Toko faha 25

1 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: 2 " Safagno reo Israelita mba hangalaky fanatitsy ho Gnahy bakamin'ny olo iaby zay namporisihan'ny fony. Sady tsy maintsy raisinareo ho Gnahy reo fanatitsy reo. 3 Reto aby gny fanatitsy maintsy raisinareo, sady varahina; 4 Kofehy manga, volomparasy, sady, rongony foty maliniky; volon'aosy, 5 holin'odry lahy miloko mena vo holitsy lambon-driaky; hazo akasia; 6 diloilo ho an'ny fagnaovan-jiro masy; raha-magnitsy ho an'ny diloilo fagnosora sady ditin-kazo manim-pofona; 7 vato beryla vo vato sarobidy hafa mba hatao amin'ny efoda voho amin'ny saron-tratra. 8 Ao rozy hanamboatsy fitoera masy ho Gnahy ho Gnahy mba hahafahako miay eo amin-drozy reo. 9 Tsy maintsy ataonareo araky zay ho asehoko gnanareo ao amin'ny rafitry gny tabernakely vo reo fitaova iaby. 10 Atavo manao fiara vita amin'ny hazo ahasia rozy. Tsy maintsy roa hakiho vo tapaky gny halavany; raiky hakiho vo tapany gny sakany; sady hakiho raiky vo tapany gny hahavony. 11 Tsy maintsy saronanareo amin'ny volamena soa gny ao agnatiny vo gny ivelany, sady asio sisim-bolamena magnodidy gny tampony. 12 Manefy mason-drojo volamena efatsy hatao amin'izay, sady apetraho amin'ireo tombony efatsy gny fiara, mason-drojo roa amin'ny ilany, sady mason-drojo roa amin'ny ilany hafa. 13 Manaova bao vita amin'ny hazo akasia sady sarogno volamena zay. 14 Ampiliro eo amin'ireo mason-drojo eo amin'ny sisin'ny fiara reo bao, mba hilanjana lay fiara. 15 Reo bao la tsy maintsy apetraky eo amin'ny mason-drojon'ny fiara; tsy azo esory eo amin'izay reo. 16 Apetraho ao amin'ilay fiara reo didin'ny fagnekena zay hameako nareo. 17 Magnaova sarom-pagnavota vita amin'ny volamena malio. Roa hakiho vo tapaky gny halavany, sady raiky hakoho vo tapaky gny sakany. 18 Magnaova kerobima volamena voatefy roa ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-pagnavota. 19 Magnaova Kerobima raiky eo amin'ny sakan'ilay sarom-pagnavota, sady Kerobima raiky hafa ho an'ny sakany raiky hafa. Ataovo raiky avao amin'ilay sarom-panavota reo. 20 Reo Kerobima la tsy maintsy mamelatsy gny elan-drozy miakatsy ka manaloky gny sarom-pagnavota amin'ireo. Tsy maintsy mifagnatriky reo Kerobima sady mijary magnagny afovoan'ilay sarom-pagnavota. 21 Ataovo eo an-tampon'ilay fiara gny sarom-pagnavotsy sady apetaho eo amin'ilay fiara reo lalan'ny fagnekena zay Omeko gnanao. 22 Ao amin'ilay fiara ro hihaognako aagnaminao.Eo agnambon'ny gny soram-pagnavota ro toera hiresahako aminao.Eo agnelagnelan'ireo kerobima roe eo agnambon'ny fiaran'ny vavollombelo ro hiresako aminao mikasiky reo lily iaby ze hameako gnanao ho gnan'Israelita reo. 23 Magnanova latabatsy vita ami-gny hazo akasia.Roe hakiho gny halavany;hakiho raiky gny sakany,voho hakiho raiky sy tapany gny hahabony. 24 Sarono volamena malio zay ka rakofo volamena gny magnodidy gny lohany. 25 Magnanova rafitsy raiky vodivoam-pelatagna magnodidy gnan'izay,ka asio sisim-bolamena gny rafitsy magnodidy. 26 Mgnamboara mason-drojo volamena efatry ho gnan'izay ka fehezo ami-gny zorony efatry,ze misy gny tombony efatsy. 27 Tsy maintsy fehezy ami-gny rafitsy reo mason-drojo mba hagnomeza toera ho gny joko,mba hilanja gny latabatsy. 28 Ataovy amin'ny akasia reo bao sady sarogno amin'ny volamena zay mba hahafaha milanja lay latabatatsy miaraky amin'ireo. 29 Ataovy reo finga, sotro, fipetrahan-divay, noho finga boribory mba ho ampiasa hampiliry reo raha finomy fanatitsy. Ataovy amin'ny volamena malio zay. 30 Asio mofon'ny fanatreha mandrakariva eo anoloako eo amin'ny latabatsy. 31 Manaova fipetrahan-jiro vita amin'ny volamena votefy vo tsy mifangaro. Asio gny fototsy vo gny tahony lay fipetrahan-jiro. Ataovo mitambatsy ho raiky reo kapoaky, reo kiboriny, sady reo hazony. 32 Tsy maintsy misy sampany eny miboaky bakamin'ny andaniny aby__Tsy maintsy misy sampany telo miboaky bakamin'ny andaniny raiky, sady sampany telo amin'ilay fipetrahan-jiro miboaky bakamin'ny andaniny raiky hafa. 33 Gny sampany voalohany la tsy maintsy mana kapoaky telo natao manahaky gny amandy mivalatsy, miaraky amin'ny kibory vo hazo, noho kapoaky telo natao manahaky gny amandy mivelatsy amin'ny sampany raiky hafa, misondry amin'ny kibory vo hazo. Tsy maintsy mitovy gny sampanyeny iaby miboaky amin'ilay fanaovan-jiro. 34 Amin'ilay fanaovan-jiro, eo agnivon'ny tahony, la tsy maintsy misy kapoaky afatsy natao manahaky gny amandy mivelatsy, miaraky amin'ireo kibory vo hazo. 35 Tsy maintsy misy kibory raiky eo ambanin'ny sampany roa voalohany__afangaro ho raiky amin'izay, sady kibory raiky eo ambanin'ireo sampa roa faharoa__nampitiky ho raiky amin'izay avao koa. Mitovy amin'izay la tsy maintsy misy kibory raiky eo ambanin'ny sanpa roa fahatelo, nakamba ho raiky amin'izay. Tokony hitovy reo sampa eny iaby miboaky amin'ny fanaon-jiro. 36 Gny kibory vo sampan-drozy la tsy maintsy mitambatsy ho raiky amin'izay, notefeny tamin'ny volamena malio. 37 Tsy manao lay fanaovan-jiro vo reo jiro fito ao aminy nareo, ka hametraky reo jiro amin'ireo mba hagnome fahazava bakamin''izay. 38 Sady gny hetin-jiro vo reo fipetrahan-davenon'ireo la tsy maintsy atao amin'ny volamena malio. 39 Mampiasa volamena malio talenta raiky mba hagnamboara lay fanaovan-jiro vo reo fitaovany. 40 Kendreo mba ho atao araky gny endriky zay hampisehoa gnanao agny an-tendrombohitsy zay.