Toko faha 31

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe:" 2 Ingo,nikaihiko tamin'ny agnarany i Bezalela anak'i Ory voho Ora,bakagny amin'ny fokon'i Joda. 3 Nifenoako tamin'ny gny fagnahiko i Bezalela,mba hagnomezako gnazy fahendrea,hazavan-tsay,voho hihitsy,ho gnan'ny karaza asa-tagna iaby, 4 mba ho hikolokoloa gny soa sady hasia ami-gny volamena,volafotsy,voho saba; 5 mba hanapaky voho hametra-vato voho hisikotsy hazo avao koa-mba hanao reo karaza asa-tagna iaby. 6 Fagnampin'izay ho gnazy,nitinginiko i Oliaba anakilahin'i Ahisamatsa,bakagny amin'ny fokon'ny Dana.Nameako fahaiza-manao gny tao am-pony ze hendry iaby mba hahazoan-drozymanao ze raha nandidiako gnanao. 7 Tafilitsy amin'izay gny tragno lay fihaongna,gny sarim-pagnavota teo agnambo fiara,voho gny fanaky gny lay iaby- 8 gny latabatsy iaby voho reo fanaky,gny fasia jiro malio miaraky amy reo fitaovany,gny alitaran'ny didin-kazo magnitsy, 9 gny alitan'ny fagnatitsy oroa voho gny fitaova iaby,voho gny koveta bevata mbami-gny vodiny. 10 Voakasik'izay avao koa gny salotsy voarary matify-reo salotsy masy ho gnan'i Arona mpisoro voho gn'ireo anany,voatoka ho gnahy mba hahafahan-drozy mpanompo ho mpisoro. v 11 Voakasik'izay avao koa gny soliky fagnosora voho gny ditin-kazo magnitsy ho gnan'ny gny toera masy.Reo johary mpanao asa-tagna iaby la tsy maintsy hanao an'izay nandidioko gnanao. 12 Yaveh niresaky tamin'i Mosesy ka nanao hoe:" 13 Volagno Israelita reo hoe:"Tsy miantsy hajanareo tokoa gnandro Sabatan'i Yaveh,fa zay ro famantara agnaminy voho agfnaminareo zisiky amin'ny havorohotanareo,amizay mba ho hainareo fa Ie gny Yaveh,zay nanoka gnanareo ho Gnazy. 14 Noho zay la tsy maintsy rambesinareo ho masy zay,sady voatoka ho Gnazy zay.Ka ze mandoto gnanizay la tsy maintsy ho vonoa ho maty tokoa. 15 Ndra ia ndra ia miasa amin'ny andro sabata,la tsy maintsy hala ami-gny vahoaky tokoa olo zay.Hatao agnatin'ny eny gnandro gny asa,fa amy gnandro faha fito la andro Sabata zay fitofa vatany,masy,natoka ho haja gnan'i Yavrh.Ndra ia ndra ia miasa amy gnandro Sabata la ho vanoa tokoa. 16 Noho zay reo Israely la tsy maintsy manaja gny Sabata.Tsy maintsy mitandry gnan'izay ho lily maharitsy rozy manera gny havorohotany. 17 Gny Sabata la ho famantara eo amin'i Yaveh voho reo Israelita zisiky farany,tagnatiny eny gn'andro ro nagnamboaran'i Yaveh gny lagnitsy voho gny tany,ka tamy gnandro fahafito la nijano Ie ka nitofa." 18 Lafa baky niresaky tamin'i Mosesy Andrianagnahary tam-bohits'i Sinay,la nameany takelaky roe gny lilim-pagnekea ie,vita tami-gny vato,voasoratsy tami-gny tagnany avao.