Toko faha 17

1 Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo tao, la niantoro tagnaminy Yaveh sady nisafa tagnaminy hoe: " Zaho ro Ndranagnahary tsitoha. Mandena eo alohako, sady ao tsy hisy tsiny. 2 La hagnamafy gny fifagnarahako teo Agnamiko voho iha Zaho, sady hagnamavo gnanao mare. 3 Niankohoky tagnaminy tagny Abrama sady nivola tagnaminy Ndranagnahary, nanao hoe: " Laha gny Agnamiko, la ingo, agnaminao gny fifagnarako. Ho babany gny firenena maro iha. 5 Tsy ho Abrama koa gny agnaranao, fa hatao hoe Abrahama__fotony manondro gnanao ho babany gny firenena maro Zaho. 6 Hagnamaro gnanao mare Zaho, sady hataoko firenena maro iha, sady hisy mpanjaka ho avy agnaminao. 7 Haoriko gny fifagnarahako eo Agnamiko voho gny avorohota afaranao, amin-dreo avorohota faramandimby drozy ho fifagnara tsy misy fatam-perany, mba ho Ndranagnaharinao voho ho gnany reo avorohota mandimby gnanao Zaho. 8 Hamehoako gnanao, voho reo avorohota misolo gnanao, gny tany nipetrahanao, la gny tany Kanana iaby, ho fanagna tsy hisy farany, sady Zaho ho Ndranagnahary dorzy." 9 Bakeo Ndranagnahary nivola tagnamin'i Abrahama hoe: " Laha gny Agnaminao, la tsy maintsy mitandrina gny didiko, iha voho gny avorohotanao afaranao hatramin-gny avorohota hisolo androzy. 10 Zao gny fifaharako, zay tsy maintsy tandremanao, eo Agnamiko voho agnaminao sady gny avorohota afaranao: Tsy maintsy mitapaky gny johary iaby eo agnaminareo. 11 Tsy maintsy lilia gny motso nareo, fa zay ro famantara gny fifagnara eo Agnamiko voho agnaminao. 12 Gny aja johary valo andro iaby eo agnaminao,hatramigny havorohotan'ireo olonao noho tsy maintsy tapahy.Agnisany zay ze teraky bakao ami-gny hasaveregnanao noho ze nivili-drala baka amin'ny vahiny ze tsy hiaro amin-dreo avorohotanao. 13 Tsy maintsy tapahy iaby ze teraky bakao amin'ny hasaveregnanao noho ze nivilinao tamin'ny dralanao.Amin'izay gny fagnekeko la ho amigny holitsareo mba ho fagnekea hatramin'ny gny farany. 14 Ndra ia ndra ia gny johary tsy mitapaky ze tsy nitapahy gny nofon'ny motsony la hala amin'ny gnolony. Nandika gny fagnekeko ie. 15 Ary Andrianagnahary nivola tamin'i Abrahama hoe:" Laha gny amin'i Saray valinao, la ka kaihy hoe Saray sasy ie. Fa koa, Saraha ro ho agnarany. 16 Hitahy gnazy Zaho,ka hameako anaky johary bakaminy iha. Hitahy gnazy Zaho,ka ho renin'ny gny firenena lako ie.Baka amin'ireo mpanjakan'ny gnolo." 17 Bakeo niondriky tamin'ny tany Abrahama,sahy nihehy,ka nivola tam-ponyhoe:"moa mbo hisy aja afaky hateraky ho gnan'ny johary ze fa ho zato tao va?Amy fomba akory ro hahafan'i Saraha,zay fa sivam-polo tao,hivesatsy?" 18 Hoy Abrahama tamin'Andrianagnahary hoe:"Enga anie Ismaela mba ho velo eo agnatrehanao!" 19 Hoy Andrianagnahary hoee:"Aha,fa Saraha valinao la hagnome anaky johary ho gnanao,sady tsy maintsy ataonao hoe Isaka gnagnarany.Haoriko agnaminy ho fifagnaraha latraky farany miaraky amin'ireo havorohota faramandimby gny fanekeko. 20 Laha gny amin'Ismaela, la fa reko iha. Ingo ,mitsimpi-rano gnazy Zaho,sady hampamotsy gnazy ,voho hampitombo gnazy mare.Ho baban'ireo mpitariky gny foko roambin'ny folo ie,sady hataoko lasa firenena bevata. 21 Fa gny fanekeko la haoriko amin'Isaka,zay haterak'i saraha ho gnanao amin'ny gny gnandro manahak'izao amin'ny herintao." 22 Lafa baka niresaky taminy Ie, la nanganiky nisitaky bakan'ny Abrahama teo Andrianagnahary. 23 Bakeo Abrahama nangaky gnan'Ismaela anakilahiny,voho reo hasaveregnany iaby,ndraiky ze niviliny gny dralany,gny johary iaby tao an-tragnon'i Abrahama,ka nanampaky gny nofon-drozy tamin'ny gnandro io,araky gny safan-dranagnahary tagnaminy. 24 Sivam-polo sivy amby tao Abrahama tamin'ie nitampahy gny motsony. 25 Folo telo amby tao i Ismaela tamin'ie notampahy tami-gny nofony. 26 Tamin'io andro io la samby voatampaky Abrahama voho Ismaela anany. 27 Notampahy nisondry tamy reo johary tan-tragnony tao iaby,agnisanizay reo nateraky bakan-tragnony voho reo niviliny drala bakamin'ny vahiny .