Toko faha 6

1 Misy gny raty fa hitako teo ambanin'ny gny masoandro, ka mafy ho an'ny gn'olo zay. 2 La mety hagnomea hanagna voho voninahitsy amin'ny gn'olo raiky Ndragnahary mba tsy hijaleany ndra amin'ny gn'io ndra amin'ny gn'ino amin'ny gn'izay iriany ho azy ie, fe Ndagnahary la tsy hagnomea azy mba hankafizany an'io. Fa misy olo hafa mampiasa gny rahany. Zava-poa zay, fampijalea raty. 3 Laha misy johary managn'anaky an-jatony voho miay taony maro, mba ho maro gn'andron'ny gny taony, fa laha tsy afa-po amin'ny gny soa gny fony ka tsy alevy am-boninahitsy ie, ka la hoy aho hoe gny zaza maty teo am-piteraha la soa kokoa noho ie. 4 Ndra la teraky amin'ny gny zava-poa aza gny zaza manahaky an'izay ka maty ao amin'ny gny maiky, mitoetsy ho fagnetaha gn'anarany. 5 Ndra la tsy mahajery masoandro aza zaza io ndra la tsy mahay ndra ino ndra ino, la mana fitsahara mihoatsy amizay johary zay ie. 6 Ndra tokony hireny roe arivo tao aza gn'olo fe tsy mianatsy mankatea gny raha soa, la mandeha amin'ny gny toera mitovy manahaky gn'olo hafa iaby ie. 7 Gn'asan'ny gn'olo iaby la amin'ny gny vavany, fe la tsy mbo afa-po amin'ny gny haniny. 8 Eka vatany, ino gny tombo-tsoa anagnan'ny gn'olo hendry amin'ny gn'adala? Ino gny tombo-tsoa anagnan'ny gn'olo mahantra ndra la mahay gny fomba fihetsiky magnatsiky gn'olo hafa aza ie? 9 Soa mare gn'afa-po amin'izay hita masony nohon'ny gny magniry gn'ilan'ny gny homa mandehandeha, zay la setroky voho andra hanohera gny tsioky avao koa. 10 Gny iaby fa nisy la namea gn'agnarany, ka fa hay hoe manahaky gn'ino gn'olombelo. Nohon'izay laha manjary tsy misy dikany gny mazoto amin'izay mpitsara maherin'ny gn'iaby. 11 Arakarakiny gny hamaroan'ny gny rehaky volagny, ro itomboan'ny gny zava-poa, ka ino gny tombo-tsoan'izay amin'ny gn'olo? 12 Fa ia ro mahay zay soa ho an'ny gn'olo eo amin'ny gny fiaignany mandalo, andro voaisaky hiaignany manahaky gn'aloky? Ia ro afaky mivola amin'ny gn'olo gny amin'izay ho avy egny ambanin'ny gny masoandro lafa avy mandalo ie?