Toko faha 20

1 Nandeha niala teo Abrahama ka nagnagny amin'ny tany Negeva, no nipetraky teo agnelagnelan'i Kadesa no Sora. Vahiny nipetraky tagny Gerara ie. 2 Nivola gny mikasiky gnan'i Saraha valiny Abrahama hoe: " Anabaviko ie". Bakeo nandeha reo johariny i Abimeleka mpanjakan'i Gerara no nalan-drozy i Saraha. 3 Fa Ndranagnahary niseho tagnaminy hoe: " Ingo, ho maty iha johary ity noho gny ampela nalanao, fotone valin'olo ie." 4 No Abimeleka tsy mba nagneky gnazy ka hoy ie hoe: " Tompo, ho vonoenao koa va ndra gny firenena marina? 5 Tsy ie avao va gny nivola tagnamiko hoe: " Ndra gny vatany aza ka nivola tagnamiko hoe: " Anabaviko ie' Nataoko tamigny hitim-poko zay no tamigny tagnako tsy manan-tsiny." 6 Bakeo Ndranagnahary nivola tagnaminy tamigny nofy hoe: " Eka , fa haiko koa fa tamigny hitim-ponao ro nanavanao gnanizay, no fa niaro gnanao tsy hanota agnamiko koa zaho. Noho gny ,tsy nagnenga gnanao hikasiky gnazy zaho. 7 Ka noho izay, ampolio gny valiny johary io, fa mpaminany ie. Hivavaky gnanao ie, no ho velo iha. Fa laha tsy ampolinao ie, noho fahaiko fa tena ho maty vatany iha no zay iaby gnanao." 8 Nifoha maray be Abimeleka no nikaiky reo mpanompony iaby ho eo agnaminy. Nivolagniny tamin-drozy ze raha iaby zay, no navaka mare reo johary . 9 Bakeo Abilemeka nampikaiky gnan'i Abrahama ka nanao tagnaminy hoe: " Ino raha nataonao tagnaminay toy?" Ino gny ota nataoko tagnaminao no nagnandesa fahota bevata teo agnamiko no gny fanjakako iha? Nataonao tagnamiko zay tokony natao." 10 Hoy Abimeleka tagnamin'i Abrahama hoe: " Ino gny nanosiky gnanao hanao zao raha zao?" 11 Abrahama nivola hoe: " Fotone nandiniky zaho hoe: " Azo antoky fa tsy misy tahotsy gnan-Dranagnahary agnaminy toy toera toy, no hamono gnahy rozy noho gny agnamin'ny valiko.' 12 No koa, anabaviko vatany ie, anaky ampelany babako, fa tsy anaky ampela reniko; noho lasa valiko ie. 13 Lafa naha avy gnahy hagnenga gny lava tragnony babako no nampifalofalo toera gnahy Ndranagnahary, noho hoy zaho tagnaminy hoe: ' Tsy maintsy asehonao agnamiko amigny maha valiko gnanao toy fahatokisa toy: agny amigny tana iaby ze homba tsika, noho volagno gny momba gnahy hoe: " Anadahiko ie". 14 Bakeo nangalaky aondry no aomby, andevo johary no ampela Abimela, no nagnome gnazy gnan'i Abrahama. Bakeo nampoliny tagny agnaminy i Saraha valin'i Abrahama. Hoy Abimeleka hoe: " Ingo, eo alohanao gny taniko. Nipitraha aminy ze mety agnaminao." 16 Hoy ie tagnamin'i Saraha hoe: " Ingo, nameako Sakely bola volafoty arivo gny anadahinao. Iza noho mba ho takomaso amigny fandika lalagna natao gnanao teo imason'ireo olo iaby ze miaraky agnaminao, tena nanao gny marina iha." 17 Bakeo Abrahama nivavaky tagnaminy Ndranagnahary, no Ndranagnahary nagnasitsana gnan'i Abimeleka gny valiny, no reo andevony ampela mba hafahan-drozy mahazo anaky. 18 Fotone Yaveh ro naha avy gny sevaky iaby tao an-tokatragnon'i Abimeleka ho momba tanteraky noho i Saraha, valin'i Abrahama.