Toko faha 29

1 Sady zao ro tsy maintsy ataonareo mba hanokananareo androzy ho gnahy mba hanompoan-drozy Gnahy ho mpisoro. Mangala vantots'Aombilahy no Aondrilahy roe tsy misy kilema, 2 mofo tsy misy lalivay, no mofomamy tsy misy lalivay nasia soliky. Mangala avao koa mofo matify tsy misy lalivay voahosotsy soliky. Manova mofo matify amigny fampiasa gny lafariny vaeim-bazaha. 3 Atavo agnaty sobiky raiky reo, andeso agnaty gny sobiky reo, no atoro miaraky amigny vanton'Aombilahy no reo Aondrilahy roe. 4 Tsy maintsy magnandesa gnan'i Arona no reo anany eo amigny fandrengea amigny lay fihaogna nareo. Tsy maintsy manasa gnan'i Arona no reo anany amigny rano nareo. 5 Tsy maintsy magnala reo akanjo no mampisiky gnan'i Arona amigny akanjo lava, akanjo misy gny efoda, no gny saron-tratra nareo, mimpitiky gny fehin-troky vita amigny tenona-matify efoda magnodidy azy. 6 Tsy maintsy gny satroky amigny lohany no mametraky gny satro-boninahitra masy eo agnabony gny satroky. 7 Bakeo noho mangala sobiky fagnosora no araraho eo amigny lohany, zay ro fomba hagnosora azy. 8 Nareo noho tsy maintsy manday reo anany no mampiakanjo lava androzy. 9 Tsy maintsy mampikanjo gnan'i Arona no reo anany amigny saron-tratra no mametraky fehiloha amin-drozy nareo. Ho androzy amigny alalany lalagna tsy misy farany gny asa fisorogna. Aminy zay fomba zay noho tsy maintsy hanonagnan'i Arona no reo anany mba hanompo Gnahy nareo. 10 Tsy maintsy hagnandesa vantots'Aombilahy eo agnatrehan'ny lay fihaogna nareo iaby, no i Arona no reo anany noho tsy maintsy mametraky gny tagnan-drozy amigny lohany zay. 11 Tsy maintsy mamono vantots'Aombilahy eo agnatrehan'i Iaveh eo amigny fandrea amiggny lay fihaogna nareo. 12 Tsy maintsy mangalaky vakimira amigny liony vantots'Aombilahy nareo no mametraky izany amigny rantsan-tagnanareo amin'ireo tsifa gny alitara, no tsy maintsy mandraraky gny lio eo ambony gny fotony alitara. 13 Tsy maintsy alanareo gny sabora iaby ze manaro gny ao agnatiny, alao avao koa gny sabora ze manaro gny aty no reo voa roe, oro eo amigny alitara izy rehetra zay. 14 Fa gny nofon'ny vantots'Aombilahy, koa, gny angiziny voho gny tain-drorohany, noho tsy maintsy oroanareo agny ambaliky ny toby. Ho sorogna noho gny fahota izay. 15 Tsy mangalaky Aondry lahy avao koa nareo, no Arona no reo anany noho tsy maintsy mametraky gny tagnan-drozy eo am igny lohany. 16 Tsy maintsy vonoanareo gny Aondry lahy, no mangala gny liony no afafazo amigny sisin'ny alitara iaby. 17 Tsy maintsy tetehinareo gny Aondrilhy no sasanareo gny ao agnainy no gny tombony, ao tsy maintsy apetrakareo, miaraky amin'ireo fa voatetiky no gny lohany, eo amigny alitarany tao agnatiny. 18 Bakeo oro iaby gny Aondry. Ho fanatitsy oroa ho gnan'i Iaveh izay, hagnitsy mamontafota, fanatitsy natao tamigny bolo ho gnan'i Iaveh. 19 Tsy maintsy mangalaky Aondrilahy hafa nareo bakeo, no Arona no reo anany noho tsy maintsy mametraky gny tagnan-drozy eo amigny lohany. 20 No tsy maintsy mamono gny Aondrilahy no mangalaky atsasany amigny lio nareo. Atavo eo amigny tendron'ny ravin- tsofy ankavanan'i Arona zay, no eo amigny tendon'ny ravin-tsofiny ankavanan'ireo anany, eo amigny tondrobeny tagnan-drozy ankavana. Bakeo noho tsy maintsy mamintsipitsiky lio amigny sisin'ny alitara iaby nareo. 21 tsy maintsy mangalaky amigny lio ze eo amigny alitara no antsasany amigny sobiky fagnosora nareo, no mamafy zay iaby zay amin 'i Arona voho gny gny salony,amy reo gnanany voho gny salon-drozy koa.Noho voatoka ho Gnahy i Arona,mbamin'ireo salony voho reo anany mbamin'ny salony koa. 22 Tsy maintsy alanareo gny saborany gny aondrilahy,gny saborany gny rambony,gny sabora ze manaro gny ao agnatiny,gny saboran'ny gny atiny,reo voa roe noho gny saborany, voho gny fe ankavana fotony io aondry io la ho gnan'ny gny mpisoro zay nihamasiny ho gnahy. 23 Mandrambesa mofo raiky,mofo raiky misy menaky,noho mofo matify raiky ao amigny sobiky zay misy reo mofo tsy misy lalivay zay eo agnatrehan'i Yaveh. 24 Tsy maintsy apetrakareo eo amigny tagnan'i Arona noho gny tagnan'ireo gnanany zay ro atavo mihevaheva eto agnatrehako reo mba ho fanatitsy ahevaheva eoeo agnatrehan'i Yaveh. 