Toko faha 28

1 Keho ho eo agnaminao i Arona rahalahinao no reo anany__noho i Nadaba, Abiho, Eleazara, no Itamara__hiala eo aminy reo Israelita mba hahafahan-drozy manompo gnahy ho mpisorona. 2 Tsy maintsy magnamboatsy akanjo voatoka ho Gnahy ho gnan'i Arona rahalahinao iha. Ho voninahiny no famirapirata ho androzy akanjo reo. 3 Tsy maintsy misafa amin-dreo olo ze hendry am-po, noho reo ze nofenoako fagnahy fahendrena iha, mba hahafahan- drozy magnamboatsy gny akanjon'i Arona hanokana gnazy hanompo Ahy ho pisoroko. 4 Gny akanjo ze tsy maintsy amboarin-drozy voho takon-tratra, efoda, akanjo lava, akanjo tenom-boaroy, hamana, no fehin-troky. Atao ho gnan'i Arona rahalahinao vo reo anany zay mba hanompoany Gnahy ho pisoro. 5 Tsy maintsy mampiasa hasy bazaha foty maliniky zay volamena, manga, volomparasy, no jaky mena reo mpanao tao-zavatra. 6 Ao rozy hagnamboatsy gny efoda amigny volamena, manga, volomparasy no volon'Aondry, no hasy bazaha foty maliniky voatrebiky. Tsy maintsy asany mpanao tao- za-draharaha izay. 7 Ao hisy saron-tsoraky roe mirekitsy eo ami-dreo sisiny agnabo. 8 Gny fehin-troky tenona maliniky noho tsy maintsy hatao manahaky gny efoda; tsy maintsy atao amigny antsasa tsiky avy amigny efoda, vita amigny hasy bazaha foty maliniky zay volamena, manga, volomparasy no jaky mena izay. 9 Ao hangalaky vato beryla roe iha ka handrakitsy gny agnarany reo anak'Israely roe ambin'ny folo lahy eo amin'izay. 10 Gny eny agnaminy agnaran-drozy noho tsy maintsy hatao eo amigny vato raiky hafa, samy araky gny filahara nahaterahany avy. 11 Amigny asany mpisokitsy vato, manahaky gny sari-sokatra amigny tombokase, ro tsy maintsy hanoratanao gny agnaran-dreo anaky Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'ireo vato vato reo. 12 Ao ho ataonao eo amin'ireo saron-tsoroky efoda reo vato anankiroe, mba ho vato fahatiarova gnan'i Iaveh gny amin'ireo anaky Israely. Arona no gny agnaran-drozy eo an-tsorony eo agnatrehan'i Iaveh ho fampatiarova gnazy. 13 Manova fitoera vita amigny volamena 14 no ravaky volamena tsy mifangaro roe nitaly manahaky gny taly, no fehezo eo aminy reo fitoera reo ravaky. 15 Manova saron-tratra ho gnany fanapahan-kevitsy, asan'ny mpiasa za-draharaha, namboary manahaky gny efoda. Amboaro amigny volamena, manga volomparasy no volon'aondry jaky, no amigny hasy bazaha foty maliniky izay. 16 Tokony ho fa hatsanga zay. Haforeto roe reo saron-tratra. Tokony ho ray njehy gny halavany no ray njehiny gny velarany. 17 Asio andalam-batosoa sarobidy efatsy eo aminy zay. Gny andalany voalohany noho tsy maintsy misy karnelia, topaza, no emeralda mena. 18 Gny andalany faharoe koa noho tsy maintsy misy emeralda, safira, no diamondra. 19 Gny andalany fahatelo noho tsy asia opla, agta, no ametysta. 20 Gny andalany fahefatsy noho tsy maintsy misy beryla, no krysolita no jaspy. Tsy maintsy hampifampitengeny amigny randram-bolamena zany. 21 Alaharo araky gny agnaran'ireo anak'Israely roe ambiny folo lahy, samy araky gny agnarany avy reo vato. Tokony ho manahaky gny sari-sokitsy eo aminy peratsy fitomboky reo, sady gny agnarany kiraikiraiky aby la magnambaragny raiky aminy reo foko roa ambin'ny folo. 22 Asio ravaky volamena malio nitaly manahaky gny taly, eo amigny saron-tratra. 