Toko faha 21

1 Nijanjy gnan'i Saraha manahaky ze fa nivolagniny ho nasany i Yaveh,ka la nasan'i Yaveh tamin'i saraha manahaky ze fa nampitamagnany. 2 Nibevoka Saraha ka niteraky anaky lahy tamin'i Abrahama tamin'ny fahanterany,tamin'ny gnadro fa voatondro zay fa nivolagnin' Andrianagnahary tagnaminy. 3 Abrahama nagnome agnara gny anany johary,azy nateraky ho gnazy,zay naterak'i Saraha ho gnazy,hoe Isaka. 4 Nisavarin'i Abrahama Isaka anany tamin'ny faha valo androny,magnaraky gny nandidian'Andrianagnahary gnazy. 5 Zato tao Abrahama laha niteraky gnan'i Isaka anany. 6 Hoy Saraha hoe:"Fa nampihehezin-dragnahary zaho;gnolo iaby mahare gnahy la hisondry hihehy agnamiko. 7 Hoy koa ie hoe:"Ia moa ro afaky nivola tamin'i Abrahama fa hiteza aja Saraha,kanefa niteraky aja johary ho gnazy tamin'ny haantitsiny zaho!" 8 Nihabe gny zaza ka nota,ka Abrahama nagnano fety bevata tamign'andro nagnota gnan'i Isaka. 9 Saraha nahita gnan'i anaky Hagara Egyptiana,zay naterany tamin'i Abrahama,nagnaraty gnazy. 10 La hoy ie tamin'i Abrahama hoe:"Roaho ampela andevo tia voho anany io:fa gnanan'io ampela andevo io la tsy hikamba lova amin'ny gnanako,la Isaka". 11 Zay raha zay la vatany nampijaly gnan'i Abrahama nohony amin'ny gnanany. 12 Fa hoy Ndranagnahary tamin'i Abrahama hoe:"Ka meloky nohony amin'ny gnanakao lahy,voho amin'ny ampela mpanomponao.Janjigno gny safagny iaby ze nivolagnany gnanao mikasiky zay raha zay,fotony baka amin'i Isaka ro hagnomeza agnara gny havorohotanao. 13 Hataoko ho firenena avao koa gnanaky ny ampela mpanomponao,fotony havorohotanao ie." 14 Nifoha maray Abrahama,nangalaky mofo voho sihoa angozy misy rano,la nomeany gnan'i Hagara zay,napetrany tan-tsorony teo.Nomeany azy aja iny ka nampandehaniny lavitsy rozy.Lasa i Hagara ka nirerirery tagny an-diomonton'i Beri-Sheba. 15 Lafa lany gny rano tao agnatanin'ny sihopa angozy iny,la negnan'i Hagara tam-poto-kazo raiky aja iny . 16 Bakoe lasa ie nifitaky lavidavitsy gnan'ny aja igny,sahabo ho halaviran'ny fandefasa kititsy,fa hoy ie hoe:"Akoaky zaho tsy hagnety gny hafatesan'ny aja toy."Ka nifitaky magnandrify azy ie,la nandranga gny feony la nintagny. 17 Andranagnahary nahare gny feon'ny aja igny,ka gny anjelin'Andrianagnahary nikaiky gnan'i Hagara baka an-danitsy agny,ka nivola tagnaminy hoe:"Ino gny manahira gnanao ry Hagara?Ka matahotsy fa ren-dragnahary gny feon'ny aja io . 18 Mitsangana, atsangano aja io ka herezo ie,fa Zaho hanao gnazy ho firenena bevata." 19 Bakeo Ndranagnahary la nampahiratsy gny fijeriny,ka nahita fantsaka ie.La lasa ie nagnatsiky rano sihoa angozy igny ka nampinon-drano an'aja igny. 20 Nagnaro gnan'aja igny Ndranagnaharya,ka niha-bevata ie.Nifitaky tan-diomonto ie ka lasa mpitifitsy kititsy. 21 Nifitaky tagny an-diomonton'i Parana ie,ka nangalan-dreniny valy bakany Egypta. 22 Ka tamizay fotoa zay Abimeleka voho Pikola filohan'ny gny tafiny nirehaky tamin'i Abrahama ka nivola hoe:"Andrianagnahary la momba gnanao amizay raha atsanao iaby. 23 Amizao mifanta agnamiko agnatrehan-Dranagnahary fa tsy hagnisy raty agnamiko iha,na gnanako,na gny havorohotako iha.Atoro gnahy amy toera nifitahanao toy gny fitokiam-panekea zay natoroko tagnaminao." 24 Hoy Abrahama hoe:"mifata zaho." 25 Nitaray tamin'i Abimeleka avo koa Abrahama mikasiki-gny lavaky fantsaka nalan'ny gny mpanompon'ny Abimeleka an-keriloha tamgnaminy. 26 Hoy Abimeleka hoe:"Tsy haiko gny nanao zao raha zao.Tsy nivola taloha tagnamiko iha;tsy mbo nahare mikasiky zay zaho laha tsy androany." 27 Noho zay Abrahama la nangalaky aondry voho aomby ka nagnome azy gnan'i Abimeleka,la nanao fagnekea rozy roe lahy. 28 Abrahama nagnavaky anak'aondry fito vaviny tamy reo aondriny. 29 Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe:"Ino gny dikan'ny reto anak'aondry fito vaviny reto navahanao reto? 30 Namaly ie hoe:"Reto anak'aondry fito vaviny reto la ho rambesinao bakamin'ny gny tagnako,mba ho vavolombelo agnamiko,fa zaho ro nandavaky intoy fantsaka toy." 31 Ka la nikaihiny hoe Beri-sheba IO toera io,fotony toe rozy roe ro nanao fifanta. 32 Tao Beri-sheba rozy roe lahy ro nanao fifanekea,bakeo Abimeleka voho Pikola lehiben'ny gny tafiny nimpoly tagny amin tanin'ireo Filistina. 33 Namboly hazo kily tao Beri-sheba i Abrahama.Nanompo gnan'i Yaveh,zay Ndranagnahary mandrakizay tao ie. 34 Nipetraky ho vahiny tagnatiny andro lako tagny amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.