25 Tsy maintsy mangalaky gny haniny bakeo amigny tagnan-drozy nareo bakeo la magnoro gnanizay miaraky amin'ny fagnatitsy oroa eo amigny alitara.Hamoaky hagnitsy magnimagnitsy zay;ho fagnatitsy nasa tamin'ny bolo ho Gnahy zay. 26 tsy maintsy mangalaky gny tratran'aondrilahi'ny fanokana gnan'i Arona nareo sady magnevaheva gnanizay ho fagnatitsy ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh,ka ho anjaranareo zay. 27 Tsy maintsy avahinareo ho Gnahy gny tratran'ny gny fagnatitsy zay nahevaheva,voho gny fotrognany ze anjaran'ireo mpisoro -gny tratra ze nahevaheva noho gny fotrognany ze anjaran'i Arona noho reo anany. 28 Ho lalagna mandrakizay ho gnan'i Arona noho reo anany zay.Ho fandrambesa anjaran'ireo olon'Israely gny hagnome ami-gny tagnati-pilongoa ho gnan'i Yaveh . 29 Reo fisalora masin'i Arona la tsy maintsy voatoka ho gnan-dreo anany misolo gnazy .Rozy la ho voahosotsy ao agnamin-drozy noho voatoka ho gnahy ao agnamin-drozy. 30 Gny mpisoro ze mandimby gnazy eo agnaminareo anany,ze azy eo agnamin'ny lay fihaogna mba hanompo Gnahy ao ami-gny toera masy,noho tokony hagnano reo fisalora reo agnatiny gny fito andro. 31 Tsy maintsy mangalaky gny aondrilahy ho gnan'ny fametraha mpisoro ho Gnahy voho miketriky gny henany ao amin'ny toera masy nareo. 32 Arona voho reo gnanany la tsy maintsy mihina gny henan'ny aondrilahy voho gny mofo zay tao agnatin'ny sobiky tamin'ny fidira teo magnany amin'ny lay fihaogna. 33 Rozy la tsy maintsy mihina gny hena voho gny mofo zay nomea mba hagnorena gnan-drozy voho hanokana gna-drozy,mba ho voatoka ho Gnahy .Tsy misy olo hafa tokony hihina gny hany,fotony rozy la tsy maintsy manao anizay manahaky gny hoe nihamasiny ho Gnahy,natoka ho Gnahy . 34 Laha misy ambiny amin-gny maray reo henan'ny fagnatitsy fanokagna,na ze mofo iaby, ro tsy maintsy oroanareo tsy azo hany zay fotony fa navahy ho Gnahy. 35 Amin'izay lily zay,ami-gny alalan'ny fagnaraha zay iaby ro didiako hataonareo,ro tsy maintsy hagnadesanareo gnan'i Arona noho reo anany,agnatin'ny fito andro reo ro tsy maintsy omagninareo. 36 Isan'andro nareo no tsy maintsy magnome aombilahy ho fagnatitsy noho gny hadisoanareo mba ho fagnavota.Tsy maintsy magnadio gny alitara ami-gny alalan'ny fagnanova fagnavota eo amin'ny zay nareo,sady nareo la tsy maintsy magnosotsy anizay mba hanokagna anizay ho Gnahy. 37 Agnatiny fito andro la tsy maintsy manao fagnavota eo amin'ny alitara voho manoka gnanizay ho gnan'i Yaveh nareo.Ka ho voatoka iaby ho Gnahy gny alitara.Ze mikasiky gny alitara iaby la ho voatoka ho gnan'i Yaveh. 38 Tsy maintsy atolotsy nareo eo ami-gny alitara isan'andro tsy tapaky gny anak'aondry tao raiky. 39 Gny anak'aondry raiky la tsy maintsy amea amin'ny maray, voho gny anak'aondry raiky hafa la tsy maintsy amea eo ho eo amin'ny tsofots'andro. 40 Amin'ny anak'aondry volohany, la magnome koba matify im-polon'ny gny meza nafangaro tamin'ny gny menaky ampaha-efany gny hina baka amin'ny oliva nofihazy,voho divay ampaha-efany gny hina mba ho raha hinomy fagnatitsy. 41 Tsy maintsy manolotsy gny anak'aondry faharoe nareo eo ho eo amin'ny manjirik'andro.Nareo la tsy maintsy manolotsy fagnatitsy ho hany manahaky gny tamin'ny maray,voho raha finomy fagnatitsy.Hanjary hagnitsy magnimagnitsy ho Gnahy reo;ho fagnatitsy nasa tamin'ny bolo ho Gnahy zay. 42 tsy maintsy fagnatitsy oroa tsy tapaky ami-gny havorohotanareo reo, eo amy gny filira ao amy gny lay fihaogna eo agnatrehan'i Yaveh,zay hihaognako agnaminao voho hirasahako agnaminao. 43 Agny ro hihaognako amin'ireo Israelita,gny lay la hatoka ho Gnahy ami-gny alalan'ny gny voninahitro. 44 Hanoka gny lay fihaogna voho gny alitara ho gnan'ireo ze Gnahy manoka Zaho.Hanoka gnan'i Arona voho reo anany mba hanompo Gnahy ho gny mpisoro avao koa Zaho. 45 Hivelo eo amin'ireo Israelita Zaho ka ho Dragnaharin-drozy. 46 Ho hain-drozy fa Zaho ro Yaveh,Andranagnaharin-drozy,zay nanday an-drozy niboaky baka Egypta mba hahafahako mivelo agnamin-drozy eo.Zaho ro Yaveh, Andrianagnaharin-drozy.