahaky gny fandanja mahazatsy gny mpivaritsy. 17 Noho zay gny tanin'i Efrona,zay tao Makpela,teo agnilan'i Marme, zany hoe,baibo igny,azy lava-bato tao igny,voho reo hazo iaby teo ami-gny tany voho gny magnodidy gny sisiny,la lasan'i 18 Abrahama tamin'ny nivilianany gnazy teo agnatrehan'ireo anakilahin'i Heta,teo agnatrehan'ireo iaby ze niavy teo amin'ny vavahadin'ny tanany. 19 Tafaran'izay,la nandevy gnan'i Saraha valiny tao ami-lay lava-bato baibon'i Makpela i Abrahama,zay tagnilan'i Marme,atao hoe,Hebrona,tao amin'ny tany Kanana. 20 Noho zay gny saha voho lava-bato ao zay la lasa fanagnan'i abrahama ho toeram-pandevegna,zay la bakamin'ireo anakilahin'i Heta.