Toko faha 16

1 Sady Saray, valin'i Abrama, la tsy mba niteraky zaza ho gnazy, nefa nana mpanompo ampela raiky ie, zay Egyptiana, kehy hoe Hagara. 2 Koa hoy Saray tagnamin'i Abrama hoe: " Ingo, tsy nagnenga gnahy hana gnanaky Yaveh. Mandehana mandry miaraky amin-gny mpanompo ampelako. Zay vasa ro mety hahazoako anaky avy agnaminy." Nijanjy gny feon'i Saray i Abrama. 3 Folo tao tafarany gny niaignan'i Abrama tao an-tany Kanana ro nagnomezan'i Saray, valin'i Abrama gnan'i Hagara mpanompo ampela Egyptiana, ho valin-gny valiny. 4 Koa nitambatsy tagnamin'i Hagara ie, sady nibevoka. Lafa jeriny fa bevoka ie, la nentiny gny tompo ampelany tamin-gny fandratia. 5 Sady hoy Saray tagnamin'i Abrama hoe: " Noho gny agnaminao avao zao raty miambongo agnamiko zao. Nameako ho eo an-tratranao gny mpanompoko ampela, sady lafa jeriny fa gny bevoka ie, la ratiny teo imasony zaho. Ao Yaveh ro hitsara gnahy voho iha." 6 Fa hoy Abrama tagnamin'i Saray hoe: " Ingo, eo amin-gny fahefanao gny mpanompo ampelanao, ataovo agnaminy ze eretsreretinao ho mety mare." Koa la nanao fitondra mafy tagnaminy i Saray, ka nilay gnazy. 7 Nahajery gnazy teo agnilany lohasaha raiky tagny an-tany maiky gny anjelin'i Yaveh, lay loharano tegny an-dala magnagny Sora. 8 Hoy ie hoe: " Hagara, mpanompon'i Saray, baka ia iha ro hagnaia?" Sady hoy ie hoe: " Nilay gnan'i Saray tompoko ampela zaho." 9 Gny anjelin'i Yaveh nivola tagnaminy hoe: " Mimpolia agny agnamin-gny tompo sevakao, sady mihareta amin-gny fahefany." 10 Sady hoy lay anjelin'i Yaveh tagnaminy hoe: " Hagnamaro isaky gny avorohotanao Zaho, ka tsy ho vatsy isay rozy". 11 Hoy koa gny anjelin'i Yaveh tagnaminy hoe: " Ingo, bevohoka iha, sady hiteraky aja johary, sady gny agnarany ndraiky hataonao hoe Isamoela, fotony nahanja gny finjalianao Yaveh. 12 Ho borikidian-gny olo ie. Handrafy gny olo ie, sady gny olo iaby hirafy agnaminy, sady hipetraky lavitsy gny rahalahiny iaby ie. 13 Sady nameany gnan'i Yaveh zay nisafa tagnaminy zao agnara zao: " Iha ro Ndranagnahary zay mijery gnahy", fa hoy ie hoe: " Mbo mampalotsy avao va zaho, na la tafarany nahajere gnahy aza? 14 Noho zay nimkehy hoe Bera-lahai-roy gny fantsaka; ingo, eo ampagnevoany Kadesa voho Bereda zay. 15 Niteraky gny anaky lahin'i Abrama i Hagara, ro namean'i Abrama agnara hoe Isamoela gny anany, zay naterak'i Hagara. 16 Eny gnamby valopolo tao i Abrama tamin-gny niterahan'i Hagara gnan'i Isamoela ho anany.