Toko faha 3

1 Ry Galatiana Adala!Ia ro nagnosavy gnanareo?Tamasonareo teo vatany ro nanehoa gnan'i Jesosy Kristy voahombo. 2 Zao avao ro raha teako hagnanara gnanareo: Nandramby gny Fanahy tamin'ny asan'ny lalagna sa tamin'ny finoa ze jajinareo va nareo? 3 Adala vatany va nareo?Namototsy tamin'ny Fanahy nareo,la hodomo amin'ny gny nofotsy va henanizao? 4 Nao,niaritsy raha maro tamin'ny tsy misy fotony va nareo,fa laha vatany tsy misy dikany tikoa moa zay? 5 Nao tse, i ze nagnome gny Fanahy gnanareo voho manao asa mahatseriky agnaminareo va la manao gnanizay amin'ny asan'ny lalagna,sa amin'ny finjajigna amin'ny finoa? 6 Manahaky gnan'i Abrahama "nino gnan-dRanagnahary ka la nisahy ho hatony zay," 7 la manahaky gnanizay,haizo,fa reo ze amin'ny finoa la anakin'i Abrahama. 8 Gny Soratsy Masy,nahajery taloha fa Ndranagnahary hagnamary gny Jentilisa amin'ny gny finoa,la nitory gny hafatsy soa taloha tamin'i Abrahana,nisafa hoee:"Bakaminao ro hitahia gny tana iaby." 9 Ka,reo ze bakamin'ny finoa la voatahy misondry amin'i Abrahama,azy olon'ny finoa iny. 10 Reo ze mianky amin'ny asan'ny lalagna la eo ambanin'ny hakeo;fa voasoratsy hoee:"Voahozo ze tsy maneky iaby gny raha voasoratsy iaby agnatin'ny bokin'ny lalagna,voho manao gnan'izay." 11 Henanizao la mazava fa tsy misy olo ze hamariny agnatrehan-dRanagnahary amin'ny alan'ny lalagna,fotony gny marina la ho velo amin'ny finoa. 12 Fa gny lalagna la tsy magnaraky gny finoa,fa koa, "gnolo ze manao gnasan'ny lalana la tsy maintsy velo agnamin'ireo." 13 Kritsy nagnavotsy gnantsika tamin'ny hakeony gny lalagna tamin'ny niaviany ho ozo ho gnantsika,fa voasoratsy hoee:"Voaozo ze mihanto amin'ny hazo", 14 mba ho avy amin'ny Jentilisa gny fitahian'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy,mba ho amin'ny finoa ro hahazoantsika gny fampagnatena gny Fanahy. 15 Ry rahalahy,engao zaho hivola manahaky gny fataon'olo.Agnamin'ny fifagnaraha ataon'olo,tsy misy afaky mangalaky na manampy ze agnatiny ao,lafa tafapetraky gny lalagna zay. 16 Ka reo fampagnatena reo la nivolagny tamin'i Abrahama voho tamin'ny havorohotany.Tsy midika zay hoe:"ho gnan'ny hasaveregna manondro olo lako,fa koa olo raiky avao,hop gnan'ny hasaveregnanao", la i Kristy. 17 Sady zao ro teako ho safagny:"Gny lalagna,ze niavy efa-jato amby telo-polo tao tafara tato,la tsy hahafaky gny fagnekea ze fa napetrakin-dRanagnahary taloha. 18 Fa laha bakamin'ny lalagna gny lova,la tsy avy bakamin'ny fampagnatena sasy zay.Fa Ndranagnahary nagnome gnan'izay gnan'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnatena. 19 Ino moa gny tanjon'ny lalagna?Nasia zay nohon'ny gny fandikan-dalagna,la traky hiavian'ny havorohotan'i Abrahama amin'ny ze nagnanova gny fampagnatena.Gny lalagna la nataon'ny mpagnelagnela raiky ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20 Fa gny mpagnelegnela la midika ho olo mandilatsy gny raiky,fe Ndragnahary la raiky avao. 21 Moa va gny lalagna mandietsy gny fampagnatena n-dRanagnahary?Sagnatria zay! Fa laha nisy lalagna namea ze afaky magnome fiaigna,la bakani'ny lalagna tokoa gny fahamarina. 22 Fa gny Soratsy Masy nagnanadra gny raha iaby ambanin'ny gny fahota.Nanao gnan'izay Ndranagnahary mba hagnomeza gnan'ireo mino gny fampagnantena gny hagnavota gnantsika amin'ny alalan'ny finoa gnan'i Jesosy Kristy. 23 Sady talohan'ny niavian'ny gny finoa,tsika la nitajahy ho babo tambanin'ny lalagna,nigadra la traky hisehoan'ny finoa. 24 Ka bakamin'ny lalagna la manjary mpiamby gnantsika la traky hiavian'i Kristy,ho voamarina amin'ny finoa tsika. 25 Fa zao la avy zay finoa zay,ka tsy ambanin'ny mpiamby sasy tsika. 26 Fa nareo iaby la anakin-dranagnahary amin'ny finoa gnan'i Kristy Jesosy. 27 Fa maro aminareo ze natao batisa tao amin'i Kristy,ro nandramby gnan'i Kristy. 28 Ka tsy misy sasy ndra Jiosy ndra grika ndra andevo ndra tsy andevo,ndra johary ndra sevaky,fa raiky avao nareo ao amin'i Kristy. 29 Ka laha gnan'i Kristy nareo,la havorohotan'i Abrahama,voho mpandova magnaraky gny fampagnantena nareo.