Toko faha 5

1 Tandremo gny toetsao lafa magnan-tragnon'i Ndragnahary agny iha. Mandena agny mba hijanjy. Gny mijanjy la soa nohon'ny gn'adala manolotsy soro fe la tsy mahay fa raty gn'ataondrozy eo amin'ny gny fiaina. 2 Ka malaky loatsy mivola amin'ny gny vavanao, voho ao gny fonao tsy halaky hampiakatsy gny raharaha iaby eo agnatrehan'i Ndragnahary. An-dagnitsy agny Ndragnahary, fa iha an-tany etoy, ka ao mba tsy hivola maro iha. 3 La be loatsy gny raha ataonao voho gny mampoahiahi anao, la hagnonofy raty vatany iha. Gny hamaroan'ny gny rehaky volagninao, ro hahamaro gny hadala mety hovolagninao. 4 Lafa mivoady amin'i Ndragnahary iha, la ka legnalegna amin'ny gny fanaova an'izay, fa tsy sitrak'i Ndragnahary adala reo. Ataovo gny nanaovanaop voady fa hataonao. 5 Aleo tsy mivoady toy zay gny manao voady tsy tanterakao. 6 Ka enga hampagnonta gny nofotsao gny vavanao. Ka mivola amin'ny gny pisoro hoe: "Hadisoa igny voady igny." Nagnino ro mampasiaky an'i Ndragnahary amin'ny gny fanaova voady tsy ie, mila an'i Ndragnahary hanimba gn'asan'ny gny tagnanao? 7 Ka ao amin'ny gny nofy maro, manahaky gny rehaky maro, la misy setroky tsy misy dikany. Ka la matahora an'i Ndragnahary. 8 Lafa jerinao ampijalea voho kizahy amin'ny gny fagnandesa to voho mahity ao amin'ny gny faritaninao gny mahantra, la ka tseriky laha tsy misy olo mahay, fotony misy olo mahery zay miamby androzy eo ambany gny fahafandrozy, voho misy olo ambony kokoa aza manampaky androzy. 9 Fagnamin'izay, la an'ny gn;olo iaby gny vokatsin'ny gny tany, ka la gny vatany gny mpanjaka ro mangalaky gny vokatsy amin'ny gny baibo reo. 10 Gn'olo iaby tea volafoty la tsy ho afa-po amin'ny gny volafoty, voho gn'olo iaby tea hanagna la mila gny mihoatsy lalandava. La setroky avao koa zay. 11 Manahaky gny hitomboan'ny gny fitahia, la manahaky an'izay avao koa gn'olo zay mihina azy. Ino gny tombo-tsoa an'ny tompony amin'ny gny hanagna afa-tsy gny manenty azy amin'ny gny masony? 12 Mamy gny torimason'ny gn'olo miasa, ndra mihina kely ie ndra la maro, fa gny hanagnan'ny gn'olo mpagnarivo la tsy manenga azy hiroro soa. 13 La misy raty mijaly zay fa nihitako tetoy ambanin'ny gny masoandro: la gny hanagna avorin'ny gny tompony, fe miafara amin'ny gny fijalea avao. 14 Laha trobo amin'ny gny vintan-draty gny hanagnan'ny gn'olo mpagnarivo, gn'anakilahiny, zay naterany, ka la hotavela tsy hana ndra ino ndra ino an-tagnany eo. 15 Manahaky gn'olo iaby tsy amin-tsiky baka antron-dreniny agny, la tsy amin-tsiky manahaky an'izay avao koa ro hialany amin'itoy fiaigna toy. Tsy handay ndra ino ndra ino an-tagnany egny baka amin'ny gn'asany ie. 16 Gny raty mampijaly gny hafa la manahaky gn'olo avy vatany, ka la manahaky an'izay koa ro tsy maintsy handenany. Ka ino gny tombony azon'ny gn'olo amin'ny gny fiasa ho an'ny gny tsioky? 17 Anatin'ny gn'androny la homa amin'ny gny maiky ie voho mijaly fatratsy amin'ny gn'arety voho gny siaky. 18 Ingo, la fa hitako ho soa voho mety gny mijabo voho mino voho mankatea gny tombony amin'ny gn'asantsika iaby, laha miasa ambanin'ny gny masoandro agnatin'itoy androm-piaigna zay fa namean-Ndragnahary antsika toy. Fa zay ro anjaran'ny gn'olo. 19 Gn'olo zay nomean'i Ndragnahary hanagna voho fahaiza mba handramby gn'anjarany ka hazoto amin'ny gn'asany ___ Fagnomeza baka amin'i Ndragnahary zay. 20 Fa la tsy mahatiaro gn'androm-piaionany ie, fotony ataon'i Ndragnahary sasatsy amin'ireo raha teany atao.