Toko 5

1 Ho amin 'ny havotora ro nagnafahan'i Kristy gnantsika.Mivahara soa,noho zay, ka mety ho ambanin'ny entamavesatsin'ny fagnandevoza ndraiky . 2 Ingo,zaho,paoly,mivola agnaminareo fa laha magneky gny vatanareo hosavary nareo,la tsy hahasoa gnanareo amin'ny fomba iaby Kristy. 3 Mijoro vavolombelo amin'ny gnolo kiraikiraiky ze magnenga gny vatany ho savary ndraiky zaho fa voatery hagnaraky gny lalagna iaby ie. 4 Tafasaraky tamin'i Kristy nareo,ze ta ho hamariny amin'ny lalagna;ka tsy miay amin'ny hasoava sasy nareo. 5 Fa amin'ny alalan'ny Fanahy,amin'ny finoa,ro handinignasantsika fatratsy gny fampanantena gny fahamarina. 6 Ao amin'ny Kristy Jesosy la tsy midika ndra ino ndra ino gny voasavatsy voho gny tsy voasavatsy ,fa gny finoa miasa amin'ny fitiava avao. 7 Fa nilailay soa nareo.Ia ro nisaka gnanreo amin'ny fankatoava gny to? 8 Zay fandresean-dahatsy zay la tsy bakamin'ny azy nikaiky gnanareo iny. 9 Lalivay kelikely ro mampitombo gny koba iaby. 10 Fa matoky gny Tompo zaho fa tsy handramby fomba fagnety hafa nareo.Fa gny raiky ze mampikorontaky gnanareo ro handoa gny saziny,ndra ia ndra ia. 11 Rahalahy,laha mbo mitory gny amin'ny savatsy zaho,nagnino zaho ro mbo enjehy?amin'iazy la ho afaky tokoa gny fahatafitohinana'ny gny hazo fiajalia. 12 Fa ho gnan'ireo ze manakorontaky gnanareo, enga lahy ka hanapaky gny vatany rozy! 13 Fa nikaihy ho amin'ny fahafaha nareo,rahalahy.Fe ka ampiasa ho amin'ny filan'ny gny nofotsy gny fahafahanareo:fa koa,amin'ny alaln'ny fitiava la mifanompoa. 14 Fa gny lalagna iaby la tanteraky amin'ny lily raiky;amin'ny hoe:"Tsy maintsy mitea gny namanao manahaky gny vatanao:. 15 Fa laha mifagnehitsy voho mifampihina nareo,la mitandrema tsy hifandrava. 16 Fo hoy zaho,mandena araky gny Fanahy la tsy hahatanteraky ze filan'ny nofo nareo. 17 Fa manohitsy gny Fanahy gny filan'ny nofo,voho manohitsy gny filan'ny nofo gny fagnirian'ny Fanahy.Fa mifanohitsy reo,mba tsy hahazoanareo manao ze raha teanareo. 18 Fa laha tarihin'ny Fanahy nareo la tsy ho ambanin'ny lalagna. 19 Henanizao la miharihary gny asan'ny nofo:la fijanganjangana,fahalotoa,jejojejoa, 20 fanompoan-tsampy,fagnosavia,fagnaboka,fialia,farahy,fahasiaha,fandrafesa,fisaraham-baza,fizarazara, 21 fialogna,hamamoa,fagnorontagna,voho gny raha mitovy amin'izay.Mametsy gnanareo zaho manahaky gny fa nameperako gnanareo taloha,fa tsy handova gny fanjakan-Ndranagnahary,reo ze tsy mampiegny reo raha reo. 22 Fa gny vokatrin'ny Fanahy koa la fitiava,hafalea,fahareta,hasoafagnahy,fagnanova soa,finoa, 23 halemeam-panahy,voho fahafehezan-tena;tsy misy lalagna manohitsy gnan'izay. 24 Reo ze gnan'i Kristy Jesosy la fa nagnary gny toetrany feno fahota miaraky amin'ny fahafinaretany voho gny filany. 25 Laha miay amin'ny Fanahy tsika, aoky handeha amin'ny Fanahy avao koa. 26 Aoky tsika tsy ho lasa mpibohaboha,mifandrangitsy ,voho mifampialo.