Toko faha 30

1 Magnamboara alitara hagnoroa ditin-kazo magnitsy.Atavo ami-gny hazo akasia zay. 2 Tokony ho metatsy raiky gny halavany,ka metatsy raiky gny sakany.Tokony ho zoro efatsy zay,ka gny haabony la tokony ho roe metatsy.Sady tokony hatao raiky ami-gny tsifany. 3 Rakofo ditin-kazo magnitsy gny alitara misondry ami-gny volamena malio -gny vavany,reo sisiny voho reo tsifany.ASio ssisim-bolamena gny magnodidy gnazy. 4 Magnanova mason-drojo volamena roe hafehy aminy ambanin'ny gny sisiny amin'ny sisiny roe magnandrify gnazy.Lay mason-drojo la tokony hitanjaky reo bao mba hitarazoa gny alitara. 5 Magnanova bao amin'ny gny hazo akasia,ka fonoso amin'ny volamena reo. 6 Tokony hapetrakinao eo alohan'ny gny lamba zay mariny gny fiaran'ny vavolombelo gny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy.Zay ho eo alohan'ny gny sarom-pagnavota zay eo amin'ny fiaran'ny vavolombelo,zay hihaognako agnaminareo. 7 Aoky hagnoro ditin-kazo magnitsy isa-maray i Arona.Aoky lafa mitanjaky reo jiro ro hagnoro anizay ie, 8 Sady handrehitsy gny jiro ndraiky i Arona amin'ny hariva mba hirehitsy tsy tapaky eo agnatrehan'i Yaveh gny ditin-kazo magnitsy,hatramin'ireo havorohotanao. 9 Fa aoky tsy hagnome ditin-kazo magnitsy hafa eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy iha,ndra koa fagnatitsy oroa ndra fagnatitsy vary.Ka mandraraky fagnatitsy finomy eo amin'izay iha. 10 Aoky hanao fagnavota ndraiky mandeha isan-tao eo amin'ireo tsifa reo i Arona.Amin'ny alalan'ny lion'ny fagnatitsy nohony gny gnota ro hagnanovany fagnavota ndraiky mandeha isan-tao ho gnan'izay ho amy gny havorohotanao farany.Zay la voatoka vatany ho gnan'i Yaveh. 11 Yaveh nivola tagnamin'i Mosesy nanao hoe:" 12 Laha mangalaky gny fagnisa gnan'ireo Israelita iha,noho tokony magnome vilim-pagnavota gnainy ho gnan'i Yaveh baka amign'olo kiraikiraiky. Ataovo zay lafa baka nanisaky azy reo iha, mba tsy hisian'ny arety mandringa eo amin-drozy reo lafa nanisaky azy reo iha. 13 Reo olo iaby zay voaisaky ao amigny fitanisam-bahoaky la hagnavaky antsasaky gny sekely volafotsy, araky gny lanjan'ny sekelin'ny fitoera masy ( gny sekely la manahaky amigny gera roapolo). Io antsasaky sekely io la hatao ho fanatitsy ho gnan'i Iaveh. 14 Reo olo iaby zay voaisaky, bakamigny roapolo tao magnambony, no tsy maintsy mandoa io fanatitsy io ho Gnahy. 15 Lafa hagnome zany fanatitsy zany ho Gnahy gny olo hanaova fagnavota gny ain-drozy, la tsy tokony handoa lisatsy gny antsasaky sekely gny manan-kanagna, sady gny tsy mana tsy handoa latsaky. 16 Tokony handramby zany ndrala fanavota bakamin-drozy Israelita zany nareo sady tokony handay zany amigny asa ao amigny tragno lay fihaogna. Ao koa ho fampitiarova ho gnan'ireo Israelita eo agnatrehako zany, mba hanaova fanavota ho gnan'ny ainareo." 