Toko faha 2

1 Folo efatsy amby tao tafara tato la niakatsy tagny Jerosalema tagny ndraiko zaho nisondry tagnamin'i Barnabasy,la nanday gnan'i Titosy nisondry tagnamiko. 2 Niakatsy tagny nohon'ny fagnambara raiky zaho voho nametraky tamin-drozy teo gny hafatsy soa ze nambarako tamin'ny Jentilisa.Nirehaky mitoka tamin'ireo ze neretseretiko ho manan-danja zaho,mba hahazoa antoky fa tsy nilailay na fa nilailay tsy misy dikany zaho. 3 Fa ndra Titosy aza, zay nisondry tagnamiko voho sady Grika,la nitere hisavatsy. 4 Nilitsy moranora reo rahalahy sandoky mba hitsikilo gny fahafaha anagnanay ao amin'i Krisy Jesosy.Nagniry gny hagnandevo gnanay rozy, 5 fe tsy nety nagneky gnan-drozy rahay ndra fotoa kelikely avao,mba hifitaran'ny fahamarinan'ny hafatsy soa agnaminareo. 6 Fa reo ze neretseretinay ho manan-danja (ndra ino ndra ino rozy la tsy mampagnino gnahy,Ndranagnahary la tsy magnavaky) volagniko,reo ze neretseretiko ho manan-danja la tsy nagnampy ndra ino ndra ino tagnamiko. 7 Mifanohitsy agnamin'izay,hitan-drozy fa nanaky gny hafatsy soa ho gnan'ireo ze tsy nisavatsy zaho,manahaky gny nagnakina gnan'i Petera gny hafatsy soa ho gnan'ireo ze voafora. 8 Fa Ndranagnahary ze niasa tao amin'i Petera ho amin'ny maha Apostoly ho gnan'ny ze voafora,la niasa tato agnamiko koa ho gnan'i Jentilisa. 9 I Jakoba,Kefasy,voho Jaona, ze hay fa agnatin'ireo nognory gny tragnombe Ndranagnahary,lafa nahay gny hasoa ze namea gnazy,la nagnome gny tagna ankavanan'ny fiharoa ho gnahy voho Barabasy rozy.Nantaon-drozy zay mba hahazoanay magnagny amin'ny jentilisa,voho mba hahazoan-drozy magnagny amin'ny ze tsy nisavatsy. 10 Nangataky avao rozy mba hahatiaro gny mijaly rahay,ze raha la vatany teako mare. 11 Fa lafa avy tagny Antioka i Kefasy,la nandietsy gnazy tamin'ny tavany zaho fotony diso ie. 12 Talohan'ny niavian'ny reo johary sasany bakagny amin'i Jakoba,la teo am-pihinana nisondry amin'ireo Jentilisa i Kefasy.Fa lafa avy reo Johary reo,la nijano ie ka niala lavitsy gny Jentilisa.Natahotsy reo ze nitaky savatsy ie. 13 Gny sisa tamin'ireo Jiosy koa la niray tetiky tamin'izay fiatsaram-belatsihy zay.Ndra i Barnabasy aza la voavily lalagna niaraky tamin-drozy tamin'ny fiantsaram-belatsin-drozy. 14 Fa lafa jeriko fa tsy magnaraky gny fahamarinan'ny hafatsy soa gny fagnahin-drozy iaby la nivola tamin'i Kefasy tagnatrehan-drozy iaby teo zaho hoe:"Laha Jiosy iha kanefa miay manahaky gny Jentilisa fa tsy manahaky gny Jiosy,manao akory gny hahazoanao hanery gny Jentilisa hiay manahaky gny Jiosy?" 15 Tsika la Jiosy Tamin'ny alalan'ny fiteraha fa tsy mpanota Jentilisa; 16 haintsika fa tsy misy olo hamarin'ny asan'ny lalagna fa amin'ny alalan'ny finoa gnan'i Kristy Jesosy.Tsika avao koa la avy bakamin'ny finoan'i Jesosy Kristy mba hohamariny amin'ny finoa gnan'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalagna.Fa tsy hisy nofotsy ho hamariny amin'ny asan'ny lalagna. 17 Fa laha ohatsy ka,mila ho hamariny ao amin'i Kristy tsika,tsika avao koa,la hita fa mpanota,nao mampirisiky gny fahota va i Kristy?La aha gny valiny! 18 Fa laha mananga nadraiky gny raha fa niravako taloha zaho,la magnamporofo gny vatako ho mpandika lalagna zaho. 19 Fa tamin'ny lalagna ro nahafatesako amin'ny lalagna,mba ho velo ho gnan-Ndranagnahary zaho. 20 Nohomboa nisondry tamin'i Kristy zaho.Tsy zaho sasy ro velo,fa i Kristy ro velo agnatiko ato.Gny fiaina iainako amin'ny gny nofo henanizao la iainako amin'ny finoa gny Anakin-Dranagnahary,ze tea gnahy ka nanolotsy gny vatany ho gnahy. 21 Tsy magniliky gny hasoan-dRanagnahary zaho,fa laha azo amin'ny lalagna gny fahamarina,la tsy misy dikany gny nifatesan'i Kristy!