Toko faha 22

1 Ka tafaran'ny reo raha lako reo ro nitsapan'Andrianagnahary hevitsy gnan'i Abrahama.Hoy Ie tagnaminy hoe:"Ry Abrahama!"Hoy Abrahama hoe:"Intoy zaho." 2 Hoy Andrianagnahary bakeo hoe:"Alao gnanakilahinao,azy lahitokanao ,zay teanao,la Isaka,ka andeso agny amin'ny tany Moria.Atoloro agny manahaky gny fagnatitsy oroa egny agnambon'ny gny raiky amy reo vohitsy agny,ze ho volaniko gnanao ie. 3 Ka nifoha mangotignana Abrahama,nagnisy lasely gny borikiny ka nangalany mpamaraky roe hisondry agnaminy voho Isaka anakilahiny.Nitapahiny gny hazo ho amin'ny gny fagnatitsy oroa,bakeo la nanomboky gny liany ho agny amilay toera nivolagnin'i Andrianagnahary tagnaminy. 4 Tamin'ny gnandro fahatelo Abrahama la nila ka nahita gny toera baky lavitsy. 5 Hoy Abrahama tagnamy reo mpanompony hoe:"Minjanogna eto miaraky ami-gny boriky fa zaho noho aja johary io handeha ho egny.Hgnano fanompoa rahay la himpoly agnaminareo eto ndraiky." 6 Bakeo la nadramby gny hazo ho amin'ny gny fagnatitsy oroa Abrahama sady nametraky gnazy teo amin'ny Isaka anany.Nandesiny tagny an-tagnany gny bolo voho gny meso;ka la nisondry nandeha rozy reo. 7 Nivola tamin'i Abrahama babany Isaka hoe:"Babako,"ka hoy ie hoe:"Intoy zaho gnanako."Hoy ie hoe:"Henteo,ndreo gny bolo voho gny hazo fa aia gny aondry hatao fagnatitsy oroa?" 8 Hoy Abrahama hoe :"Andrianagnahary tokoa ro hagnome aondry hatao fagnatitsy oroa,gnanako."Ka la nisondry nandeha rozy roe. 9 Lafa niavy toe agnamin'ny toera zay novolagnin'Andrianagnahary igny rozy la nagnaboatsy alitara Abrahama ka nametraky gny hazo tagnabony teo.Bakeo la nandrohy gnan'i Isaka anany ie ka nametraky gnazy tagnabon'ny alitara,agnabon'ny gny hazo. 10 Nagnenja gny tagnany Abrahama ka nangalaky meso hamonoa gnanany. 11 Bakeo la nikaiky gnazy bakan-dagnitsy agny gny anjelin'i Yaveh ka nivola hoe:"Abrahama,Abrahama!"ka hoy ie hoe:"Intoy zaho." 12 Hoy ie hoe:"Ka magnenja gny tagnanao amin'ny aja johary io,na magnano raha hamery gnazy fotony haiko henanizao fa matahotsy gnan'i Andrianagnahary iha laha jery fa tsy nagnaro gnanakao johary,azy anakao toka,bakagnamiko iha." 13 Nitoliky Abrahama ka ingo nisy aondry lahy nikavitsy tamy reo kirihitsy reo gny tsifany.Nandeha Abrahama ka nangalaky gny aondry lahy ka nanao gnazy fagnatisty oroa ho solon'ny gnanany johary. 14 Ka la nikaihin'ny Abrahama hoe:"Yaveh ro hagnome"gny toera,sady nivolagniny zisiky zao andro zao hoe:"Egny amin'ny vohits'i Yaveh ro hagnomeza." 15 Nikaiky gnan'i Abrahama fagnindroany bakan-dagnitsy agny gny anjelin'i Yaveh 16 ka nivola hoe-zao ro fagnambaran'i Yaveh-ami-gny vatako ro nifantako fotony nahavita zay raha zay iha,ka tsy nagnaro gnanakilahinao,azy anaky tokanao igny, 17 hitahy gnanao vatany Zaho ka hampitombo mare gny havorohotanao manahaky gny kinta rey egny ami- gny lagnitsy voho manahaky gny fasiky agny amin'ny riaky;sady reo havorohotanao la ho tompon'ny vavahadiny reo rafi-drozy. 18 Reo firenena iaby eto agnambony gny tany la ho voatahy ami-gny alalan havorohotanao fotony nagneky gny feoko iha." 19 Noho zay la nimpoly teo agnamin'ny reo mpamarakiny i Abrahama,la niala rozy ka nandeha nisondry nagnany Beri-sheba,Ka nipetraky tao Beri-sheba ie. 20 Tafarany reo raha reo ro nivolagnany tamin'i Abrahama:"Niteraky aja tamin'i Nahora rahalahinao koa i Milka." 21 La i Oza lahimatoany,Boza rahalahiny,Kemoela rain'i Arama, 22 Kaseda,Hazo,Pildasy,Jidiafa voho i Betoela. 23 Ka Betoela niteraky gnan'i Bebeka.Reo aja valo reo ro naterak'i Milka tamin'i Nahora,rahalahin'i Abrahama. 24 Ka gny valiny amonto zay kaihy hoe Reoma vao koa la niteraky gnan'i Teba,Gahama,Tahasy voho Meaka.