17 Yaveh nisafa tamigny Mosesy sady nivola hoe: 18 " Manova kovety lehibe varahina avao koa miaraky amigny tsanganam-barahina raiky, kovety bevata raiky ho fiasa. Apetraky nareo eo agnelanelan'ny tragno lay fihaogna voho gny alitara zany, sady asio rano ao agnatiny. 19 Sady Arona voho reo anakilahiny la tokony hanasa gny tanany voho gny tongon-drozy amigny rano ao agnatiny zany. 20 Lafa handeha ha ao amigny tragno lay fihaogna rozy na lafa handeha hariniky gny alitara mba hanompo Gnahy amigny alalan'ny fandoroa fagnatitsy, la tsy maintsy misasa amigny rano rozy mba tsy ho maty. 21 Tsy maintsy manasa gny tagnany voho tombokiny rozy mba tsy ho maty. Ao koa ho lalàgna maharitsy ho gnan'ny Arona voho reo taranany sady hatramin'ireo taranaky fara-mandimbin-drozy zany. 22 Niresaky tamin'i Mosesy Yaveh nivola hoe:" 23 Rambeso reto raha magnitsy soa reto:miora-mitete diman-jato sekely,kanelina magnitsy 250 sekely,fosiky magnitsy 250 seekely, 24 Kasia diman-jato sekely,norefesy tami-gny lanjan'ny sekely gny fitoera masy,voho soliky olivs hina raiky. 25 Magnanova soliky fagnosora masy miaraky amy reo fangaro reo,zay asan'ny mpangaroharo raha magnitsy.Ho soliky fagnosora masy zay,voatoka ho Gnahy. 26 Aoky hosoranao amin'io soliky io gny tragno lay fihaogna,manahaky zay koa gny fiaran'ny vavolombelo, 27 reo latabatsy voho gny fanaky iaby eo agnambony,gny fasia jiro voho reo fitaova,voho gny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy, 28 gny alitaran'ireo fagnatitsy oroa voho gny fitaova iaby,voho gny koveta be miaraky ami-gny tombony. 29 Atokanop ho Gnahy mba ho masy ho Gnahy.Ze mikasika gnazy iabyu avao koa la ho masy. 30 Aoky hosoronao i Arona voho reo anakilahiny ka atokano ho Gnahy rozy mba hanompo Gnahy ho mpisoro. 31 Aoky ho volagninao amin'Israely reo hoe:"Aoky ho soliky fagnosora voatoka ho gnan'i Yaveh ho gnan'i Yaveh ho gnan'i reo taranany olo toy. 32 Tsy azo hosora ami-gny holitsign'olo zay,na manao soliky manahaky zay amin'ny raikipohy mitovy,fotony zay la voatoka ho gnan'i Yaveh.Fa tokony hagnety gnan'izay amy fomba zay iha. 33 Ndra ia ndra ia manao ditin-kazo magnitsy manahaky zay,ndra ia ndra ia magnisy anizay eo ami-gnolo,la tsy maintsy hala hiala amin'ny firenena zay olo zay." 34 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy:"Mangala raha mangitsy-natafa,sekeleta,voho leboky raha magnitsy mamy zay miaraky amin-gny ditin-kazo malio,atavo mitovy hamaro zay. 35 Atavo ho manahaky gny ditin-kazo magnitsy zay,miaraky amin'ny sara,malio voho voatoka. 36 Hopotepotehinao hifangaro soa zay.Apetraho eo alohan'ny fiaran'ny vavolombelo zay,ze an-tragno lay fihaogna ao,zay hihaonako aminao.Sady nareo la nandramby gnan'izay ho manahy gny masy mare ho Gnahy. 37 Gny amin'ny toy ditin-kazo magnitsy ze nataoko toy,la tsy tokony hanao raikipohy mitovy ho gnan'ny vatano iha.Tokony ho masy mare ho gnanao zay. 38 Ndra ia ndra ia manao raha mahaky gnan'izay hampiasa manahaky gny rano magnitsy la tsy maintsy laha amin'ny fireneny zay olo zay.