Toko faha 4

Mivola zaho fa gny mpandova,laha mbo zaza ie,la tsy hafa amin'ny gnandevo,ndra la tompon'ny gny raha iaby aza ie. Fe ie la ambanin'ny baikon'ny mpiamby voho gny mpagnanjary gny raha sarotsy vilia la traky gny hiavian'ny gn'andro ze fa napetrakin'ny babany. 3 Ka la manahaky gnan'izay koa,tamintsika mbo nizaza,la nandevozin'ny gny lily,fitsipikin'ny gny fianara gn'olo maro. 4 Fa lafa niavy gny fahatrehan'ny gny fotoa,la nandefa gn'Anany Ndranagnahary,ze nateraky gny sevaky,nateraky tambanin'ny gny lily. 5 Nanao gnan'izay Ie mba hagnavota reo ze ambanin'ny gny lily,mba hahazoantsika mandramby gny fanangana anaky. 6 Fotony fa anaky nareo,la nirahin-Ndranagnahary ho am-pontsika ao gny Fangnahin'ny gn'Anany,ze mikaiky hoe:"Baba,Rako." 7 Noho zay la tsy andevo sasy iha,fa anaky,ka laha anaky,la mpandova amin'ny alalan'Andrianagnahary avao koa iha. 8 Fa tamin'izay fotoa zay,teny nareo mbo tsy nahay gnan-Dranagnahary,la natao ho andevon'ireo ze amin'ny hery voajanahary,la tsy ndranagnahary mihintsy. 9 Fa henanizao nareo la nanjary nahay gnan-Dranagnahary,ndra koa hoe hain-Dranagnahary nareo,ka nagnino ro himpolianareo amin'ny gny abidim-pianara malemy ro sady tsy misy fotony?Ta handevozy draiky va nareo? 10 Mandiniky gn'andro voho gny vola voho gny vanin'andro voho gny tao nareo! 11 Matahotry gny agnaminareo zaho tsy noho tsy misy vokany gn'asako tagnaminareo teo. 12 Misoloho gnanareo zaho,rahalahy,magnanova manahaky gnahy,fotony zaho avao koa la fa lasa manahaky gnanareo.Tsy nanao raty tagnamiko nareo. 13 Fe hainareo fa noho gny gn'aretiko ro nagnambarako gnanareo gny hafatsy soa tamin'ny vegnalohany. 14 Ndra la nanday gnanareo tamin'ny fakam-panahy aza gny vatako,la tsy nanao gnahy ho tsy misy fotony nareo.Fa nirambesinareo manahaky gn'anjelin-Ndranagnahary avao zaho,la hoy rala zaho vatany Kristy Jesosy zao. 15 Aia,noho zay,gny hasoanareo henanizao?Fa mijoro ho vavolombelo agnaminareo zaho fa,laha azonareo atao,la nalanareo gny fijerinareo voho nameanareo gnahy zay. 16 Ka noho zay,fa lasa fahavalonareo va zaho fotony mivola gny to agnaminareo? 17 Rozy la mazoto gny hitao gnanareo,fe tsy amin'ny gny soa.Ta hagnily gnanareo ambaliky agny rozy,hanagnanareo fahazotoa amin'ny tanjona soa,voho lafa tsy misondry agnaminareo avao zaho. 19 Gnanako,mbo mijaly amin'ny fahararin'ny fiteraha ho gnanareo ndraiky zaho latraky hiforognan'i Kristy agnaminareo ao. 20 Magniry zaho mba ho afaky misondry agnaminareo henanizao voho hagnova gny feoko,fotony sahiran-tsay nohon'ny gny agnaminareo zaho. 21 Volagno agnamiko,nareo ze magniry gny ho ambanin'ny gny lalagna,nao,tsy minjanjy gny lalagna va nareo? 22 Fotony voasoratsy fa i Abrahama la nanagn'annaky roelahy,gny raiky bakamin'ny sevaky andevo voho gny raiky bakamin'ny sevaky vototsy. 23 Fa gny raiky la naterakin'gny gn'andevo araky gny nofo,fa gny raiky hafa naterakin'ny sevaky tamin'ny fampagnantena. 24 Reo raha reo la azo rambesy ho manahaky gny fagnohara,fotony reo sevaky reo la magnambara fagnekea roa.Gny raiky amin-drozy la bakamin'ny vohitsin'i Sinay ka niteraky zaza andevo ie.Ie la Hagara. 25 Ka i Hagara la maneho gny vohitsin'i Sinay agny Arabia;voho maneho gnan'i Jerosalema amin'izao fotoa zao,fotony nandevozy nisondry tamin'ny reo anany ie. 26 Fa i Jerosalema ze ambony agny la vototsy,voho ie ro renintsika. 27 Fotony voasoratsy hoe:"Mifalea,iha ry kanda ze tsy miteraky.Mikaikaiha mare voho magnanova koiky fisinisinia,iha ze tsy mijaly amin'ny hararin'ny fiteraha.Fotony reo gn'anakin'ny sevaky ze nofoe la maro noho gny gnanireo sevaky manambaly." 28 Fa nareo,rahalahy,manahaky gnan'Isaka,la anaky gny fampagnantena. 29 Tamin'izay fotoa zay gn'olo ze teraky araky gny nofo la nagnejiky ze teraky araky gny Fagnahy.Manahaky gnan'izay avao henanizao. 30 Fe ino ro volagnin'ny soratsy masy?"Alefaso agny gny andevo vavy voho gn'anakilahiny.Fa gn'anakilahin'ny gn'andevo vavy la tsy hizaa lova misondry amin'ny anakilahin'ny sevaky vototsy." 31 Noho zay,rahalahy,tsy anakin'ny gn;andevovavy tsika,fa anakin'ny gn'ampela avototsy.