Toko faha 7

1 Gny laza soa la soa mare nohon'ny gny ranomagnitsy lafo vily, voho gn'andro ifateza la soa mare nohon'ny gn'andro iteraha. 2 Tsara kokoa gny mandeha amin'ny gny tragno fiojea nohon'ny gny mandeha amin'ny gny tragno firavoravoa, fotony gny fiojea la avy amin'ny gn'olo iaby amin'ny gny faran'ny gny fiaignany, ka tokony ho rambesin'ny gn'olombelo am-po zay. 3 Gn'alahelo la soa mare nohon'ny gny hehy, fa afaran'ny gn'endriky malahelo ro hiavian'ny gny hafalean'ny gny fo. 4 gny fon'ny gny hendry la an-tragno fiojea ao, fa gny fon'ny gn'adala koa an-tragno firavoravoa. 5 Soa mare gny mijanjy gny rehaky gny hendry nohon'ny gny mijanjy ny hiran'ny gn'adala reo. 6 Fa manahaky gny fikarepoky gny tsifa mirehitsy ambanin'ny gny valagny, la manahaky an'izay avao koa gny hehin'ny gn'adala. Zay, avao koa, la zava-poa. 7 Ny fangala an-keriny la azo antoky fa mahalasa adala gny hendry, voho gny kolikoly manimba gny fo. 8 Soa mare gny fiafaran'ny gny raharaha raiky nohon'ny gny fiandohany; voho gn'olo maharitsy am-pagnahy la soa kokoa nohon'ny gny mirehareha am-pagnahy. 9 Ka mora masiaky gny fagnahinao, fotony gny siaky la mitoetsy ao am-pon'ny gn'adala. 10 Ka manao hoe: "Nagnino gn'andro taloha ro soa mare nohon'ny gny henany?" Fa zay la tsy fahendrea laha magnotany an'io fagnonanea io iha. 11 Gny fahendrea la soa nohon'ireo raha manan-danja zay nandalovantsika baka amin'ireo razambetsika. La manday tombotsoa ho an'ieo zay mahajery gny masoandro zay. 12 Gny fahendrea la manday fiarova manahaky gny drala zay afaky manday fiarova, fe gny tombo-tsoan'ny gny fahaiza la gny hoe magnomea fiaigna ho an'izay managn'azy gny fahendrea. 13 Saintsaigno gn'asan'i Ndragnahary: Ia ro afaky hagnity gny raha iaby nihelofany? 14 Lafa soa gn'andro, la miaigna am-pifalea amin'izay hasoany zay, fa lafa raty koa gn'andro, la saintsaigno gny mifotsy anitoy: Ndragnahary la fa nagnenga androzy roe hiaraky. Nohon'izay antony zay, la tsy maintsy mahajery gny raha iaby zay mitranga agny afara agny. 15 Fa nahajery raha maro aho tagnatin'ny gn'andro keliko. Misy reo olo-to zay levo ndra la eo aza gny fahamarinandrozy, voho misy gn'olo raty fagnahy zay ela velo ndra la eo aza gny haratiandrozy. 16 Ka Manamarim-bata, hendry amasoneo. Nagnino ro tokony hanimba gny vatanao iha? 17 Mba ka raty fagnahy na miadaladala loatsy. Nagnino iha ro tokony ho maty mialohan'ny gny fitoanao? 18 Soa laha mita gny fahendrea iha, ka tsy tokony hagnenga gny fahamarina handeha. Fa gn'olo zay matahotsy an'i Ndragnahary la hahajery gn'adidiny iaby. 19 Mahery gny fahendrea ao amin'ny gn'olo-kendry, mihoatsy nohon'ny gny mpanampaky folo ao amin'ny gny tana raiky. 20 Tsy misy gn'olo-to manao gny soa voho tsy mbo nanota zao mihintsy gn'an-tany eto. 21 Ka mijanjy gny rehaky iaby zay vinola, fotony mety hahajanjy gny mpanomponao hagnozo anao iha. 22 Manahaky an'izay avao koa, iha la fa mahay fa nagnozo matetiky gny hafa tam-ponao ao avao iha. 23 La fa voaporofoko iaby reo fa tamin'ny gny fahendrea. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho", fe la nihoatsy gny tokony ho ie zay. 24 Lavitsy gny lagnitsy gny fahendrea. Ia ro afaky hahajery an'izay? 25 Nagnova gny foko mba hianatsy voho handiniky ka hila gny fahendrea voho reo fagnazava gny raha misy aho, ka hahatakatsy fa raty gn'adala voho gny hadala la hatroboan-tsay. 26 Jeriko fa la mafaitsy vatany nohon'ny gny fahafateza gn'ampela zay atsiky fandriky voho harato gny fony, voho misy baro gny tagnany. Ndra la ia ndra la ia mankasitraky an'i Ndragnahary la ho afaky aminy, fa gny mpanota koa la ho lasany. 27 "Saigno zay fa hitako", hoy gny Mpitoriteny. "Nagnampy voka-pikaroha raiky tamin'ny gny hafa aho mba hahajery fagnazava gny raha misy. 28 La mbo karohiko zay fe la mbo tsy hitako. Tsy nahajery olo-to raiky teo amin'ny gn'arivo aho, voho tsy nahajery sevaky raiky teo amin'ireo iaby reo aho. 29 La fa jeriko toy: fa Ndragnahary la namoro gn'olo hahity, fe la nandeha nila gny haratia maro rozy."