23 Magnamboara mason-drozo volamena roe ho gnany saron-tratra no ap etao eo amigny zorony saron-tratra anankiroe reo. 24 Apetaho eo amigny zorony saron-tratra roe reo ravaky volamena roe. 25 Hapetao eo amin'ireo fametraham-roe gny horin'ny ravaky nitaly. Bakeo apetaho eo amin'ny saron-tsoroky gny efoda eo alohany izay. 26 Magnamboara mason-drozo volamena roe, no apetaho eo amigny zorony saron-tratra roe hafa izay, eo amigny sisiny agnilany zorony agnatiny. 27 Magnamboara mason-drozo volamena roe hafa iha, hapetaho eo amigny farany ambanin'ireo saron-tsoroky roe eo alohany efoda, magnakaiky gny trebikiny fikambanany eo agnambon'ny fehin-troky trebiky efoda izay. 28 Afehezo eo amigny mason-drozony gny efoda, amigny mason-tratra, mba hipitian'izay eo agnambony fehin-troky voakekin'ny efoda. Natao izay mba tsy hiombotsy amigny efoda gny saron-tratra. 29 Lafa magnao amigny fitoera masy i Arona, noho tsy maintsy manday gny agnaran'ireo vahoakan'Israely eo amigny fony ao amigny saron-tratra fanapahan-kevitsy, mba ho fahatiarova maharitsy eo agnatrehan'i Iaveh. 30 Ao apetrakao ao amigny saron-tratra fanapahan-kevitsy gny Orima no gny Tomima, mba ho eo amigny fon'i Arona izay lafa militsy eo agnatrehan'i Iaveh ie. Amin'izay Arona noho handay gny fomba andesiny manapa-kevitsy ho gnany vahoakan'Israely eo am-pony lalandava eo agnatrehan'i Iaveh. 31 Atavo agnaminy siky volomparasy tanteraky gny akanjo lavan'i efoda. Tsy maintsy misy fitsofahan-doha eo agnivon'izay. 32 Ao hisy sisiny voatrebiky magnodidy gny vozon'izay mba tsy horiatsy. Tsy maintsy anjarany gny mpaneno izay asa zay. 33 Eo amigny moron-tombony, noho asianao sarin'apongaben-dagnitsy manga, volomparasy, no jaky magnodidy azy. Reo lakolosy Ndragnahary noho tsy maintsy mielakela magnodidy izany. 34 Tsy maintsy misy lakolosy volamena noho apongaben-dagnitsy, lakolosy volamena noho apongamben-dagnitsy__ no manahaky gnan'izay hatrany__magnodidy gny moron-tomboky gny akanjo lava. 35 Tokony hagnanovan'i Arona gny akanjo lava lafa manompo ie, mba ho re gny feon'izay lafa militsy ao amigny toera masy eo agnatrehan'i Iaveh no mimboaky ie. Natao zay mba tsy ho maty ie. 36 Magnamboara takela-bolamena tsy mifangaro ka hagnisy soratsy eo amin'izay manahaky gny soratsy eo amigny tombokase hoe:" Masy ho gnan'i Yaveh." 37 Apetaho amigny boky manga, eo alohany hamama io takela-bolamena io. 38 Ao ho eo amin'ny tampon-kandrin'i Arona zay, tsy maintsy manday ze fahameloha iaby mety hiaraky amigny fanatitry gny fagnomeza maly izay hatokan'ny Israely ho gnan'i Yaveh hatragny ie. Ao ho eo amigny tampon-kandriny lalan-dava gny hamama mba haneken'i Iaveh gny fanatitsin-drozy. 39 Magnamboara akanjo vita amigny hasy bazaha foty maliniky iha, no magnamboara hamama vita amigny hasy bazaha foty maliniky. Ao avao koa iha hanao fehin-troky, ze anjara asan'ny mpanao pitrebiky. 40 Ho gnan'ireo anak'i Arona koa noho tsy magnamboatsy fisikina, fehin-troky no fehiloha iha ho voninahitra no famirapiratan-drozy. 41 Ao ampisikininao i Arona rahalahinao, mbamin'ireo anany. Tsy maintsy magnosotsy azy reo, magnamasy azy reo, no manoka azy reo ho Gnahy iha, mba hanompoan-drozy Gnahy ho mpisoro. 42 Magnamboaraatin'akanjo vita amigny hasy bazaha ho andxrozy mba hisaro gny nofo mitanjaky androzy manombokeo amigny valahany ka hatreo amigny fe. 43 Tsy maintsy manao reo akanjo reo i Arona no reo anany lafa militsy ao amigny tragno-lay fihaona na lafa misiziky gny alitara mba hanompo ao amigny fitoera masy. Tsy maintsy manao izany rozy mba tsy ho meloky, laha tsy izay rozy ho maty. Lalagna maharitsy ho gnan'i Arona no reo avorohota mandimby azy zay.