Toko faha 6

1 Ry rahalahy,laha misy olo azon'ny gn'ota,nareo ze aaraky gny fagnahy ro tokony hagnampoly gnazy ndraiky amin'ny halemeam-pagnahy.Mandiniha gny vatanao,mba tsy ho tsapa-fagnahy koa iha. 2 Mifagnandesa ze mavesatsy ,sady amin'izay la tanteraho gny lalan'i Kristy . 3 Fa laha misy olo mieritseritsy gny vatany ho mahavita raha ,kanefa ie tsy mahavita ndra ino ndra ino ,la mamitaky gny vatany ie. 4 Tokony hametsivetsy gn'asany iaby gn'olo iaby,mba ho agnamin'ny vatany avao ro hibohabohany fa tsy amin'olo hafa. 5 Fa samby handay gny entany iaby gn'olo kiraikiraiky. 6 Gn'olo ze nampianary gny safa la tsy maintsy mizara gny raha soa iaby amin'ny ze mampianatsy. 7 Ka magneky ho fitahy,Ndranagnahary tsy azo vazivazy,fa ze raha iaby ambolen'olo la mbo hojijainy avao.Ho gnan'izay ze mamboly tabiry amin'ny toetriny feno fahota,la bakamin'izay ro hinjijany faharava. 8 Ze mamboly tabiry amin'ny Fanahy,amin'ny Fanahy avao koa ro hinjijany gny fiaina mandrakizay. 9 Ao tsika tsy ho reraky amin'ny fagnanova soa,fa hinjija gny vokany tsika amin'ny fotoa maha mety azy,laha tsy milavo lefo tsika. 10 Ka noho zay,fotony mana fahafaha tsika,la ao hanao soa amin'ny gn'olo iaby,indrindra fa amin'ny hasaveregnan'ny finoa. 11 Jereo gny habevatan'ny gny soratsy ze nisoratan'ny tagnako ho gnanareo. 12 Reo ze ta hiseho ho soa amin'ny gny nofo ro miezaky manery gnanareo mba hosavary.Manao gnan'izay rozy mba hiala amin'ny fagnenjeha nohon'ny amin'ny hazofijalian'i Kritsy. 13 Ndra reo ze tsy voasavatsy aza la tsy magnaraky gny lalagna,fe tean-drozy hosavary nareo mba hibohabohan-drozy amin'ny gny nofonareo. 14 fe tsy hibohaboha ndra ombibia afa-tsy agnamin'ny hazofijalian'i Kristy Tompontsika zaho,ze nanomboha gnan'izao tontolo izao tagnamiko eto,voho zaho koa tagnamin'izao tontolo zao. 15 Fa ndra gny fisavara dra gny tsy fisavara la samby tsy misy dikany,fa gny fiainam-baovao ro misy fotony. 16 Ho gnan'ireo iaby ze miay magnaraky gnan'izay fomba zay,la ho agnamin-drozy lahy gny fiadana voho gny famindram-po,ndra amin'ny Israelin'i Ndranagnahary aza. 17 Mamototsy amin'izao la ao tsy hisy hagnadala gnahy,fa manday gny marikin'i Jesosy amin'ny gny vatako zaho. 18 Ho amin'ny gny fagnahinareo lahy gny hasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika,ry rahalahy,Amena.